Hodinihina mandritra ny herinandro : 2 Kor. 1:3-14, 2 Kor. 2:17, 2 Kor. 4:2, 1 Kor. 16:5-7, 2 Kor. 7:5-13, 2 Kor. 2:5-17.
Tsianjery
"Fa tamin'ny haben'ny fahoriana sy ny alahelon'ny foko no nanoratako taminareo tamin'ny ranomaso be, tsy ny hampalahelovana anareo, fa ny mba hahafantaranareo ny fitiavana izay itiavako anareo indrindra." - 2 Kor. 2:4.
Tsy mora mandrakariva ny fiainan'ny apostoly Paoly. Ankoatra ny fonja sy ireo toe-javatra natrehiny izay nampidi-doza ny ainy, dia nanoratra toy izao koa izy: "Indimy aho по nokapohin'ny Jiosy inefa-polo latsaka iray avy. Intelo nokapohina tamin'ny hazo aho, indray maka notoraham-bato, intelo no vaky sambo, indray andro sy indray alina no nitoetra teo amin'ny lalina, nandeha matetika aho, saiky nahita loza tamin'ny ony, saiky nahita loza tamin'ny jiolahy, saiky nahita loza tamin'ny tompon-tany namako, saiky nahita loza tamin'ny jentilisa, saiky nahita loza tao amin'ny tanana aho, saiky nahita loza tany an-efitra aho, saiky nahita loza tany amin'ny ranomasina aho, saiky nahita loza tamin'ny rahalahy sandoka aho, tamin'ny fisasarana sy ny fikelezan-aina, tamin'ny tsi-fahitan-tory matetika, tamin'ny hanoanana sy ny hetaheta, tamin'ny fifadian-kanina matetika, tamin'ny hatsiaka sy ny fitanjahana. Afa-tsy ireo zavatra ivelany dia mbola misy koa izay mahazo ahy isan-andro, dia ny fiahiana ny fiangonana rehetra." - 2 Kor. 11:24-28.
Ampahany amin'io «fiahiana ny fiangonana rehetra» io no hitantsika ao amin'ireo epistilin'i Paoly ho an'ny Korintianina. Na teo aza anefa izany rehetra izany, dia tsy nihalefy velively ny fitiavany azy ireo, tahaka ny fitiavan'i Kristy antsika izay tsy misy mahasaraka antsika aminy. Raha ny marina, i Jesôsy no nianaran'i Paoly nitia ny fiangonana, koa maneho taratra ny fitiavan'i Jesôsy antsika ny fitiavany (2 Kor. 5:14; jereo ny 1 Kor. 11:1).
*Famerenana ny lesona ny sabata 29 Aogositra .