Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDEHANA ANY AMIN'IZAO TONTOLO IZAO

Daty
Alakamisy 26 September 2024

Vakio ny Mar. 16:14-20. Inona no nambaran'i Jesôsy tamin'ny mpianany rehefa niseho tamin'izy ireo Izy? Midika inona ho antsika ireo teny ireo ankehitriny?

Taterina ao amin'ny Mar. 16:14 ny teny nataon'i Jesôsy tamin'ny mpianany. Nanome tsiny azy ireo i Jesôsy noho ny tsy finoany sy ny hamafin'ny fony. Tsy olantsika ankehitriny ihany ity tsy finoana ity. Araka ny efa hitantsika, na ireo mpianatr'i Jesôsy voalohany aza dia nanana olana ara-pinoana (Mat. 28:17; Jao. 20:24-29), kanefa nifampikasoka mivantana tamin'i Jesôsy izy ireo, ary nahita ombieny ombieny ny fahagagana nataony.

Nanome porofo maro azy ireo anefa i Jesôsy ny amin'ny fahamarinan'ny fitsanganany tamin'ny maty. Ary ny fijoroan'izy ireo ho vavolombelona, ampiarahina amin'ireo porofo voafintina ao amin'ny lesona Alatsinainy, dia fototra azo anorenana ny finoana.

Dia naniraka ny mpianany i Jesôsy hitondra ny filazantsara any amin'izao tontolo izao. Mivelatra tokoa izany baiko izany. Natao handeha any amin'izao tontolo izao izy ireo hitory ny filazantsara amin'ny olombelona rehetra. Avy eo dia nohazavain'i Jesôsy azy ireo ny ho vokatry ny asany, na ny soa na ny ratsy: hovonjena izay mino, ary hohelohina izay tsy mety mino.

Nolazain'i Jesôsy koa ny amin'ireo famantarana hanaraka ny asan'ny mpianatra — hamoaka demonia izy, hahay fiteny vaovao, ho voaro amin'ny ratsy, ary hahasitrana ny marary. Misy olona sasany diso fandray ny hevitra voalaza ao amin'ny Mar. 16:18, ka milaza fa ny Kristianina dia tsy maintsy mandray menarana misy poizina mba hanehoany ny finoany. Tsy ekena ny fihetsika feno fahasahiam-poana toy izany eto. Ny fiarovana ireo izay mamita iraka amin'ny fanompoana ny hafa, toa an'i Paoly ao amin'ny Asa. 28:3-6, no resahin'i Jesôsy eto.

Mazava loatra fa tsy mampianatra tsy akory ny Baiboly fa ho voaro mandrakariva amin'ny ratsy ny Kristianina. Indraindray, hitan'Andriamanitra fa mety ny hanaovana fahagagana mba hampandrosoana ny filazantsara. Kanefa indraindray dia miari-pahoriana koa ny Kristianina noho ny asa fitoriana ataony. Amin'ny toe-javatra toy ireny, ny fiaretany sy ny faharetany dia famantarana hafa koa maneho amin'ny tsy mpino ny herin'ny finoana.

Ary rehefa vitan'i Jesôsy avokoa izay nataony teto an-tany dia "nampiakarina ho any an-danitra [Izy] ka nipetraka eo ankavanan'Andriamanitra." — Mar. 16:19. Ho eo ankavanan'Andriamanitra no niakaran'i Jesôsy, dia eo amin'ny toeran'ny fahefana faratampony, satria nandresy ny herin'ny ratsy rehetra Izy.

Mariho fa eo amin'ilay andininy farany, raha nitory ny filazantsara "eny tontolo eny" izy ireo, dia tsy nandeha irery. "Ny Tompo niara-niasa taminy ka nanamarina ny teny tamin'ny famantarana izay nomba azy. Amena."— Mar. 16:20. Nomba azy ireo i Jesôsy, ary nanome toky fa homba antsika koa eo am-panohizantsika ny asa izay natombony. "Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan'ny fahataperan'izao tontolo izao." - Mat. 28:20. 

Inona ny fampaherezana azontsika raisina sy tokony horaisintsika avy amin'io teny fikasana io eo am-piezahantsika mitory ny filazantsara "eny tontolo eny"? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (9)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal