Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Avy aty ambany

Daty
Alakamisy 21 November 2024

Hitantsika ao amin'ny lesontsika hatreto fa asehon'i Jaona ho Ilay Mesia nampanantenaina i Jesôsy, Ilay nantenain'ny vahoaka jiosy sy nandrasany hatry ny ela.

Nanjary fahavalony lehibe indrindra anefa ny ankamaroan'ireo mpitondra fivavahana, dia ireo mpitarika ny vahoaka ara-panahy. Nahoana?

Vakio ny Jao. 8:12-30. Inona ny tsy fifankahazoan-kevitra teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana eto? Inona avy ireo andinin-tSoratra Masina manazava tsara indrindra ny antony mahatonga ny maro handà Azy?

Milaza i Jesôsy fa sady tsy mahafantatra Azy izy ireo no tsy mahafantatra ny Ray (Jao. 8:9). Tokony ho nahafantatra anefa izy ireo saingy namita-tena. Nafantony loatra tamin'ny lovantsofiny sy ny filozófiany ny sainy, hany ka na teo anoloany mivantana aza i Jesôsy, nanao izay nataony sy nilaza izay nolazainy - izay samy nanambara ny Ray tamin'ny fomba mahery vaika - dia mbola nolaviny ihany.

Manaraka izany, hoy i Jesôsy tamin'izy ireo: "Hianareo avy aty ambany" - Jao. 8:23. Izany hoe, na dia niseho ho mpivavaka toy inona aza izy ireo dia olona tsy ara-panahy, tsy nanam-pahamasinana. "Manana ny endriky ny toe-panahy araka an'Andriamanitra" fotsiny izy ireo (2 Tim. 3:5), fa tsy nisy finoana tao anatiny.

Tsy zava-baovao io. Hoy ny Isa. 29:13: "Satria manatona Ahy amin'ny vavany ity firenena ity ary mankalaza Ahy amin'ny molony, nefa ampanalaviriny Ahy kosa ny fony, ka ny fahatahorany Ahy dia didin'olombelona ampianarina azy ihany." Naverin'i Jesôsy izany taonjato maro taty aoriana tamin'ny nilazany hoe: "Koa foana ny ivavahan'ireo amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy." - Mar. 7:7.

"Avy amin'izao tontolo izao" ny fampianaran'izy ireo sy ny didiny, ary hoy i Jesôsy: "Izaho tsy mba avy amin'izao tontolo izao." - Jao. 8:23. Efa ratsy tokoa ny namitahan'izy ireo tena, kanefa nanampy trotraka izany ny namitahan'izy ireo ny hafa koa. Mahaliana anefa fa "maro no nino Azy", araka ny voasoratr'i Jaona (Jao. 8:30), vokatr'ilay adihevitra voalaza ao amin'ireo andininy ireo.

Araka izany, na ratsy toy inona aza ny fitondrana ara-pivavahana, dia Jiosy maro no afaka nihoatra izany ka ny tenany mihitsy no nahita an'i Jesôsy tamin'ny maha-lzy Azy.

Inona ny lesona tsoahinao avy amin'ilay adihevitra nifanaovan'i Jesôsy tamin'ireo mpitondra fivavahana? Ahoana no hahatonga antsika ho "avy any ambony" fa tsy "avy aty ambany"? Ahoana no hahaizantsika manavaka izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.
Sun 28 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Paoly nantsoin’Andriamanitra ho apostolin’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Avy tany ATENA hatrany KORINTO.
Tue 30 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny tanañan’i Korinto.
Wed 01 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-"Olona maro amin’ity tanana ity".
Thu 02 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Ny epistilin’ny Paoly ho an’ny Korintianina.
Fri 03 Jul 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO - Fianarana fanampiny.
Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.
Sat 27 Jun 2026
Lesona 1: NY ASA FANOMPOAN'I PAOLY TAO KORINTO-Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 04 Jul 2026
Lesona 2:

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal