Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 46; Jer. 4:23-26; Sal. 47:1-4; 1 Tes. 4:13-17; Sal. 75; Apôk. 14:6-12.
Tsianjery:
"Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao." - Sal. 67:3,4.
Manana fironana hifantoka amin'ireo bibidia sy fahefana samihafa ao amin'ny Apokalipsy isika rehefa mieritreritra momba ny toe-javatra hiseho amin'ny farany. Mazava loatra fa mitana toerana manan-danja ireo, raha tsy izany dia tsy ho nanao izany tao amin'ny Baiboly mba hahatakarantsika azy Andriamanitra (jereo ny Apôk. 1:3).
Na izany aza dia resahin'ny faminaniana koa ny lohahevitra manan-danja mifandraika amin'ny fahotana sy ny fahoriana, ny fitsarana, ny ady ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, ny toetry ny fahamarinana sy ny tsy rariny, ny fanenjehana, sns.
Miresaka sy mandalina momba ireo toe-javatra ireo koa ny Salamo, ary mandinika araka izay tratrany ny fihetsehampon'ny olombelona hatramin'ny fahakiviana lalina ka hatramin'ny fifaliana feno. Hitantsika ika ao ny Isiraely miomana hiady amin'ireo herin'ny maizina. Vakintsika ao ny tolona atrehin'ny isam-batan'olona amin'ny fanontaniana ny antony tsy amahan'Andriamanitra mivantana sy amin'ny fomba haingana kokoa ny olan'ny faharatsiana (fanontaniana izay tsy isalasalana fa efa napetratsika koa). Ampitodihana amin'ny fitoerana masina isika mba hahita ny valin'izany; hita ao koa ny antso miverimberina mahakasika ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra. Moa ve tsy toe-javatra sy fanontaniana itolomantsika koa ireo amin'izao androntsika izao?
Eny tokoa, izany no antony anohizantsika ny famelabelarana ny Salamo mba hianarana bebe kokoa ny amin'ireo fahamarinana tena manan-danja ireo.
*Famerenana ny lesona ny sabata 31 Mey.