Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDÀ AN'l JESÔSY SA MANDRAY AZY?

Daty
Alarobia 31 July 2024

Vakio ny Mar. 6:1-6. Rehefa tonga tany amin'ny taniny i Jesôsy, nahoana ny olona tao no nandà Azy?

Mahafaly ny mponina ao amin'ny tanàna kely iray, raha ny ankapobeny, ny fisian'ny olona iray avy ao an-tanànany manjary fanta-daza; manondrotra ny tombambidy omen'ny olona ny tanàna mantsy izany. Tsy mba toy izany kosa i Nazareta. Nanafintohina sy nanaitra azy ireo ny fahombiazan'i Jesôsy amin'ny maha-mpampianatra sy mpanasitrana Azy. Toa sarotra ho azy ireo ny manaiky fa niala tamin'ny maha-mpandrafitra ho amin'ny maha-mpampianatra i Jesôsy. Mety ho feno fangidiana koa izy ireo satria tany Kapernaomy no nanaovanli Jesôsy ny ankamaroan'ny fahagagany (jereo ny Lio. 4:23). Ary ankoatra izany dia efa nisy tsy fifankahazoana teo amin'i Jesôsy sy ny fianakaviany (Mar. 3:31-35).

Vakio ny Mar. 6:7-30. Misy fifanoherana eo amin'ny asa nanirahana ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy sy ny nanapahan-doha an'i Jaona mpanao batisa; amin'ny fomba ahoana? 

Eto no ahitantsika ny "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahatelo ao amin'ny bokin'i Marka (jereo ny lesona 3). Mifanipaka tanteraka amin'ny nampidirana am-ponja an'i Jaona mpanao batisa sy ny fanginany ny iraka nampanaovina ny mpianatra mba hitondra ny hafatri Jesôsy na aiza na aiza. Tsy nasaina nitondra entana betsaka ny mpianatra nandritra ny diany, ary nasaina niankina tamin'ny fanampian'ny hafa. Izany fomba izany dia mahatonga ireo misiônera hiankina tanteraka amin'ireo olona anaovany asa fanompoana, ka mampifandray ety azy amin'ireo izay mila ny hafatra entiny.

Tsy mba nanana izany fifandraisana ety izany tamin'i Heroda sy ny fianakaviany i Jaona mpanao batisa. Voatantara amin'ny tsipiriany mahatohina ny nahafatesan'i Jaona, rehefa nohararaotin'i Herodiasy ny toetran'i Heroda mpivadibadika sy tia filan'ny nofo. Nanampy tamin'ny fanatanterahana ilay teti-dratsy ny nanaovan'ny zanakavavin'i Herodiasy fangatahana mamohehatra, dia ny hanomezana azy ny lohan'i Jaona mpanao batisa ho eo an-dovia.

Nampanginina ilay feo fampitandreman'i Jaona, kanefa nandritra izany ny apôstôly roa ambin'ny folo lahy dia nitory ny fibebahana, tahaka ny nataon'i Jaona mpanao batisa ihany. Naneho ara-tandindona ny ho fiainan'i Jesôsy ny fahafatesan'i Jaona. Maty i Jaona, nalevina, ary voalaza fa nitsangana tamin'ny maty (Mar. 6:14-16,29), dia tahaka izay nitranga Jesôsy koa taoriana kely (Mar. 15 sy ny 16). Nanondro ny fotoan-tsarotra holalovanl Jesôsy sy ny mpianany izany.

Efa nolavina toa an'i Jesôsy ve ianao, na nandalo fotoan-tsarotra izay tsy takatrao ny antony? Inona ny lesona noraisinao avy tamin'ireny fanandramana ireny izay mety hanampy anao hiatrika ny toy izany amin'ny manaraka? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.
Sun 01 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fiantsoana hanoratra.
Mon 02 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Karazan-dahatsoratra sy fomba fanoratra ao amin’ny Baiboly.
Tue 03 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ireo mpanampy amin’ny fanoratana.
Wed 04 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Loharanon-kevitry ny lahatsoratra
Thu 05 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny hafatra’Andriamanitra sy ny tsy fahatanterahan’ny olombelona.
Fri 06 Nov 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Ny asa soratr’i Ellen Gold White.
Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 24 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 25 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanambarana ankapobeny sy fanambarana manokana.
Mon 26 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tsindrimandrin’Andriamanitra.
Tue 27 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra am-bava.
Wed 28 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Hafatra an-tsoratra.
Thu 29 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Fanehoana ohatra mivaingana, tandindona, fanoharana.
Fri 30 Oct 2026
Lesona 5: FANAMBARANA SY TSINDRIMANDRY AVY AMIN'ANDRIAMANITRA - Ny tenin’i Ellen G. White momba ny fanambarana sy ny tsindrimandry avy amin’Andriamanitra.
Sat 31 Oct 2026
Lesona 6: IREO FAMINANIANA VOASORATRA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 07 Nov 2026
Lesona 7 : HENOY IZAO - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal