Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Ny toetry ny fifanandrinana lehibe.

Daty
Alakamisy 27 February 2025

Efa nahita andininy vitsivitsy isika mampianatra ny amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan 
‘Andriamanitra sy i Satana. Amin'ny fomba ahoana anefa no mety hampisy ny ady toy izany? Iza no mahatohitra Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra? Raha ny hery no tena itondrana izany fifanandrinana izany dia ho tapitra mialoha ny nanombohany aza ny ady. Tsy maintsy ho hafa karazana io ady io. Eny tokoa, manambara ny Soratra Masina fa mahakasika ny toetran'Andriamanitra ilay ady amin'ny fanendrikendrehana ataon'ny devoly, izay ilazany fa tsy tena tsara sy be fitiavana tanteraka Andriamanitra (ankoatra ny fanendrikendrehana hafa). Ny filazana toy izany dia tsy azo resena amin'ny fahefana na amin'ny herisetra fa amin'ny fampitahana ireo mpifanandrina anankiroa kosa.

"Teo amin'ny ady nifanaovany tamin'ny fahotana dia ny fahamarinana sy ny rariny ihany no fiadiana azon'Andriamanitra nampiasaina. Satana kosa anefa dia mampiasa izay tsy azon’Andriamanitra ampiasaina dia ny fandroboana sy ny fitaka. Niezaka izy hanolana ny hevitry ny tenin'Andriamanitra sy hanova endrika ny lamin'ny fitondram-panjakany teo anatrehan'ny anjely, tamin'ny filazany fa tsy rariny ny nametrahan’Andriamanitra lalana sy fitsipika hifehy ireo mponin'ny lanitra; fa raha mitaky fileferana sy fankatoavana avy amin'izay nohariny Izy dia tsy mikendry afa-tsy ny hanandratra ny tenany. Noho izany dia tsy maintsy haseho mazava eo anatrehan’ireo mponina any an-danitra, sy eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao, fa marina ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ary tanteraka ny lalàny. Nilofosan'i Satana ny hampiseho fa mikatsaka izay hampandroso ny soa rehetra eto amin'izao tontolo izao tokoa izy. Tsy maintsy hazava amin'ny rehetra ny tena toetra amam-panahin'ny mpisandoka, ny tena zavatra kendreny. Tsy maintsy manana fotoana ampy izany izy hanehoany ny tenany amin'ny alalan'ny asa ratsiny." - HM, t. 515.

Vakio ny Jao. 8:44,45 sy ny Apôk. 12:7-9. Inona no ambaran ireo andininy ireo momba ny toetran'ny devoly sy ny paikadiny?

Drafitri Satana hatrany am-boalohany ny manao izay hinoan'ny voary fa tsy tena marina na be fitiavana Andriamanitra, ary mampahory sy mampijaly ny olombelona ny lalàny. Tsy mahagaga raha "mpandainga (...) sady rain'ny lainga" no iantsoan'i Jesôsy ny devoly - Jao. 8:44. Tonga mba "hanambara ny marina" kosa i Jesôsy (Jao. 18:37), hanohitra mivantana ny lainga sy ny fiampangan'i Satana, handresy azy, ary amin'ny farany dia hamongotra ny devoly sy ny fahefany (1 Jao. 3:8, Heb. 2:14).

1) "Menarana ela" no iantsoana an'i Satana ao amin'ny Apôk . 12:9,10;

2) Ilay mpiampanga ny vahoakan'Andriamanitra any an-danitra, ary

3) ilay dragona mpanapaka izay mamitaka an'izao tontolo izao. Midika tsotra hoe "mpanendrikendrika" ilay teny grika nadika hoe "devoly", izay mampiseho indray fa momba ny finoana ny toetry ny fifanandrinana, ao anatin'izany ny finoana mikasika ny toetran'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.
Sun 08 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Misaina ny zavatra any ambony.
Mon 09 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Atsaharo ny fisainana momba ny tany.
Tue 10 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Havaozina ho amin’ny fahalalana tsara.
Wed 11 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Ny toetry ny fiainam-baovao.
Thu 12 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fiainam-baovao.
Fri 13 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny
Sat 07 Mar 2026
Lesona 11: FIAINANA MIARAKA AMIN'I KRISTY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal