Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mahatsiaro ny tantara ary mibebaka

Daty
Talata 05 March 2024

Vakio ny Sal. 106. Inona ireo franga ara-tantara aseho eto mbamin'ny lesona entin'izany?

Miresaka ny amin'ireo tranga lehibe teo amin'ny tantaran'ny Isiraely koa ny Sal. 106, ao anatin'izany ny fanafahana tao Egipta, ny fivahiniana tany an'efitra, ary ny fiainana tao Kanana. Avohiny ny fahotana mamohehatra nataon'ireo razambe, izay niangona tao amin'ilay taranaka lasan-ko babo. Araka izany, azo inoana tokoa fa nosoratana tamin'ny fotoana naha-tao Babilôna ny firenena io Salamo io, na taorian'ny nodiany tamin'ny taniny, izay nandraisany tsindrimandry avy amin'ny Fanahy Masina, ka nitantarany tamin'ny vahoakan'Andriamanitra ireo zava-nitranga teo amin'ny tantarany sy ny lesona tokony ho notsoahiny tamin'izany.

Toy ireo Salamo hafa koa, ity Salamo ity dia maneho fa mahatoky amin'ny fanekem-pahasoavany Andriamanitra, izay efa namonjeny ny olony tamin'ny andro lasa (Sal. 106:45). Maneho fanantenana izany fa mbola haneho indray fankasitrahana ny olony mibebaka Andriamanitra ka hanangona azy avy amin'ny firenen-tsamihafa (Sal. 106:47). Ny fitalahoana fanafahana eto dia tsy faniriana mamelovelo fotsiny fa vavaka amim-pinoana, miorina amin'ny fahazoana antoka ny fanafahana nataon'Andriamanitra tamin'ny lasa (Sal. 106:1-3) sy ny fahatokiany tanteraka amin'ny fanekena nataony tamin'ny olony.

Ny fitantarana ireo tsy fahombiazan'ny Isiraely dia anisan'ny fibabohana ny helok'izy ireo sy fiaikena fa tsy tsara noho ny razany izy. Manaiky ilay taranaka eto fa ratsy lavitra noho ny razany aza izy satria efa nahita ny vokatry ny fahotan'ireo taranaka lasa sy ny nanehoan'Andriamanitra faharetana sy fahasoavana tamin'ny namonjeny azy ireo, na dia ninia tsotra izao nandeha tamin'ny lalan- dratsy aza ireo. Raha izany no tsapan'izy ireo tamin'izany andro izany, tsy tokony hanoatra noho izany ve isika izay nanambarana ny toetran'Andriamanitra sy ny fahasoavany mamonjy araka izay hita ao amin'i Jesôsy sy ny hazo fijaliana?

Ity no vaovao mahafaly ao amin'ny Sal. 106: lehibe lavitra noho ny fahotan'ny olona ny fitiavan'Andriamanitra tsy miova (Sal. 106:8-10, 30, 43-46). Ny anjara asa lehibe notanan'i Mosesy sy i Finehasa tamin'ny fampitsaharana ny fahatezeran'Andriamanitra dia maneho ny maha-zava-dehibe ny asa fanelanelanana ataon'i Kristy ho an'ny mpino. Ny fanandraman'ny tenantsika manokana ny fahasoavan'Andriamanitra irery ihany no mahay manova ny tantara lasa ho tantarantsika.

Izao no voalaza ao amin'ny Sal. 106:13: "Nalaky nanadino ny asany izy ka tsy niandry ny saina hatolony". Nahoana no mora mahazo antsika koa izany eo amin'ny fiainana?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.
Sun 21 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Miaina anio.
Mon 22 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Mifanatrika aminy nony farany.
Tue 23 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Ny ampakarina.
Wed 24 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Manaraka ny zanak’ondry.
Thu 25 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - "Avia!".
Fri 26 Jun 2026
Lesona 13 : NY MANDRAKIZAY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal