Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.

Daty
Alahady 24 May 2026

Vakio ny amin'ny fakam-panahy nahazo an'i Samsona ao amin'ny Mpits. 14 sy ny Mpits. 16:1,4,16,17. Na dia nantsoina ho amin'ny tanjona iray manokana aza i Samsona, dia tsy nanohitra ny fakam-panahy izy raha nanompo an'Andriamanitra. Inona no lesona azontsika tsoahina avy amin'ny fiafaran'ny fiainany?

Tena zava-misy tokoa ny fifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy, ary isika rehetra no voakasik'izany. Ny ady izay nanomboka tany an-danitra dia mitohy sy miseho eo amin'ny fiainantsika tsirairay koa.

Fantatr'i Satana fa tsy maintsy mampiasa ny heriny rehetra izy amin'izao fotoana iainantsika izao, mialoha indrindra ny fiverenan'i Jesôsy , mba hanakanana antsika tsy hanana fifandraisana ety amin'Andriamanitra. Angamba ianao efa variana tamin-javatra iray izay tsy tena ratsy akory raha jerena, saingy nandany betsaka ny fotoanao sy ny herinao ka zara raha nisy sisa tavela ho an'Andriamanitra izany. Mety ho asa izany. na tambajotran-tserasera, na fiantsenana, na fanatanjahantena na koa hanina. Raha mandini-tena tsara isika dia hahita fa ny fividianana na fampiasan-javatra tafahoatra sy ny tsy fifandanjana eo amin'ireo zavatra ireo dia mampihena be ny fotoana atokantsika ho an'Andriamanitra sy ho an'ny hafa. Fantatr'ilay fahavalo ny tsirairay avy amin'ireo fahalementsika sy ny karazan-javatra mety hahavariana antsika sy hanakana antsika tsy hanana fotoana hiarahana amin'Andriamanitra. Tokony hotsaroantsika ny hitady an'Andriamanitra aloha (Mat. 6:33) alohan'ny hihazakazahantsika hiatrika ny tontolo andro sy izay mety hiseho mandritra izany.

Takatr'i Jesôsy ny toerana misy antsika, nefa mananatra antsika izy noho ny tsy firaihantsika (Apôk. 3:14-22). Na dia Andriamanitra aza izy, dia efa olombelona koa ka nahatsiaro ho vizana, tahaka antsika ihany (Jao. 4:6). Nahafantatra ireo tsindry ntipahazo ny oiona eo amin'ny fiainana izy, tahaka antsika ihany, ka matetika no nisintaka mba hivavaka tamin-dRainy hahamaivana izany (Lio. 5:16; Lio. 6:12; Mar. 1:35; Mat. 14:23). Fantany fa ny fotoana iresahany amin-dRainy no zavatra tsara indrindra azony atao mba hahazoana hery indray hanoherana ny fakam-panahy. izany koa no fomba tsara sy azo antoka indrindra ho antsika.

Lavo i Samsona noho ny fiheverany ny tenany ho mahery. Niantehitra tamin'ny herin'ny tenany izy mba handreseny ny fakam-panahy. Isan'andro, ny tsirairay avy amintsika dia miatrika tolona ifanaovana amin'ny fahotana raha miezaka mamely ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra ny fahavalo mba hampalemy sy hanimbana izany. Fantany ny fahalementsika ary mikendry izany indrindra izy mba hanimbana ny fifandraisantsika amin'Andriamanitra sy hampidirana ny fahatsiarovan-tena ho meioka ao anatintsika ary koa hahatonga antsika hahatsiaro ho tsy mendrika. (zany rehetra izany anefa dia mitarika antsika hanalavitra an'Andriamanitra. Ny devoly dia miasa mafy mba hanembantsembanana ny eritreritsika sy ny fikasantsika ary ny asantsika, hahazoany mifehy sy mangeja ny lafiny sasany amin'ny fiainantsika. Tsarovy anefa: ny finoantstika no hanampy antsika hijoro, ary ny finoana dia avy amin'ny fandrenesana ny Tenin'Andriamanitra.

lnona ny tolona atrehinao izao? Ahoana no ahafahan'ny Tenin'Andriamanitra rnanampy anao amin'izany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA -
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal