Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAHITA VAHAOLANA NY FITIAVANA

Daty
Alarobia 03 April 2024

Nanota i Adama sy i Eva ary nolazain’Andriamanitra fa tsy maintsy ilaozany ny saha Edena fonenany. Manomboka izao dia ny fisasarana sy ny fijaliana no ho anjarany. Tsy maintsyhijaly sy ho faty ao anatin’ny tsy fananam-panantenana ve izy ireo? Ny fahafatesana ve no faran’ny zavatra rehetra?

Tamin’io fotoana io no nanomezan'Andriamanitra azy ireo ilay teny fikasana voalaza ao amin’ny Gen. 3:15; nitodika mivantana tamin'i Satana, ilay menarana, Izy ka nanao hoe: “Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony”'. Mety tsy takany tanteraka ny hevitr'izany tamin’io fotoana io saingy fantany fa afaka manantena indray izy. Avy amin’ny “taranaky ny vehivavy” no hiavian’ny fanavotana azy ireo, na inona na inona fomba hahatanterahan’izany.

Azo antoka fa i Jesôsy Kristy ilay “taranaky ny vehivavy” (Gai. 3:16). Teo amin’ny hazo fijaliana no nanorotoroan'i Satana ny ombelahin-tongony. Saingy ny fandresen'i Jesôsy no ahazoantsika antoka fa indray andro any dia ho voatorotoro ny lohan’ny menarana ary hikatona ny varavaran’ny fijaliana sy ny fahafatesana izay nosokafan’i Adama sy i Eva.

Vakio ny Heb. 2:9, Gal. 3:13, sy ny 2 Kôr. 5:21. Inona no ambaran'ireo andininy ireo antsika momba ny halehiben'ny sorona nataon'i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana?

Efa nanontany tena ve ianao raha tena tia anao marina Andriamanitra? Jereo ny hazo fijaliana; jereo ny satro-tsilo, jereo ireo fantsika teo amin’ny tanany sy ny tongony. Hoy Andriamanitra isaky ny indray mitete amin’ny ra nalatsak’i Jesôsy teo Kalvary: “Tiako ianao. Tsy tiako ny ho any an-danitra tsy misy anao. Eny, nanota ianao; namidinao ho eo am-pelatanan'ny fahavalo ny tenanao; eny, tsy mendrika ny fiainana mandrakizay ianao. Naloako anefa ny onitra mba hamerenana anao.” Rehefa mibanjina ny hazo fijaliana ianao dia tsy hanontany tena intsony ianao raha tiana na tsia.

Miresaka ny amin’i Jesôsy izay tonga teto amin’ity tany ity, nandalo fahoriana, fahadisoam-panantenana, sy fanaintainana tahaka ny olombelona rehetra ny Baiboly. Kristy niatrika fakam-panahy tahaka antsika no ambaran’ny Baiboly – Kristy nandresy ireo fanapahana sy ny herin’ny helo teo amin’ny fiainany sy tamin’ny alalan’ny fahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana – izany rehetra izany, ho an'ny tsirairay avy amintsika, isam-batan’olona.

Saino ity: I Jesôsy, ilay namorona izao tontolo izao (jereo ny Jao. 1:3) no nidina avy any an-danitra, ary tsy vitan’ny tonga teto amin’ity tontolo lavo ity ihany fa nijaly tamin’ny fomba izay tsy hanjo na iza na iza amintsika na oviana na oviana (jereo ny Isa. 53:1-5). Nataony izany satria tiany isika, dia ny tsirairay avy amintsika. Antony lehibe mitondra fanantenana manao ahoana re izany!

Ahoana no namalian’i Kristy teo amin’ny hazo fijaliana ireo fia mpangana nataon'i Satana? Amin’ilay ady lehibe ifanandrinan'ny tsara sy ny ratsy. Inona no notanterahin’ny fahafatesany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Voazaha toetra.
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - "Omeo voninahitra izay olona tahaka izany."
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fianarana fanampiny.
Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal