Vakio ny 2 Kor. 2:12,13. Talza no nandehan'i Paoly taorian'ny nanoratany ilay "pistily hentitra" ho azy ireo? Inona no nataony tany?
Nitebiteby i Paoly teo am-piandrasana an'i Titosy (2 Kor. 7:5,6). Na teo aza izany, dia tsy nitsahatra niresaka momba an'i Jesôsy izy (2 Kor. 2:12). Tiany tokoa i Jesosy. Tamin'io fotoana io, dia tsy mbola fantany ny vokatr'ilay taratasy nalefany. Nitebiteby izy, te hahita an'i Titosy sy handre vaovao momba ny fihetsiky ny Korintianina.
Na nahomby aza ny asan'i Paoly tany Troasy, " dia tsy nitoetra naharitra tao [izy]. 'Ny fiahiana ny fiangonana rehetra', ary indrindra ny tany Korinto, dia nitambesatra tao amin'ny fony. Nanantena ny hihaona tamin'i Titosy tany Troasy izy mba hahafantarany ny fomba nandraisana ny teny fananarana sy faniniana nataony tamin'ny Korintiana, kanjo diso fanantenana. 'Tsy nahita fiadanan-tsaina mihitsy aho, hoy izy, satria tsy nahita an'i Titosy rahalahiko'. Koa noho izany dia niala tao Troasy izy, ka nandalo tany Makedonia, ary izy sy Timoty nizotra nankany Filipy, izay nihaonany tamin'i Titosy." - VM, t. 283 (np).
Vakio ny 2 Kor. 2:14-17. Nanao ahoana ny fihetseham-pon'i Paoly rehefa nihaona tamin'l Titosy tany Makedonia Izy ary nandre ny vaovao tsara momba ny fihetsiky ny Korintianina?
Tamim-pifaliana no nanambaran'i Paoly hoe: "Andriamanitra, (...) mitondra anay mandrakariva ao amin'i Kristy toy ny fanaon'izay avy nandresy" - 2 Kor. 2:14. Akory ny hakanton'izany fanambarana izany! Ny fo feno ny fanatrehan'i Kristy dia mampiely "ny hanitry ny fahalalana Azy eny tontolo eny" - 2 Kor. 2:14.
Mifaly ao amin'i Kristy i Paoly satria nitondra ny vokatra izay niriny indrindra ilay "epistily hentitra" (2 Kor. 7:5-9). Fandresena lehibe izany. Ankoatra izany, hamafisin'i Paoly indray ao amin'ny 2 Kor. 2:17, ny fahadiovam-pony amin'ny maha-apôstôly i Kristy azy (2 Kor. 2:17, 2 Kor. 1:12). Araka io andalan-teny io, ny mampiavaka ny mpanompo mahatokin'i Kristy amin'ny mpaminany sandoka dia izao: mitory ny filazantsara mba hahazoana tombontsoa ilay farany, fa ny voalohany kosa dia mitory ny Tenin'Andriamanitra amin'ny fo feno fitiavana marina an'i Kristy.
Inona no manesika anao amin'izay rehetra ataonao, indrindra rehefa manao izany amin'ny anaran'i Jesôsy ianao?