Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDEHANA ANY AMIN'IZAO TONTOLO IZAO

Daty
Alakamisy 26 September 2024

Vakio ny Mar. 16:14-20. Inona no nambaran'i Jesôsy tamin'ny mpianany rehefa niseho tamin'izy ireo Izy? Midika inona ho antsika ireo teny ireo ankehitriny?

Taterina ao amin'ny Mar. 16:14 ny teny nataon'i Jesôsy tamin'ny mpianany. Nanome tsiny azy ireo i Jesôsy noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony. Tsy olantsika ankehitriny ihany ity tsy finoana ity. Araka ny efa hitantsika, na ireo mpianatr'i Jesôsy voalohany aza dia nanana olana ara-pinoana (Mat. 28:17; Jao. 20:24-29), kanefa nifampikasoka mivantana tamin'i Jesôsy izy ireo, ary nahita ombieny ombieny ny fahagagana nataony.

Nanome porofo maro azy ireo anefa i Jesôsy ny amin'ny fahamarinan'ny fitsanganany tamin'ny maty. Ary ny fijoroan'izy ireo ho vavolombelona, ampiarahina amin'ireo porofo voafintina ao amin'ny lesona Alatsinainy, dia fototra azo anorenana ny finoana.

Dia naniraka ny mpianany i Jesôsy hitondra ny filazantsara any amin'izao tontolo izao. Mivelatra tokoa izany baiko izany. Natao handeha any amin'izao tontolo izao izy ireo hitory ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Avy eo dia nohazavain'i Jesôsy azy ireo ny ho vokatry ny asany, na ny soa na ny ratsy: hovonjena izay mino, ary hohelohina izay tsy mety mino.

Nolazain'i Jesôsy koa ny amin'ireo famantarana hanaraka ny asan'ny mpianatra — hamoaka demonia izy, hahay fiteny vaovao, ho voaro amin'ny ratsy, ary hahasitrana ny marary. Misy olona sasany diso fandray ny hevitra voalaza ao amin'ny Mar. 16:18, ka milaza fa ny Kristianina dia tsy maintsy mandray menarana misy poizina mba hanehoany ny finoany. Tsy ekena ny fihetsika feno fahasahiam-poana toy izany eto. Ny fiarovana ireo izay mamita iraka amin'ny fanompoana ny hafa, toa an'i Paoly ao amin'ny Asa. 28:3-6, no resahin'i Jesôsy eto.

Mazava loatra fa tsy mampianatra tsy akory ny Baiboly fa ho voaro mandrakariva amin'ny ratsy ny Kristianina. Indraindray, hitan'Andriamanitra fa mety ny hanaovana fahagagana mba hampandrosoana ny filazantsara. Kanefa indraindray dia miari-pahoriana koa ny Kristianina noho ny asa fitoriana ataony. Amin'ny toe-javatra toy ireny, ny fiaretany sy ny faharetany dia famantarana hafa koa maneho amin'ny tsy mpino ny herin'ny finoana.

Ary rehefa vitan'i Jesôsy avokoa izay nataony teto an-tany dia "nampiakarina ho any an-danitra [Izy] ka nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra." — Mar. 16:19. Ho eo ankavanan'Andriamanitra no niakaran'i Jesôsy, dia eo amin'ny toeran'ny fahefana faratampony, satria nandresy ny herin'ny ratsy rehetra Izy.

Mariho fa eo amin'ilay andininy farany, raha nitory ny filazantsara "eny tontolo eny" izy ireo, dia tsy nandeha irery. "Ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena."— Mar. 16:20. Nomba azy ireo i Jesôsy, ary nanome toky fa homba antsika koa eo am-panohizantsika ny asa izay natombony. "Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao." - Mat. 28:20. 

Inona ny fampaherezana azontsika raisina sy tokony horaisintsika avy amin'io teny fikasana io eo am-piezahantsika mitory ny filazantsara "eny tontolo eny"? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.
Sun 12 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mangeja ny avonavona.
Mon 13 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Diniho ny tenanao.
Tue 14 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Mosesy, mpanompo nanetry tena.
Wed 15 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Ny zava-manafintohina indrindra.
Thu 16 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Jereo Izy.
Fri 17 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fianarana fanampiny.
Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 04 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fampidirana.
Sun 05 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Endrik’Andriamanitra mazava kokoa
Mon 06 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Masina Andriamanitra.
Tue 07 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra dia Fitiavana.
Wed 08 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Andriamanitra ao amin’ny famoronana.
Thu 09 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Imanoela, amintsika Andriamanitra.
Fri 10 Apr 2026
Lesona 2: MAHAFANTATRA AN'ANDRIAMANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 11 Apr 2026
Lesona 3: AVONAVONA NA FANETRENTENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY -
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal