Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily

Daty
Alarobia 26 November 2025

NY JOBILY

Nanan-danja ho an'ny fisian'ny Isiraely amin'ny maha vahoakan'Andriamanitra azy ireo ny tany ka tsy nozaraina indray mandeha ho an'olom-bitsy ihany izany, fa tsy tsy maintsy nozaraina isam-pirenena sy isam-poko ary isam-pianakaviana (Nom. 34:13-18) mba tsy hahatonga azy ho fananan'ny mpitarika vitsivitsy ihany.

Vakio ny Lev. 25:1-5, 8-13. Inona no tanjon'ny taona sabata sy ny jobily?

Tany Egypta, dia namoy mandrakariva ny taniny ny vahoaka ary tonga mpanompon'i Farao. Tsy tahaka izany kosa ny fikasan'Andriamanitra ho an'ny Isiraelita satria tiany izy ireo raha manana ny zony sy ny tombontsoany. Tsy nisy olon-kafa, ankoatra ny foko sy ny fianakaviana izay nomena ny tany hatrany am-boalohany, afaka naka izany ho an'ny tenany. Raha ny marina, araka ny drafitr'Andriamanitra, dia tsy natao hamidy amin'ny heviny ara-bakiteny mihitsy ny tany; azo natao ny nampanofa izany arakaraka ny tombambidiny izay niankina tamin'ny isan'ny taona tavela mandra-pahatonga ny jobily manaraka. Araka izany, ny havan'ny olona izay voatery "nivarotra" ny tanin-drazany dia nanana adidy ny hanavotra izany na dia tsy mbola tonga aza ny jobily (Lev. 25:25).

Manjary ahitana taratra ny toetran'Andriamanitra sy ny soatoaviny ny fizarana ny tany. Amin'ny maha-Raintsika any an-danitra Azy, dia iriny raha halala-tanana amin'ireo mahantra noho izy ny zanany ka hamela ny tanin'izy ireo hamelona azy ireny isaky ny taona fahafito. Ny taona sabata dia nampihatra ny fitsipika ao amin'ny didy momba ny Sabata amin'ny lafiny mivelatra kokoa. Tsy nanome tombambidy sy nampirisika ny filofosana amin'ny asa fotsiny ny fananana ny tany fa niantso koa ho amin'ny fanajana sy ny fanehoana halemem-panahy amin'ireo tojo olana ara-toe-karena.

Ny fitsipika mikasika ny fananan-tany dia nanome tombontsoa ny Isiraelita tsirairay ho afaka amin'ireo toe-javatra mampahory izay nolovainy na koa vokatry ny nataony, ka nahafahany nanao fiaingana vaovao teo amin'ny fiainany.

Raha ny marina, dia izany no tena ivon'ny filazantsara sy tanjona kendreny: ny hamafa ny fahasamihafana misy eo amin'ny mahantra sy ny manan-karena, ny mpampiasa sy ny mpiasa, ireo mahazo tombontsoa sy ireo fadiranovana, ka hametraka ny olona rehetra eo amin'ny toerana iray mitovy amin'ny alalan'ny fanekena fa ilaintsika tanteraka ny fahasoavan'Andriamanitra.

Indrisy anefa fa nataon'ny Isiraely tsirambina ny fitandremana ny fenitra napetrak' Andriamanitra ka tanteraka ireo fampitandremana momba ny fandroahana azy ireo hiala amin'ny tany taonjato vitsivitsy taty aoriana (2 Tant. 36:20,21).

Ahoana no ampahatsiahivan'ny fitsipika momba ny fizaran-tanin'ny Isiraelita sy ny Sabata fa mitovy isika rehetra eo imason' Andriamanitra? Ahoana no anampian'ny Sabata antsika hanao "tsia" manoloana ny fanararaotana sy ny fandrisihana tsy misy farany ny olona hamokatra sy hividy, tranga izay mahakasika ny flaraha-monina maro ankehitriny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal