Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: AO AMIN'NY SALAMO: FIZARANA 2 - Fampidirana.

Daty
Sabotsy 24 May 2025

Hodinihina mandritra ny herinandro:  Sal. 46; Jer. 4:23-26; Sal. 47:1-4; 1 Tes. 4:13-17; Sal. 75; Apôk. 14:6-12.

Tsianjery:

"Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. Hifaly sy hihoby ny firenen-tsamy hafa, satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao." - Sal. 67:3,4.

Manana fironana hifantoka amin'ireo bibidia sy fahefana samihafa ao amin'ny Apokalipsy isika rehefa mieritreritra momba ny toe-javatra hiseho amin'ny farany. Mazava loatra fa mitana toerana manan-danja ireo, raha tsy izany dia tsy ho nanao izany tao amin'ny Baiboly mba hahatakarantsika azy Andriamanitra (jereo ny Apôk. 1:3).

Na izany aza dia resahin'ny faminaniana koa ny lohahevitra manan-danja mifandraika amin'ny fahotana sy ny fahoriana, ny fitsarana, ny ady ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, ny toetry ny fahamarinana sy ny tsy rariny, ny fanenjehana, sns.

Miresaka sy mandalina momba ireo toe-javatra ireo koa ny Salamo, ary mandinika araka izay tratrany ny fihetsehampon'ny olombelona hatramin'ny fahakiviana lalina ka hatramin'ny fifaliana feno. Hitantsika ao ny Isiraely miomana hiady amin'ireo herin'ny maizina. Vakintsika ao ny tolona atrehin'ny isam-batan'olona amin'ny fanontaniana ny antony tsy amahan'Andriamanitra mivantana sy amin'ny fomba haingana kokoa ny olan'ny faharatsiana (fanontaniana izay tsy isalasalana fa efa napetratsika koa). Ampitodihana amin'ny fitoerana masina isika mba hahita ny valin'izany; hita ao koa ny antso miverimberina mahakasika ny maha-Mpamorona an'Andriamanitra. Moa ve tsy toe-javatra sy fanontaniana itolomantsika koa ireo amin'izao androntsika izao?

Eny tokoa, izany no antony anohizantsika ny famelabelarana ny Salamo mba hianarana bebe kokoa ny amin'ireo fahamarinana tena manan-danja ireo.

*Famerenana ny lesona ny sabata 31 Mey.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.
Sun 03 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandehana ka manompoa an’i Jehôvah.
Mon 04 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanokanana ny voalohan-teraka.
Tue 05 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Niampita ny ranomasina mena.
Wed 06 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Mandroso amim-pinoana.
Thu 07 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Ny hiran’i Mosesy sy i Miriama.
Fri 08 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fanampiny.
Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Jul 2025
Lesona 5: NY PASKA - Fampidirana.
Sun 27 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Miampy indray ny loza.
Mon 28 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny Paska.
Tue 29 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Pechah.
Wed 30 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Mampita ny fanilo.
Thu 31 Jul 2025
Lesona 5: PASKA - Ny fitsaran’Andriamanitra.
Fri 01 Aug 2025
Lesona 5: PASKA - Fianarana fanampiny.
Sat 02 Aug 2025
LESONA 6: NIAMPITA NY RANOMASINA MENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 Aug 2025
LESONA 7: MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fampidirana.
Sun 10 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANIN’AINA - Rano mangidy.
Mon 11 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Ny Papelika sy ny Mana.
Tue 12 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Rano avy amin’ny vatolampy.
Wed 13 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Jetro.
Thu 14 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Mofon’aina sy ranon’aina.
Fri 15 Aug 2025
LESONA 7 : MOFON’AINA SY RANON’AINA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (44)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal