Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: ILAY LOHARANON’NY FIAINANA - Fianarana fanampiny

Daty
Zoma 29 November 2024

Vakio ny "Amintsika Andriamanitra" toko 1 sy ny "Adihevitra" toko faha-66 ao amin'ny IFM.

"Tamin'ny nanetreny tena ka nandraisany teo Aminy ny maha-olombelona, dia naneho toetra amam-panahy mifanohitra amin'ny an'i Satana i Kristy. Nefa dia mbola nidina ambany kokoa teo amin'ny lalan'ny fanetren-tena Izy. 'Rehefa hita fa nanan-tarehy ho olona Izy, dia nanetry tena ka nanaiky hatramin'ny fahafatesana dia ny fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana Fil. 2:8. Tahaka ny mpisoronabe nanaisotra ny fitafiany marevaka amin'ny maha-mpisorona azy, ka anaovany fanompoam-pivavahana mitafy ny rongony fotsy fanaon'ny mpisorona tsotra, toy izany koa i Kristy izay naka ny endriky ny mpanompo ka nanolotra fanatitra, ary tamin'izany dia Izy no mpisorona, ary Izy koa no sorona. 'Nefa Izy dia voalefona noho ny fahotantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy.- Isa. 53:5.

Izay mendrika antsika no natao tamin'i Kristy, mba ho azo atao amintsika kosa izay mendrika Azy. Nomelohina noho ny fahotantsika izay tsy nananany anjara akory Izy, mba hahazoantsika hamarinina amin'ny alalan'ny fahamarinany izay tsy nananantsika anjara akory. Niaritra ny fahafatesana izay anjarantsika Izy, mba ahazoantsika mandray ny fiainana izay Azy. 'Ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika."- IFM, tt. 11, 12, ed. 2023.

FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra

1. Nanome betsaka tokoa i Jesôsy mba hamonjena an'izao tontolo izao. Araka ny hevitrao, inona ny fomba tsara indrindra hanampiana ny hafa hahita izany fahamarinana mahatalanjona izany ka hanatona Azy amin'ny finoana?

2. Inona ny fahasamihafana eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra araka ny fisainan'olombelona sy ny fandraisana fanapahan-kevitra miorina amin'ny fanambaran'Andriamanitra?

3. Ahoana no ifandraisan'ny lôjika sy ny fahaiza-mandanjalanja amin'ny fahatakarana ny Tenin'Andriamanitra? Inona ny antony ara-lôjika sy ara-pisainana ananantsika mba hahatongavana amin'ny finoana? Ny fahatanterahan'ny faminaniana na koa ny fahatsaran-tarehy mahatalanjon'ny tontolo nohariana sy ny maha-tsy takatry ny saina izany dia mampitodika antsika ara-lôjika sy ara-pisainana ho amin'ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamarinana momba ny drafi-pamonjena; amin'ny fomba ahoana?

4. Ao amin'ny kilasy, resaho ny valin-teninao tamin'ny fanontaniana ao amin'ny fiafaran'ny fizarana Talata. Miorina amin'inona ny finoanao? Raha misy manontany anao ny antony inoanao an'i Jesôsy sy ny fanambaran'ny Filazantsara, inona no havalinao azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana
Sun 16 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Mitory ny fisanganan’i Kristy tamin’ny maty.
Mon 17 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - I Kristy nitsangana tamin’ny maty, Ilay hany fanantenantsika .
Tue 18 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Kristy no santatra.
Wed 19 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Ny vatana hatsangana amin’i maty.
Thu 20 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Horesena ny fahafatesana.
Fri 21 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fianarana fanampiny.
Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 09 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny maha-zava-dehibe ny fitiavana.
Mon 10 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny ataon’ny Fitiavana.
Tue 11 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Ny tsy ataon’ny Fitiavana.
Wed 12 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fanoritsoritana an’i Jesôsy.
Thu 13 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Finoana, fanantenana ary fitiavana.
Fri 14 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 15 Aug 2026
Lesona 8 : NY HERIN'NY FITSANGANAN'I KRISTY TAMIN'NY MATY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 22 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA - Fampidirana.
Sun 23 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Mon 24 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Tue 25 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Wed 26 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Thu 27 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -
Fri 28 Aug 2026
Lesona 9 : FANOMPOANA ASESIKY NY FITIAVANA -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal