Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY FIFANANDRINANA LEHIBE - Ny toetry ny fifanandrinana lehibe.

Daty
Alakamisy 27 February 2025

Efa nahita andininy vitsivitsy isika mampianatra ny amin'ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan 
‘Andriamanitra sy i Satana. Amin'ny fomba ahoana anefa no mety hampisy ny ady toy izany? Iza no mahatohitra Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra? Raha ny hery no tena itondrana izany fifanandrinana izany dia ho tapitra mialoha ny nanombohany aza ny ady. Tsy maintsy ho hafa karazana io ady io. Eny tokoa, manambara ny Soratra Masina fa mahakasika ny toetran'Andriamanitra ilay ady amin'ny fanendrikendrehana ataon'ny devoly, izay ilazany fa tsy tena tsara sy be fitiavana tanteraka Andriamanitra (ankoatra ny fanendrikendrehana hafa). Ny filazana toy izany dia tsy azo resena amin'ny fahefana na amin'ny herisetra fa amin'ny fampitahana ireo mpifanandrina anankiroa kosa.

"Teo amin'ny ady nifanaovany tamin'ny fahotana dia ny fahamarinana sy ny rariny ihany no fiadiana azon'Andriamanitra nampiasaina. Satana kosa anefa dia mampiasa izay tsy azon’Andriamanitra ampiasaina dia ny fandroboana sy ny fitaka. Niezaka izy hanolana ny hevitry ny tenin'Andriamanitra sy hanova endrika ny lamin'ny fitondram-panjakany teo anatrehan'ny anjely, tamin'ny filazany fa tsy rariny ny nametrahan’Andriamanitra lalana sy fitsipika hifehy ireo mponin'ny lanitra; fa raha mitaky fileferana sy fankatoavana avy amin'izay nohariny Izy dia tsy mikendry afa-tsy ny hanandratra ny tenany. Noho izany dia tsy maintsy haseho mazava eo anatrehan’ireo mponina any an-danitra, sy eo anatrehan'izao tontolo rehetra izao, fa marina ny fitondram-panjakan'Andriamanitra ary tanteraka ny lalàny. Nilofosan'i Satana ny hampiseho fa mikatsaka izay hampandroso ny soa rehetra eto amin'izao tontolo izao tokoa izy. Tsy maintsy hazava amin'ny rehetra ny tena toetra amam-panahin'ny mpisandoka, ny tena zavatra kendreny. Tsy maintsy manana fotoana ampy izany izy hanehoany ny tenany amin'ny alalan'ny asa ratsiny." - HM, t. 515.

Vakio ny Jao. 8:44,45 sy ny Apôk. 12:7-9. Inona no ambaran ireo andininy ireo momba ny toetran'ny devoly sy ny paikadiny?

Drafitri Satana hatrany am-boalohany ny manao izay hinoan'ny voary fa tsy tena marina na be fitiavana Andriamanitra, ary mampahory sy mampijaly ny olombelona ny lalàny. Tsy mahagaga raha "mpandainga (...) sady rain'ny lainga" no iantsoan'i Jesôsy ny devoly - Jao. 8:44. Tonga mba "hanambara ny marina" kosa i Jesôsy (Jao. 18:37), hanohitra mivantana ny lainga sy ny fiampangan'i Satana, handresy azy, ary amin'ny farany dia hamongotra ny devoly sy ny fahefany (1 Jao. 3:8, Heb. 2:14).

1) "Menarana ela" no iantsoana an'i Satana ao amin'ny Apôk . 12:9,10;

2) Ilay mpiampanga ny vahoakan'Andriamanitra any an-danitra, ary

3) ilay dragona mpanapaka izay mamitaka an'izao tontolo izao. Midika tsotra hoe "mpanendrikendrika" ilay teny grika nadika hoe "devoly", izay mampiseho indray fa momba ny finoana ny toetry ny fifanandrinana, ao anatin'izany ny finoana mikasika ny toetran'Andriamanitra.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana
Sun 12 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Nita an’i Jordana.
Mon 13 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ilay Andriamanitra velona izay manao fahagagana.
Tue 14 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Tsarovy
Wed 15 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Ny fanadinoana
Thu 16 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Any ankoatr’i Jordana
Fri 17 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fampidirana
Sun 05 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Famindrampo indray
Mon 06 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Zava-manan-danja tao amin’ny toerana tsy ampoizina
Tue 07 Oct 2025
Lesona 2: - FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fanoloran-tena vaovao.
Wed 08 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Soatoavina mifanohitra.
Thu 09 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fahasoavana tsy ampoizina.
Fri 10 Oct 2025
Lesona 2: FAHASOAVANA MAHATALANJONA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Oct 2025
Lesona 3: : TSANGAMBATON'NY FAHASOAVANA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal