Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.

Daty
Alatsinainy 23 February 2026

Vakio ny Kol. 1:23. Inona araka ny hevitrao no tian'i Paoly holazaina amin'ny hoe mitoetra "mafy orina sady tafatoetra" amin'ny finoana? (Jereo koa ny Köl. 2:5 sy ny Efes. 3:17).

Misy karazany efatra ny teny hoe "raha" ao anatin'ny fehezanteny amin'ny teny grika, izay samy manana ny heviny. Ilay manomboka ny Kôl. 1:23 dia mametraka fa marina ilay fepetra. Izarny hoe, mampahery ny Kolosiana i Paoly fa haharitra amin'ny finoana tokoa izy ireo. Araka ny ambaran'i Paoly dia efa hitany ny finoan'izy ireo sy ny faharetany (Kôl. 2:5). Na izany aza, miankina amin'ny faharetany eo amin'ny lalan'ny finoana izay efa nodiaviny ny fanantenany.

Izany fitozoana izany no hevitr'ilay teny grika nadika hoe «maharitra" (Kol. 1:23). Nampiasaina io teny io rehefa «naharitra" nanontany an'i Jesosy ireo mpanora-dalana sy Fariseo momba izay tokony hatao amin'ilay vehivavy tratra nijangajanga (Jao 8:7); ary koa tamin' Petera izay "naharitra" nandondona rehefa avy nandre ny feony i Roda ka nahafantatra azy, saingy tsy namoha ny vavahady fa nihazakazaka niditra hilaza ny vaovao amin'ny hafa (Asa. 12:16). Nampiasa izany koa i Paoly, rehefa nampirisika an'i Timoty hitoetra ho mahatoky amin'ny foto-pampianarany sy ny fampiharana izany (1 Tim. 4:16). Toy izany koa no tian'i Paoly ambara eto saingy miantefa amin'ny mpino ankapobeny.

Araka ny ho hitantsika ao amin'ny lesona amin'ny herinandro ho avy, dia manahy i Paoly andrao hanaraka ny hevitr'olombelona mikasika ny fomba ahazoana famonjena ny Kolosiana fa tsy hifikitra amin'ny fanantenana atolotry ny filazantsara (jereo, ohatra, ny Köl. 2:8, 20-22). Ny teny hoe "mafy orina" dia manondro fiorenana mafy amin'ny finoana sy ny fitiavana mifototra amin'ny Tenin'Andriamanitra (jereo ny Mat. 7:25; Efes. 2:20; Efes. 3:17).

Mifandray amin'izany hevitra izany koa ny teny grika nadika hoe «tsy mety afindra», izay manondro rafitra tsy mihetsika sy manondro ankapobeny ny Kristianina izay tsy azo «afindra hiala amin'ny fanantenana avy amin'ny filazantsara» (Kôl. 1:23). Ampiasaina ao amin'ny 1 Kôr. 15:58 koa io teny io: "Kоа amin'izany, ry rahalahy malalako, dia miorena tsara, aza miova, ary mahefå be mandrakariva amin'ny asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fikelezanareo aina ao amin'ny Tompo."

Mifanohitra tanteraka amin'ny finoan'ny besinimaro hoe "voavonjy indray mandeha, voavonjy mandrakizay" ny lazain'i Paoly.

Inona ny fanandramana efa niainanao momba ny maha zava-dehibe ny faharetana amin'ny finoana? Izany hoe, nahoana ianao no tsy maintsy manao safidy amim-pisainana tsara mandrakariva rehefa manao izany? Inona no hitranga raha tsy manao izany ianao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.
Sun 11 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Olombelona ny mpaminany.
Mon 12 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mamantatra ny atao hoe mpaminany marina.
Tue 13 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Ny asan’ny Mpaminany.
Wed 14 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Mpaminany vavy.
Thu 15 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO -
Fri 16 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Tsy Tonga lafatra saingy manolo-tena.
Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l
Sat 10 Oct 2026
Lesona 3: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA TALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 17 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Fampidirana.
Sun 18 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Jesôsy, amin’ny maha Mpaminany azy.
Mon 19 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny Apôstôly sy ny mpaminany.
Tue 20 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ny asan’ireo Mpaminanin’ny TV.
Wed 21 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo mpaminany vavy sy zatovo mpitandrina, mpiara-miasa.
Thu 22 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Ireo Mpaminany sandoka ao amin’ny TV.
Fri 23 Oct 2026
Lesona 4: IREO MPAMINANIN'NY TESTAMENTA VAOVAO - Manao an’i Jesôsy ho ivo.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal