Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDÀ AN'l JESÔSY SA MANDRAY AZY?

Daty
Alarobia 31 July 2024

Vakio ny Mar. 6:1-6. Rehefa tonga tany amin'ny taniny i Jesôsy, nahoana ny olona tao no nandà Azy?

Mahafaly ny mponina ao amin'ny tanàna kely iray, raha ny ankapobeny, ny fisian'ny olona iray avy ao an-tanànany manjary fanta-daza; manondrotra ny tombambidy omen'ny olona ny tanàna mantsy izany. Tsy mba toy izany kosa i Nazareta. Nanafintohina sy nanaitra azy ireo ny fahombiazan'i Jesôsy amin'ny maha-mpampianatra sy mpanasitrana Azy. Toa sarotra ho azy ireo ny manaiky fa niala tamin'ny maha-mpandrafitra ho amin'ny maha-mpampianatra i Jesôsy. Mety ho feno fangidiana koa izy ireo satria tany Kapernaomy no nanaovanli Jesôsy ny ankamaroan'ny fahagagany (jereo ny Lio. 4:23). Ary ankoatra izany dia efa nisy tsy fifankahazoana teo amin'i Jesôsy sy ny fianakaviany (Mar. 3:31-35).

Vakio ny Mar. 6:7-30. Misy fifanoherana eo amin'ny asa nanirahana ny mpianatra roa ambin'ny folo lahy sy ny nanapahan-doha an'i Jaona mpanao batisa; amin'ny fomba ahoana? 

Eto no ahitantsika ny "Sandwich Story" (tantara mifanosona) fahatelo ao amin'ny bokin'i Marka (jereo ny lesona 3). Mifanipaka tanteraka amin'ny nampidirana am-ponja an'i Jaona mpanao batisa sy ny fanginany ny iraka nampanaovina ny mpianatra mba hitondra ny hafatri Jesôsy na aiza na aiza. Tsy nasaina nitondra entana betsaka ny mpianatra nandritra ny diany, ary nasaina niankina tamin'ny fanampian'ny hafa. Izany fomba izany dia mahatonga ireo misiônera hiankina tanteraka amin'ireo olona anaovany asa fanompoana, ka mampifandray ety azy amin'ireo izay mila ny hafatra entiny.

Tsy mba nanana izany fifandraisana ety izany tamin'i Heroda sy ny fianakaviany i Jaona mpanao batisa. Voatantara amin'ny tsipiriany mahatohina ny nahafatesan'i Jaona, rehefa nohararaotin'i Herodiasy ny toetran'i Heroda mpivadibadika sy tia filan'ny nofo. Nanampy tamin'ny fanatanterahana ilay teti-dratsy ny nanaovan'ny zanakavavin'i Herodiasy fangatahana mamohehatra, dia ny hanomezana azy ny lohan'i Jaona mpanao batisa ho eo an-dovia.

Nampanginina ilay feo fampitandreman'i Jaona, kanefa nandritra izany ny apôstôly roa ambin'ny folo lahy dia nitory ny fibebahana, tahaka ny nataon'i Jaona mpanao batisa ihany. Naneho ara-tandindona ny ho fiainan'i Jesôsy ny fahafatesan'i Jaona. Maty i Jaona, nalevina, ary voalaza fa nitsangana tamin'ny maty (Mar. 6:14-16,29), dia tahaka izay nitranga Jesôsy koa taoriana kely (Mar. 15 sy ny 16). Nanondro ny fotoan-tsarotra holalovanl Jesôsy sy ny mpianany izany.

Efa nolavina toa an'i Jesôsy ve ianao, na nandalo fotoan-tsarotra izay tsy takatrao ny antony? Inona ny lesona noraisinao avy tamin'ireny fanandramana ireny izay mety hanampy anao hiatrika ny toy izany amin'ny manaraka? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (67)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal