Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatoky mandrakizay amin'ny fanekeny

Daty
Talata 27 February 2024

Vakio ny Sal. 89:27-32, 38-46 sy ny Sal. 132:10-12. Momba ny inona ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Davida? Inona no nahatonga izany hotandindomin-doza?

Ny fanekena natao tamin'i Davida dia ahitana ny teny fikasan'Andriamanitra momba ny fanohanany mandrakizay ny taranak'i Davida sy ny taranaky ny vahoakan'Andriamanitra (1 Sam. 7:5-16; Sal. 89:1-4, 19-37; Sal. 132:12-18). Ny fianianana nataon'Andriamanitra tamin'ny fomba manetriketrika sy ny fahatokian'ny mpanjaka amin'Andriamanitra no niorenan'ny tsy fiovaovan'ny fanekena. Na dia ny mpanjaka feno fanoloran-tena tahaka an'i Davida aza anefa dia tsy mahatoky amin'Andriamanitra mandrakariva. Mitaraina ny Sal. 89 noho ny toe-java-tsarotra izay toa manondro fa efa very ny teny fikasana sarobidin'ny fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Davida. Moa ve nafoin'Andriamanitra tanteraka Isiraely? Mazava loatra fa "tsia" no valin'izany!

Eny tokoa, fanehoana ny fitsaran'Andriamanitra ny firehetan'ny fahatezerany (Sal. 38:1; Sal. 74:1). Tsy maharitra mandrakizay anefa izany satria ny fitiavan'Andriamanitra mandrakizay dia mamela ny heloky ny olona rehefa mibebaka izy ireo. Tsy azo hamaivanina anefa ny fisehoan'ny tsy fahafalian'Andriamanitra manoloana ny faniasiavan'ny olony. Tsapan'ny olona ny vokatra mangidin'ny tsy fankatoavan'izy ireo ary tsapany ny haben'ny fahotany (Sal. 89:38-46). Manontany anefa izy hoe: "Mandra-pahoviana?" raha miresaka ny amin'ny fahatezeran'Andriamanitra mandalo (Sal. 89:46). Fanantenana vaovao no nitsimoka avy tamin'ny toky vaovao momba ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny "fahatsiarovany" ny Fahasoavany (Sal. 89:47, 50).

Raha fintinina, na dia tsy nahomby tamin'ny fihazonana ny fanekena aza ny olombelona, dia azon'izy ireo natao ny nitoetra tao amin'ny fampanantenana ny amin'ny fikasan'Andriamanitra tsy miova tamin'ny alalan'ny Mesia; ao Aminy ny fahamarinana rehetra sy ny famonjena ny Isiraely sy izao tontolo rehetra izao. Midika izany fa handresy Andriamanitra amin'ny farany ary haorina mandrakizay ny fanjakany. Noho ny amin'i Jesôsy irery ihany anefa izany fa tsy noho ny amin'ny vahoakan'Andriamanitra.

I Jesôsy Kristy no llay Zanak'i Davida ary koa ny Mesia (Mat. 1:1; Heb. 1:8). "Lahimatoa talohan'izao zavatra ary rehetra izao" no iantsoana Azy (Kôl. 1:15) ho famerenana ny Sal. 89:27, izay miantso an'i Davida (ilay tandindon'i Kristy) ho lahimatoan'Andriamanitra. "Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa,/Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany."

Mazava fa tsy manondro ny toeran'i Davida araka ny fizokiana ny hoe "lahimatoa", satria zaza fahavalo amin'ireo zanaky ny ray aman-dreniny izy (1 Sam. 16:10, 11). Tahaka izany koa i Jesôsy. lo fiantsoana io dia midika ho voninahitra sy fahefana manokana (Kôl. 1:16, 20-22). Nataon'Andriamanitra ho Mpanjaka ambonin'izao rehetra izao i Jesôsy rehefa nanangana Azy tamin'ny maty Izy (Asa. 2:30, 31).

Vakio ny Kôl. 1:16, 20-22. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo antsika momba an'i Jesôsy sy izay nataony ho antsika? Inona ny teny fikasana azonao tsoahina manokana avy amin'izany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal