Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8 : NY SAFIDY MALALAKA, NY FITIAVANA, ARY NY FITANTANAN'ANDRIAMANITRA - Ilay Andriamanitsika mahefa ny zavatra rehetra

Daty
Alahady 16 February 2025

"Mahefa ny zavatra rehetra Andriamanitra", hoy ilay pasitora tanora nampianatra ireo mpianany tao amin'ny kôlejy. "Midika izany fa mifehy ny zavatra izay mitranga Izy. Izao no navalin'ny mpianatra anankiray sahiran-tsaina: "Nifehy ny toe-javatra izany Andriamanitra tamin'ny fotoana nahafatesan'ny alikako? Nahoana Andriamanitra no mamono ny alikako?"

Niezaka namaly izany fanontaniana izany ilay pasitora tanora ka nanao hoe: "Sarotra izany fanontanianao izany. Nefa misy fotoana amelan’Andriamanitra antsika hamakivaky fotoan-tsarotra mba hiomanantsika ho amin'ny fotoan-tsarotra kokoa amin'ny hoavy. Tadidiko tokoa fa mafy tamiko ny nahafatesan'ny alikako, saingy ny fandalovana tamin'izany dia nanampy ahy hiatrika fotoan-tsarotra kokoa taty aoriana rehefa maty ny renibeko. Mazava aminao ve izany ohatra izany?"

Rehefa niato elaela ilay mpianatra dia namaly hoe: "Novonoin'Andriamanitra izany ny alikako mba hanomanana ahy ho amin'ny fotoana hamelany ny renibeko ho faty?" Marc Cortez, averina ao amin'ny boky Divine Attributes: Knowing the Covenantal God of Scripture (Michigan: Baker Academic, 2021), t. 141, nosoratan'i John C. Peckham.

Mihevitra ny olona indraindray fa ny zavatra rehetra dia mitranga araka izay anirian ‘Andriamanitra itrangan'izany tokoa. Tsitoha rahateo Izy. Ahoana àry no hisehoan'ny toe-javatra iray kanefa tsy tian'Andriamanitra hiseho akory izany? Noho izany, na inona na inona mitranga, na ratsy manao ahoana aza izany, dia izay no sitrapon'Andriamanitra. Izany, farafahakeliny, no ampianarin'io teôlôjia io.

Vakio ny Sal. 81:11-14; Isa. 30:15,18; Isa. 66:4 ary ny Lio. 13:34. Inona no ambaran’ireo toko sy andininy ireo momba ny fanontaniana hoe: tanteraka mandrakariva ve ny sitrapon'Andriamanitra?

Maro ny olona mino fa tsy maintsy azon'Andriamanitra mandrakariva izay iriny, nefa samy hafa amin'izany no ambaran'ny Baiboly amintsika. Imbetsaka ny Soratra Masina no maneho an'Andriamanitra miaina fanandramana momba ny faniriana tsy tanteraka. Izany hoe, mifanohitra amin'izay ambaran'Andriamanitra fa tiany hiseho no mitranga ary tsy indray mandeha izany fa imbetsaka. Toe- javatra iray no tiany hitranga amin'ny vahoakany saingy hafa noho izany no fidin'izy ireo. Toy izao mihitsy aza ny fitarainan'Andriamanitra: "Fa tsy nihaino ny feoko ny oloko (...) Enga anie ka hihaino Ahy ny oloko, dia handeha amin'ny lalako ny Isiraely; vetivety dia hampietry ny fahavalony Aho". - Sal. 81:11,13,14.

Eritrereto ny fiantralkan'ireo teôlôjia milaza fa araka ny sitrapon' Andriamanitra no isehoan'ny zavatra rehetra. Inona ny olana lehibe mety haterak'izany fampianarana izany, indrindra ao anatin'ny tontolon-kevitry ny faharatsiana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana
Sun 04 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fanati-poana
Mon 05 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ny ran’ombilahy sy ny ran’osioahy
Tue 06 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ilay zanak’ondrin’i Paska
Wed 07 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - I Jesôsy tao an-tempoly
Thu 08 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Ianao no nahary ny zavatra rehetra
Fri 09 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fianarana fanampiny
Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fampidirana.
Sun 27 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny didy voalohany indrindra
Mon 28 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 2
Tue 29 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Daniela 7
Wed 30 Apr 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Ny tany sy ny ranomasina
Thu 01 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Maminany indray
Fri 02 May 2025
Lesona 5 : NY FIRENENA REHETRA: FIZARANA II - Fianarana fanampiny.
Sat 03 May 2025
Lesona 6: NY FANATITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 10 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fampidirana
Sun 11 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Inty aho, iraho aho
Mon 12 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ireo Kerôbima roa
Tue 13 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Tahaka ny vain’afo mirehitra
Wed 14 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Andriamanitra eo amin’ny vahoakany
Thu 15 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Ny fahalavoan’i Losifera
Fri 16 May 2025
Lesona 7: IREO FANORENAN'NY FAMINANIANA - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (32)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal