Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANDRESY NY HAIZINA NY MAZAVA 

Daty
Alatsinainy 22 April 2024

Vakio ny Joda 3,4. Inona no fampitandremana eto ary ahoana no nampiharana izany tamin'ny fiangonana kristianina taty aoriana?

 Ny bokin'i Joda dia nosoratana nialoha kelin'ny taona 65 TrK ho an'ireo Kristianina mahatoky izay "malala ao amin'Andriamanitra Ray sy voatahiry ho an'i Jesôsy Kristy" (Joda 1). Ireo mpino mahatoky ireo dia nanarina mba "hiezahanareo mafy hiaro ny finoana izay efa voatolotra indray mandeha monja ho an'ny olona masina. Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko (...) izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana"-Joda 3, 4. Nanan-danja lehibe tamin'ireo mpino tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany io fananarana io rehefa nibosesika niditra tao amin'ny fiangonana ny fomba fanao jentilisa ary natao tsinontsinona ny Tenin'Andriamanitra noho ny amin'ny lovantsofin'olombelona. Nandritra ny taonjato maro dia olona marobe toy ny Vaudois no nijoro ho mpiaro ny fahamarinan'ny Soratra Masina. Ninoan'izy ireo fa i Kristy no hany Mpanalalana ho azy ary ny Baiboly no hany loharanon-keriny. "Tamin'ny fotoan'andro rehetra dia nisy vavolombelona ho an'Andriamanitra, dia olona izay nankamamy ny finoany an'i Kristy Ilay hany Mpanalalana amin'Andriamanitra sy ny olombelona, ary nitana ny Baiboly ho hany fitsipiky ny fiainany sy manamasina ny Sabata marina." — HM, t. 61.

Vakio ny Apôk . 2:10. Inona ny teny fikasana omen'Andriamanitra ireo izay mahatoky Aminy eo anatrehan'ny fahafatesana?

Nosoratana ho an'ny fiangonan'i Smyrna ireo teny ireo. lray amin'ireo andriamanitra mpiaro ny tanana i Dionysos, ilay andriamanitry ny lanonana sy ny fahavokarana. Rehefa maty ireo pretran'i Dionysos dia nisy satroboninahitra napetraka teo an-dohan'izy ireo nandritra ny fandevenana. Mampifanohitra io satroboninahitra eto an-tany apetraka eo an-doha amin'ny fotoana ahafatesana io amin'ny satroboninahitry ny fiainana apetraka eo an-dohan'ireo izay mandresy ny herin'ny ratsy i Jaona. Omena ireo izay niaritra fizahan-toetra, fahasarotana samihafa, fijaliana ary fahafatesana noho ny amin'i Kristy ny satroboninahitry ny fiainana.

Ny satroboninahitry ny fiainana no nandrisika ireo mpino mahatoky ireo hiaritra fahafatesana noho ny amin'i Kristy. Mandrisika ny mpino ao anatin'ny toe-java-tsarotra mandrakariva ny satroboninahitry ny fiainana. Izany no nandrisika ireo Vaudois tao anatin'ny fanaintainana sy ny fanenjehana. Fantany fa hahita an'i Jesôsy izy ireo indray andro any ka hiara-monina Aminy mandrakizay. Ho antsika koa izany satroboninahitry ny fiainana izany: mety mandalo fitsapana isika amin'izao fotoana izao saingy misy satroboninahitry ny fiainana miandry antsika raha mibanjina an'i Jesôsy mandrakariva isika.

Inona no mampahery anao ao anatin'ny fotoan-tsarotra? Inona no mampatahotra anao? Inona ny teny fikasana azonao takina amin'ireo fotoana ireo? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 05 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fampidirana
Sun 06 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Ilay roimemy nirehitra.
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Mon 07 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Tue 08 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Wed 09 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Thu 10 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA -
Fri 11 Jul 2025
Lesona 2: ILAY ROIMEMY NIREHITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 28 Jun 2025
TELOVOLANA 3: EKSODOSY- DIA MANKANY AMIN’ILAY TANY NAMPANANTENAINA.
Sat 28 Jun 2025
Lesona 1 : FAMPAHORIANA: NY TONTOLON-KEVITRA SY NY FAHATERAHAN’I MOSESY - Fampidirana.
Sun 29 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Vahoakan’Andriamanitra tao Egypta.
Mon 30 Jun 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA - NY FAHATERAHAN’ I MOSESY - Ny tontolon-kevitra ara-tantara.
Tue 01 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Ireo mpampivelona Hebreo.
Wed 02 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Teraka i Mosesy.
Thu 03 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Miova ny drafitra.
Fri 04 Jul 2025
LESONA 1: FAMPAHORIANA- NY FAHATERAHAN’NY MOSESY - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal