Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatsiaro mandrakariva ny fanekena nataony

Daty
Alarobia 17 January 2024

Miteraka fanontaniana manan-danja ny Johahevitry fitsaran'Andriamanitra: ahoana no hihavanan'ny vahoakan'Andriamanitra amin' Andriamanitra sy hananany toky ný amin'ny famonjena amin'ny fotoam-pitsarana? Vakio ny Sal. 94:14; Sal. 105:7-10; Dan. 7:22.

Voaro ny vahoakan'Andriamanitra satria nataon'Andriamanitra ho fonenany i Ziona (Sal. 76:1, 2) ary naoriny amin'izy ireo amin'ny maha-fananany sarobidy azy ny fanekeny mandrakizay (Sal. 94:14; Sal. 105:8-10). Manome toky ny vahoaka izay nanaovany fanekena Andriamanitra fa tsy hahafoy azy ireo. Tsy izany ihany anefa no ataony fa manao izay hihazonana azy ireo ho eo Aminy Izy mba hahatonga azy ireo hitoetra tsara. Mamela ny helok'izy ireo Izy (Sal. 103:3); manoro lalana sy mitahy ary manome hery ny olony Izy (Sal. 25:8-11; Sal. 29:11; Sal. 105:24). Natao ny fitsaran'Andriamanitra mba hampitodihana ny olona ho amin'ny fahamarinana sy hanehoana fa mihevitra azy ireo Andriamanitra (Sal. 94:8-15).

Ny Sal. 105 ankapobeny dia maneho ny fahatokian'Andriamanitra tamin'ny fanekeny teo amin'ny tantaran'ny Isiraely. Teo Andriamanitra tao anatin'ny toe-javatra rehetra, na ny tsara na ny ratsy. Izy no nitantana an'i Josefa hankany Egipta ary tamin'ny alalan'i Josefa no namonjeny ny olony sy ny firenena tany amin'izany tany izany nandritra ny mosary lehibe (Sal. 105:16-24). Jehovah no nampiandraikitra an'i Mosesy ny fitarihana ny olony hiala tamin'ny fanandevozan'ny Egiptianina. Nataony ho azy ireo tamin'ny famantarana maro sy fahagagana izany (Sal. 105:25-38).

Nomen'Andriamanitra ny vahoakany ny Tany Nampanantenaina (Sal. 105:11, 44) ary nampitoeriny teo amin'izy ireo mandrakariva ny fiarovany (Sal. 105:12-15). Nampitombo isa azy ireo Izy (Sal. 105:24), nanafaka azy tamin'ireo tompony (Sal. 105:37,38), ary nanome izay nilainy isan'andro (Sal. 105:39-41). Tsy isalasalana ny fifehezan'Andriamanitra amin'ny maha-Mpanjaka Azy ny zavatra rehetra mahakasika ny olony - fahamarinana izay tian'ny mpanao Salamo hotsaroan'ny vahoakan'Andriamanitra mandrakariva izany.

Rehefa mahatsiaro ny fanekeny Andriamanitra, dia mihoatra lavitra noho ny fahatsiarovana izany satria miteraka asa mandrakariva (Gen. 8:1; 1 Sam. 1:19; Sal. 98:3; Sal. 105:42-44). Tahaka izany koa, rehefa nantsoina mba hahatsiaro ireo fahagagana nataon'Andriamanitra sy ny fitsarana ny olona, dia midika izany fa tokony hivelona amin'ny fomba izay manome voninahitra an'Andriamanitra izy ireo.

Ao amin'io fanekena io, ny antso voalohany indrindra miantefa amin'ny Isiraely dia ny hitoerany ho mahatoky amin'ny fanekena amin'ny alalan'ny fitandremana ny lalàn'Andriamanitra (Sal. 78:5-7; Sal. 105:45). Antsoina koa ireo vahoakan'Andriamanitra mba hijoro ho vavolombelony any amin'ny firenena hafa, satria iriny ny hikambanan'ny firenena rehetra amin'ny Isiraely olony (Sal. 105:1,2). Amin'izany no hahatonga an'izao tontolo izao ho voaro amin'ny faneken'ny fiarovan'ilay Andriamanitra Tsitoha sy be indrafo (Sal. 89:28-34).

Inona no ananantsika ao amin'i Jesôsy, izay maneho ny antony hahatanterahan'ireo teny fikasana nomena ny Isiraely fahiny amintsika? (Jereo ny Gal. 3:26-29).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.
Fri 15 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal