Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.

Daty
Alatsinainy 23 February 2026

Vakio ny Kol. 1:23. Inona araka ny hevitrao no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe mitoetra "mafy orina sady tafatoetra" amin'ny finoana? (Jereo koa ny Köl. 2:5 sy ny Efes. 3:17).

Misy karazany efatra ny teny hoe "raha" ao anatin'ny fehezanteny amin'ny teny grika, izay samy manana ny heviny. Ilay manomboka ny Kôl. 1:23 dia mametraka fa marina ilay fepetra. Izarny hoe, mampahery ny Kolosiana i Paoly fa haharitra amin'ny finoana tokoa izy ireo. Araka ny ambaran'i Paoly dia efa hitany ny finoan'izy ireo sy ny faharetany (Kôl. 2:5). Na izany aza, miankina amin'ny faharetany eo amin'ny lalan'ny finoana izay efa nodiaviny ny fanantenany.

Izany fitozoana izany no hevitr'ilay teny grika nadika hoe «maharitra" (Kol. 1:23). Nampiasaina io teny io rehefa «naharitra" nanontany an'i Jesosy ireo mpanora-dalana sy Fariseo momba izay tokony hatao amin'ilay vehivavy tratra nijangajanga (Jao 8:7); ary koa tamin' Petera izay "naharitra" nandondona rehefa avy nandre ny feony i Roda ka nahafantatra azy, saingy tsy namoha ny vavahady fa nihazakazaka niditra hilaza ny vaovao amin'ny hafa (Asa. 12:16). Nampiasa izany koa i Paoly, rehefa nampirisika an'i Timoty hitoetra ho mahatoky amin'ny foto-pampianarany sy ny fampiharana izany (1 Tim. 4:16). Toy izany koa no tian'i Paoly ambara eto saingy miantefa amin'ny mpino ankapobeny.

Araka ny ho hitantsika ao amin'ny lesona amin'ny herinandro ho avy, dia manahy i Paoly andrao hanaraka ny hevitr'olombelona mikasika ny fomba ahazoana famonjena ny Kolosiana fa tsy hifikitra amin'ny fanantenana atolotry ny filazantsara (jereo, ohatra, ny Köl. 2:8, 20-22). Ny teny hoe "mafy orina" dia manondro fiorenana mafy amin'ny finoana sy ny fitiavana mifototra amin'ny Tenin'Andriamanitra (jereo ny Mat. 7:25; Efes. 2:20; Efes. 3:17).

Mifandray amin'izany hevitra izany koa ny teny grika nadika hoe «tsy mety afindra», izay manondro rafitra tsy mihetsika sy manondro ankapobeny ny Kristianina izay tsy azo «afindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara» (Kôl. 1:23). Ampiasaina ao amin'ny 1 Kôr. 15:58 koa io teny io: "Kоа amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefå be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo."

Mifanohitra tanteraka amin'ny finoan'ny besinimaro hoe "voavonjy indray mandeha, voavonjy mandrakizay" ny lazain'i Paoly.

Inona ny fanandramana efa niainanao momba ny maha zava-dehibe ny faharetana amin'ny finoana? Izany hoe, nahoana ianao no tsy maintsy manao safidy amim-pisainana tsara mandrakariva rehefa manao izany? Inona no hitranga raha tsy manao izany ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal