Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHAFOY NY ZAVATRA REHETRA MBA HANDOSIRANA AN'I JESÔSY

Daty
Alarobia 11 September 2024

Vakio ny Mar. 14:43-52. Inona no mitranga eto, izay zava-dehibe tokoa ao amin'ny drafi-pamonjena?

Manafintohina tokoa ny hoe: ny iray amin'ireo olona akaiky indrindra an'i Jesôsy no namadika Azy ho eo an-tanan'ny fahavalony. Tsy dia manoritsoritra loatra ny antony nanesika an'i Jodasy ny filazantsara, fa i Ellen G. White kosa nanoratra hoe: "Fironana tao amin'i Jodasy ny tia vola; nefa tsy mbola latsaka ambany mandrakariva toy izao izy ka hanao zavatra toy izay nataony. Novelominy tao aminy ny toe-tsaina ratsy mihirim-belona mandra-pahatongan'izany ho fitsipika mifehy ny fiainany. Navesa-danja noho ny fitiavany an'i Kristy ny fitiavany an'i Mamôna. Ny nahatongavany andevon'ny toetra ratsy iray no nanolorany toerana ho an'i Satana, ka nahavoatarika azy ho amin'ny fivelaran'ny fahotana rehetra." — IFM, tt. 767,768.

Tsy misy olona mankasitraka ny fivadihana, eny fa na dia ireo mampiasa olona mpamadika aza mba hanatrarana ny tanjony (Mat. 27:3-7). Kanefa mamohehatra indrindra ny nataon'i Jodasy satria nafeniny tao ambadiky ny firahalahiana ny famadihany an'i Jesôsy. Nomeny toromarika ny vahoaka fa Izay horohany no hosamborin'izy ireo. Hita amin'izany fa naniry hanafina ny faharatsiany tamin'i Jesôsy sy ny mpianatra hafa izy.

Nanomboka ny fikorontanana rehefa nosamborina i Jesôsy. Nisy anankiray nanatsoaka ny sabany (voalaza ao amin'ny Jao. 18:10 fa i Petera io olona io) ka nahafaka ny sofin'ny mpanompon'ny mpisoronabe. Dia nitodika tany amin'ny vahoaka i Jesôsy nanome tsiny azy ireo noho ny nanaovany izao zavatra izao tao amin'ny miafina satria natahotra ny hanao izany an-karihary izy ireo, dia tamin'ny fotoana nampianarany azy ireo teo an-kianjan'ny tempoly. Tamin'ny farany anefa dia nilaza i Jesôsy fa tanteraka ny Soratra Masina. Hita eto indray ireo tetika roa mifanindran-dalana manerana ity tantara ity, izay maneho fa ho tonga amin'ny fahatanterahany ny sitrapon'Andriamanitra na dia miasa hahafaty ny Mesia aza ny olona.

Nandositra avokoa ny mpianatra, hatramin'i Petera, na dia nipoitra ihany aza izy taoriana kelin'izany, nanaraka an'i Jesôsy teny lavidavitra teny. Nony farany anefa dia tratry ny olona koa izy. Kanefa mitantara ny amin'ny zatovo iray nanaraka an'i Jesôsy ny Mar. 14:51,52; tantara izay tsy hita na aiza na aiza ao amin'ny filazantsaran'ny Baiboly afa-tsy eto ihany. Misy mihevitra fa i Marka ihany io zatovo io, kanefa tsy misy porofo ny amin'izany. Ny manaitra dia izy nandositra nitanjaka. Tsy mba nahafoy ny zavatra rehetra izy hanarahana an'i Jesôsy, fa nahafoy ny zavatra rehetra mba handosirana an'i Jesôsy.

Mampatahotra tokoa ny mieritreritra fa nandevozin'ny toetra ratsy anankiray monja i Jodasy, dia izany no nitarika azy hahavanon-doza toy izao. Inona no ambaran'izany amintsika? Tsy tokony hankahala ny fahotana ve isika ka handresy izany amin'ny alalan'ny fahasoavan'Andriamanitra? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal