Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Manova drafitra noho ny fitiavana.

Daty
Talata 25 August 2026

Hitantsika fa nisalasala ny amin'ny fikasan'i Paoly sy ny fitiavany ny olona sasany tao Korinto. Hojerentsika anio kosa ny antony manokana nahatonga izany: ny niovany drafitra teo amin'ny diany (2 Kor. 1:15-2:4).

Vakio ny 1 Kor. 16:5-7. Inona no drafitr'i Paoly tany am-boalohany?

Efa tany Korinto i Paoly teo aloha. Araka ny 1 Kor. 16:5,6, dia nikasa handalo ao Makedonia izy rehefa amin'ny lalany miverina any Korinto, ary angamba, hijanona ao Korinto mandritra ny ririnina. Ho any Jodia izy rehefa avy ao Korinto, hitondra ny fanatitra nangonina tany Makedonia ho an'ireo mahantra any Jerosalema. Kanefa, nanova ny drafiny izy noho ny tatitra ratsy nentin'i Timoty avy any Korinto (1 Kor. 4:17, 1 Kor. 16:10, 2 Kor. 1:1,23).

Nikasa handeha mivantana avy any Efesosy ho any Korinto i Paoly mba hamaha ireo olana notaterin'i Timoty. Toy izao ny filaharan'ny dia tokony ho nataony: Efesosy-Korinto-Makedonia-Korinto-Jodia (2 Kor. 1:15, 16). Niala tany Efesosy ho any Korinto izy, nefa avy eo dia niverina tany Efesosy indray. Niova ny drafiny. Tsy niverina tany Korinto araka ny nokasainy izy, tsy avy hatrany, satria tsy nizotra tsara ny fitsidihana nataony farany. Noho izany, niverina tany Efesosy izy ary nanoratra taratasy ho an'ny Korintianina kosa. Naleony nanoratra toy izay hanao fitsidihana hafa mety hanaratsy kokoa ny toe-javatra (2 Kor. 2:1,3).

Diso fihevitra momba ny fikasan'i Paoly tamin'ny fitsidihana farany nataony ny olona sasany. Nisy tamin'ireo olona tao Korinto nilaza fa tsy azo itokiana izy ary tsy dia tia azy ireo loatra (2 Kor. 1:17). Tao anatin'ny valinteniny manoloana izany fiampangana izany, dia nampitodika ny sain'ny Korintianina ho amin'ny filazantsaran'i Kristy izy. Tsy nivadika tamin'ny fikasany hamangy ny Korintianina amin'ny fotoana tsara indrindra izy, tahaka an'Andriamanitra izay tsy nivadika amin'ny fanatanterahany ny teny fikasany ho azy ireo tamin'ny alalan'i Kristy (2 Kor. 1:18-22).

"Fa na firy na firy ny teny fikasan'Andriamanitra, dia ao aminy ny "Eny", ary amin'ny alalany koa ny "Amena", ho voninahitr'Andriamanitra amin'ny ataonay." - 2 Kor. 1:20.

Noho izany, ny valin-teniny dia tsy "Eny" na "Tsia" manjavozavo miankina amin'ny toe-javatra, araka ny nolazain'izy ireo, fa "Eny ihany", tahaka ny asan'Andriamanitra ao amin'i Kristy izay     "Eny" ihany (2 Kor. 1:19).

Noho izany, ny antony nanoratan'i Paoly ho an'ny Korintianina fa tsy nitsidihany azy ireo dia ny fitiavany azy marina, ary tsy ny mifanohitra amin'izany (2 Kor. 2:4). Raha namangy azy ireo avy hatrany taorian'ilay fitsidihana nampalahelo izy, dia vao mainka ho nitondra fahoriana ho azy ireo, fa tsy ilay fifaliana nokasainy hoentina amin'ny fanatrehany (2 Kor. 2:1-3). Mora tamin'ny olona tokoa ny nandika vilana ny fikasana tsara tao anatiny!

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal