Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mampianara anay hanisa ny andronay

Daty
Alatsinainy 19 February 2024

Vakio ny Sal. 90, Sal. 102:11, sy ny Sal. 103:14-16. Inona no tena olan'ny olombelona?

Tsy inona fa zavona ihany ny fiainan'ny olombelona raha miolotra amin'ny mandrakizay. "Tahaka ny fotoam-piambenana iray amin'ny alina" - Sal. 90:4, izay maharitra adiny telo na adiny efatra ny arivo taona eo imason'Andriamanitra. Mihelina sy manidina ny androm-piainan'ny zanak'olombelona raha oharina amin'ny andron'Andriamanitra (Sal. 90:10). Ny mahery indrindra amin'ny olombelona dia toy ny zava-maniry marefo indrindra (Sal. 90:5,6; Sal. 103:15,16). Kanefa feno asa manasatra sy alahelo ny fiainana na fohy toy izany aza (Sal. 90:10). Eny, na ny olon'izao tontolo izao izay tsy manam-pinoana an'Andriamanitra aza dia ory sy mitaraina noho ny hafohin'ny fiainana, indrindra manoloana ny mandrakizay izay fantany fa toa tsy ho hitany velively.

Ny Sal. 90 dia mampiseho fa miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny maha- Mpahary Azy, na eo aza ny toerana sarotra misy azy ireo. Efa fonenan'ny olony hatramin'ny taranaka rehetra ny Tompo (Sal. 90:1,2). Ny teny hebreo ma'on, izay nadika hoe: "fonenana" dia maneho ny Tompo ho toy ny fialofana sy fiarovana ho an'ny olony (Sal. 91:9).

Fehezin'Andriamanitra ny fahatezerany na dia ara-drariny aza, ary arotsany indray ny fahasoavany. "Iza no mahafantatra ny herin'ny fahatezeranao sy ny fahaviniranao araka izay tokony ho fahatahorana Anao?" - Sal. 90:11, hoy ny mpanao Salamo. Midika izany fa tsy mbola nisy olona nanandrana tamin'ny fahafenoany ny fikapoky ny fahatezeran'Andriamanitra noho ny fahotana; koa misy fanantenana ho an'ny olona mba hahatongavany amin'ny fibebahana sy hahazoany fahendrena hoentiny miaina amim-pahamarinana.

Tsy fahalalana ara-tsaina fotsiny no amaritan'ny Baiboly ny atao hoe fahendrena fa fanomezana haja an'Andriamanitra koa. Ny fahaizana "manisa ny androntsika" no fahendrena ilaintsika (Sal. 90:12). Raha azontsika isaina ny androntsika dia midika izany fa voafetra ilay izy, ary fantatsika ny maha-voafetra azy. Ny miaina amim-pahendrena dia midika ho fahatsapana fa fohy tokoa ny fiainana, ary mitarika ho amin'ny finoana sy fankatoavana izany. Raha tsy amin'ny alalan'ny fibebahana (Sal. 90:8,12), ny famelan- keloka sy ny fiantran'Andriamanitra ary ny famindrampony (Sal. 90:13,14), dia tsy misy azo atao hahazoana fahendrena.

Ny tena olantsika dia tsy isika nohariana ho olombelona fa ny fahotana sy ny vokany manimba izao tontolo izao sy ny olona rehetra.

Soa ihany fa misy vahaolana nentin'i Jesôsy ho antsika (Jao. 1:29; Jao. 3:14-21), raha tsy izany dia tsy misy azontsika antenaina velively.

Na mihelina toy inona aza ny fiainantsika, inona ny toky ananantsika ao. amin'i Jesôsy? (Jereo ny Jao. 3:16.) Misy fanantenana hafa ho antsika ve ankoatra Azy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.
Sun 31 May 2026
Lesona 10 : FIBEBAHANA SY FAMELAN-KELOKA - Ny rotoroton’ny fiainana.
Mon 01 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny asan’ny Fanahy Masina.
Tue 02 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Ny fibebahana marina.
Wed 03 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fahasoavana ampy.
Thu 04 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Akanjo lafo vidy indrindra.
Fri 05 Jun 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.
Sun 14 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Avy amin’ny haben’ny ao am-po.
Mon 15 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Feno hery nefa tsy manery.
Tue 16 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Hevitra vitsivitsy ho fitoriana an’i Jesôsy.
Wed 17 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Zanaka mpaniasia.
Thu 18 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Ento miverina izy.
Fri 19 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fianarana fanampiny.
Sat 20 Jun 2026
Lesona 13 : NYMANDRAKIZAY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (55)
  • April 2026 (69)
  • May 2026 (73)

Pagination

  • Previous page
  • 3
  • Next page
Powered by Drupal