Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MAMANTATRA NY BIBIDIA: FIZARANA 2 

Daty
Alarobia 12 June 2024

Tsy miankohoka amin'ny bibidia ny vahoakan'Andriamanitra fa mahita ny fifaliany lehibe indrindra sy ny fahafinaretany ambony indrindra amin'ny fiankohofana Aminy. Avy amin'ny fony feno fitiavana no ipoiran'ny fankatoavany. Manolo-tena ho Azy izy ireo satria fantany ny fanoloran-tena nataon'Andriamanitra taminy.

Vakio ny Apôk. 13:5. Soraty eo amin'ny tsipika eo ambany izany toetra mampiavaka izany.

Tsarovy fa ao amin'ny lesona faha-4 no anomezan' Andriamanitra antsika ny fanalahidy hahatakarana ny fotoana ara-paminaniana – iray andro ara-paminaniana mira iray taona ara-bakiteny (Nom. 14:34; Ezek. 4:6). Raha ataontsika kajy ny vanim-potoana 42 volana voalaza ao amin'ny Apôk. 13:5 amin'ny fampiasana ny volana hebreo misy andro 30 dia mahazo 1260 andro ara-paminaniana na taona ara-bakiteny isika.

Nanana hery miasa mangina lehibe ny fahefana papaly tamin'ny taona 538 hatramin'ny taona 1798. Saingy rehefa nampidirin'i Berthier, jeneralin'i Napoleon, am-ponja ny Papa, tamin'ny taona 1798 dia tapitra ny vanim-potoana ara-paminanianiny maha-faratampony ny fanjakana papaly ary tanteraka ny faminanian'ny Apôkalipsy: "Raha misy mamabo, dia mba hobaboina kosa izy"- Apôk. 13:10. Tena mafy tokoa ny famelezana nahazo ny papa saingy tsy nahafaty azy izany. Araka ny Apôk. 13:12 dia ho sitrana ilay fery saika nahafaty azy. Ho tsapa manerana ny tany manontolo indray ny hery miasa mahataona ananan'ny papa.

Amin'izao fotoana izao, ireo mpitondra eto amin'izao tontolo izao dia mandray ny papa ho ambasadaoron'ny Eglizin'i Rôma ary mamangy azy tsy tahaka any Vatican. Ao anatin'ny tontolo anjakan'ny tsy fandriam-pahalemana tsy mbola nisy toy izany no ametrahana ny Papan'i Roma ho mpitarika ara-pitondran-tena ankamamian'izao tontolo izao, izay afaka hampivondrona ny vahoaka. Izao no nambaran'ny papa Benoit XVI nandritra ny fandraisany fitenenana ny 6 Jona 2012 manoloana ny olona maherin'ny 15 000 niangona teo anoloan'ny Saint-Pierre tao Rôma: "Ny Alahady dia andron'ny Tompo, an'ny lehilahy sy ny vehivavy, andro natao hananan'ny tsirairay avy fahafahana, fahafahana ho an'ny ankohonana ary fahafahana ho an'Andriamanitra. Amin'ny fiarovana ny Alahady dia miaro ny fahafahan'ny olombelona isika."— https://www.vatican.va/content/benedict-xvi/ en/audiences/2012/documents/hf ben-xvi_aud_20120 606.html.

Ambaran'ny boky "Hery Mifanandrina" mazava tsara ny hiafaran'izany fihetsehana izany indray andro any: "lreo manaja ny Sabatan'ny Baiboly dia ho ampangaina ho fahavalon'ny lalàna sy ny filaminana, ho mpandrodana ny lalàna mamefy ny fiainana ara-pitondrantena eo amin'ny tany ama-monina, ka mahatonga fanjakan’ny baroa sy fahalotoam-pitondrantena, sady miantso ny fitsaran'Andriamanitra hianjady amin'ny tany. (...) Ho ampangaina ho tsy manaja ny fanjakana izy amin'izany. Hisy mpitandrina izay handa ny tsy maintsy hitandremana ny lalà’Andriamanitra ka hamelabelatra eny ambony polipitra ny adidy amin'ny fileferana sy ny fankatoavana ny lalàm-panjakana amin'ny maha-avy amin'Andriamanitra izany. Haseho amin'ny endrika diso any amin'ny antenimieran-dalana sy eny amin'ny fitsarana ireo mpitandrina ny didin'Andriamanitra ka hohelohina."– HM, t. 617.

Sarotra tokoa ny fahitana ny fitrangan'ny toe-javatra tahaka izany, jereo ny fiovana haingana dia haingana miseho eto amin'izao tontolo izao. !norm no tokony hambaran'ireny fiovana ireny amintsika momba ny hiavian'ireo toe-javatry ny andro farany amin'ny fomba haingana eto amintsika? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (72)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal