Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

LESONA 9: MIAINA ARAKA NY LALÀNA - Lalàna hafa koa.

Daty
Alatsinainy 25 August 2025

LALÀNA HAFA KOA

Noho ny famindrampony dia nampianatra ireo mpitsara ny fomba fitondrana ny olona amin'ny toe-javatra samy hafa Andriamanitra, momba ny zon'ny tompom-pananana. Voatanisa amin'izany ny momba ny tranga maromaro; ohatra: ny tokony hatao raha manoto ny ombin'ny namany ny ombin'ny olona iray, na raha nisy olona nangalatra biby fiompy ka nivarotra izany. na raha nisy biby nihinana biby nihinana ahitra tany an-tsaha na tanim-boaloboky ny olon-kafa, na raha nisy olona nindran-javatra tamin'ny namany ka avy eo nangalarina taminy izany, na raha naratra na maty ny biby nohofaina (Eks. 21:33-22:15).

Vakio ny Eks. 22:16--23:9. Inona avy ireo olana voaresaka ao amin'ireo lalana ireo ary ahoana no nandaminana azy?

Misahana lafin-javatra isan-karazany ny lalan'Andriamanitra. Nisy fitsipika manokana manohitra ny fanambaniana na fanalam-baraka ny olona. Tsy tian Andriamanitra izay rehetra mety ho fanararaotana. Manitsy ny fironana feno fahotana ao amin'ny fon'olombelona Andriamanitra noho ny famindrampony ary mifehy ny fironana ratsy ao anatin'ny olona. Natao harovana ny fiarahamonina, ny ratsy hofongorana, ary ny fifandraisana tsara eo amin'ny olona hokolokoloina. Tsy maintsy manapaka ny fihetsika sy ny atao rehetra ny fahamarinana sy ny fitiavana.

Vakio ny Eks. 23:10-19. Inona ireo olana lehibe resahina eto?

Fanompoam-pivavahana ny Sabata sy ireo andro firavoravoana, ary fampaha-tsiahivana ireo tranga manan-danja teo amin'ny tantaran'ny famonjena. Narafitra tsara ny fanompoam-pivavahana satria io no fototra teolojika iorenan'ny hetsika hafa rehetra. Tamin'ny Famoronana no naorina ny Sabata (Gen. 2:2,3; Eks. 20:8-11); mifandray amin'ny fanafahana sy ny fanavotana ny Isiraely izany (Deo. 5:12-15), ary maneho mazava ny fiankohofana amin'Andriamanitra amin'ny maha-Mpamorona, Mpanavotra, ary Tompontsika Azy (Mar. 2:27,28).

Nisy andro firavoravoana telo lehibe koa tsy maintsy nankalazain'ny Isiraely isan-taona: (1) ny Paska na andron'ny mofo tsy misy masirasira rehefa lohataona (matetika manomboka eo amin'ny antsasaky ny volana Marsa ka hatramin'ny antsasaky ny volana Avrily); (2) ny Pentekosta na ny andro firavoravoana amin'ny fijinjana (na andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro), fito herinandro aorian'ny Paska, ka araka izany, manomboka 50 andro ao aoriany; ary (3) ny fetin'ny tabernakely (na andro firavoravoana fitoerana amin'ny trano rantsan-kazo) na ny andro firavoravoana amin'ny fanangonana vokatra amin'ny fararano (matetika manomboka eo amin'ny antsasaky ny Septambra ka hatramin'ny antsasaky ny Oktobra; jereo koa ny Eks. 34:18-26, Lev. 23:4-44, Nom. 28:16-29:40, Deo. 16:1-16).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal