Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.

Daty
Alakamisy 26 February 2026

Vakio ny Kol. 1:28,29. Inona no ifantohan'i Paoly? Nahoana araka ny hevitrao no miverimberina ilay hevitra mahafaoka «ny olona rehetra»?

Kristy sy Izy voahombo tamin'ny hazo fijaliana no ifantohan'ny toritenin'i Paoly (1 Kor. 1:23). Araka ny Efes. 5:27, nanao sorona ny ainy i Kristy mba "ho malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny» ny fiangonana. Araka izany, ny tanjon'i Paoly amin'ny fitoriany ny filazantsara dia ny "hanolotra ny olona rehetra ho tanteraka ao amin'i Kristy» (Kol. 1:28). Amin'ny fampianarana sy fampitandremana no anaovany izany- mampianatra ireo lohahevitra isan-karazany ao anatin'ny foto-pampianarana sy fanao kristianina izy (2 Tes. 2:15; 1 Tim. 4:11; 1 Tim. 5:7; Tit. 1:9), ary mampitandrina ny amin'ny vokatry ny fandavana ny filazantsara sy ny loza avy amin'ny mpampianatra sandoka (Asa 20:29-31; Rom. 16:17).

Toy izany no hitomboantsika ho Kristianina tanteraka, amin'ny fanekentsika ny fampianarana sy ny fihainoana ny fampitandreman'ny Soratra Masina. Foto-kevitra manan-danja tokoa izany. Ny ray aman-dreny manan-janaka vao teraka dia mankalaza ny zava-bitan'ny zanany rehetra - ny teny voalohany nataony, ny fampianarana azy mamindra, ary ny fampianarana azy mamaky teny. Iza no ray aman-dreny tsy ho taitra sy hitebiteby raha toa ka, afaka taona maromaro, tsy mbola mahay mandeha na miteny ny zanany? Ara-dalána ny fitomboana sy ny fivoarana. Tahaka izany koa ny fiainana kristianina.

Ny teny grika nadika hoe «tanteraka» (teleios) dia midika hoe tonga lafatra sy tsy misy kilema. Ao anatin'ny fitomboana kristianina dia manjary fantatsika tsara ny hevi-dalina fonosin'ny lalàn'Andriamanitra sy ny hoe «malalaka indrindra>>> ny didiny (Sal. 119:96). Takatsika fa mahafaoka hatramin'ny "eritreritra sy ny fisainan'ny fo izany (Heb. 4:12).

Kanefa mila mitandrina isika, izany no antony nampiasan'i Paoly ny teny hoe "anarinay" ao amin'ny Kol. 1:28. Ny lalana izay toa mahitsy dia «lalana mivarina any amin ny fahafatesana no iafarany» - Ohab. 14:12. Avy amin'ny fahalalana ny Tenin'Andriamanitra, tarihin'ny panahy. Matetika ny fampianarana sandoka dia misy fahamarinany saingy in'ny Fanahy Masina, ny fahaiza-manavaka ara-manampy na manala amin'izay lazain'ny Baiboly (jereo ny Isa. 8:20). lo farany io matetika no mahomby, na raha tsy izany, ny fametrahana fisalasalana mivantana ny amin'izay lazain'Andriamanitra, farafahakeliny ny fametrahana fanontaniana raha mbola mihatra na azo ampiharina amin'ny androntsika ihany izany. Tsy maintsy hendry tahaka ny menarana sy mora tahaka ny voromailala isika eo am-panavahana ny marina sy ny diso ao amin'ny foto-pampianarana.

Ahoana no fahatakaranao ny hevitry ny hoe «tanteraka ao amin'i Kristy» (Kol. 1:28)? Raha takatrao izay notanterahin'i Jesôsy ho antsika teo amin'ny hazo fijaliana, ahoana no anampian'izany anao hahatakatra ny hevitry ny hoe «tanteraka ao amin'i Kristy»?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal