Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 8: TANTERAKA IREO FAMINANIAN’NY TESTAMENTA TALOHA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 22 November 2024

Vakio ny IFM, toko 73: "Aza malahelo ny fonareo".

"Napetraka hotehirizin'ny vahoaka hebreo tahaka ny harena sarobidy ny fahamarinana. Ny fombam-pivavahana izay mitondra ny sonian'ny lanitra dia naorin'i Kristy mihitsy. Voasarona lamba tao amin'ny sary an'ohatra sy ny tandindona ireo fahamarinana lehibe momba ny fanavotana. Nefa rehefa tonga i Kristy dia tsy neken'ny Jiosy ho Ilay notondroin’ireo tandindona ireo Izy. Teo am-pelatanan'izy ireny ny Tenin’Andriamanitra, nefa ireo lovan-tsofina izay nafindra avy teo an-tanan'ny taranaka iray ho eo amin'ny taranaka iray, sy ny fandraisan'ny olombelona ny Soratra Masina, dia nanakona taminy ny fahamarinana, araka izay tao amin'i Jesôsy. Very ny maha-zava-dehibe ara-panahy ny Soratra Masina. Nivoha ho azy ireny ny trano fitehirizana ny haren'ny fahalalana rehetra, nefa tsy fantany izany."

"Tsy manafina ny fahamarinany amin'ny olona Andriamanitra. Ny fomba fihetsik'izy ireo ihany no mahatonga izany ho maizina aminy. Nanome porofo miharihary ny maha-Mesia Azy tamin'ny vahoaka jiosy i Kristy; nefa nitady fiovana hentitra teo amin'ny fiainan'izy ireo ny fampianarany. Hitany fa raha mandray an'i Kristy izy, dia tsy maintsy mahafoy ireo ohabolana sy ireo lovan-tsofina maminy indrindra, ireo fahazarana feno fitiavan-tena sy tsy araka an'Andriamanitra fanaony. Mitaky fahafoizan-tena ny handraisana ity fahamarinana tsy miova sy maharitra mandrakizay ity. Noho izany dia nakimpiny ny masony tsy hahita ireo porofo miharihary tsy azo ialana azon'Andriamanitra nomena mba hampiorina ny finoana an'i Kristy. Nilaza ho mino ny Soratra Masina ao amin'ny Testamenta Taloha izy, nefa nandà ny hanaiky ny teny vavolombelona voarakitra ao momba ny fiainan'i Kristy sy ny toetra amam-panahiny. Natahotra ny ho resy lahatra izy sao ho voaova fo ka ho voatery hamoy ireo hevitra efa nibahana tao an-tsainy. Teo aminy Ilay haren'ny Filazantsara, Ilay Làlana sy Fahamarinana ary Fiainana nefa nolaviny, dia Ilay fanomezana lehibe indrindra azon'ny lanitra natolotra." - HF, tt. 78,79.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Tanteraka teo amin'ny fiainan'i Jesôsy ny faminaniana, ary mampiorina ny finoantsika izany; amin'ny fomba ahoana?

2. Inona ireo sakana telo na efatra lehibe nahatonga ireo mpitondra fivavahana tsy hino an'i Jesôsy? Amin'ny fomba ahoana no isehoan'ny toe-javatra toy izany koa ankehitriny?

3. Manaova fandinihan-tena ka fantaro hoe inona avy no itokianao ankehitriny. Inona no azonao atao mba hanamafisanao ny finoanao?

4. Manao ahoana ny fahefan'ny Soratra Masina araka ny namalianao ny fanontaniana tany amin'ny faran'ny lesona Alatsinainy? Ary nahoana no tsy maintsy lavintsika izay rehetra manozongozona ny fahefan'ny Soratra Masina, izay fahefana farany sady faratampony?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana
Sun 24 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ireo lalàn’ny fanekena.
Mon 25 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.
Tue 26 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Ny drafitr’Andriamanitra tany am-boalohany.
Wed 27 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Maso solon’ny maso.
Thu 28 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Valifaty.
Fri 29 Aug 2025
LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fampidirana.
Sun 17 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Teo an-tendrombohitra Sinay.
Mon 18 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Miomana handray fanomezana.
Tue 19 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny didy folo, fanomezana.
Wed 20 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny anjaran’ny lalàn’Andriamanitra.
Thu 21 Aug 2025
LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Ny lalàna, teny fikasan’Andriamanitra ho antsika.
Fri 22 Aug 2025
Lesona 8: LESONA 8: NY FANEKENA TAO SINAY - Fianarana fanampiny.
Sat 23 Aug 2025
LESONA 9 : MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fampidirana
Sun 31 Aug 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Mon 01 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Tue 02 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Wed 03 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Thu 04 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY -
Fri 05 Sep 2025
LESONA 10 : NY FANEKENA SY NY MARI-DRAFITRY NY TABENAKELY - Fianarana fanampiny

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal