Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MANOFANA NY MPIANANY I JESÔSY FIZARANA I

Daty
Sabotsy 10 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 8:22-38; Mat. 20:29-34; Jao. 12:25; Mar. 9:1-50; Mal. 4:5,6; Lio. 9:30,31. 

Tsianjery: "Ary nantsoiny hanatona Azy ny vahoaka mbamin'ny mpianany, dia hoy Izy taminy: Raha misy ta-hanaraka Ahy, dia aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy."- Mar. 8:34. 

Mifantoka amin'i Jesôsy sy ny maha-Izy Azy ny tapany voalohany amin'ny bokin'i Marka. Samy manondro ny maha-Mesia Azy ny fampianarany mafonja sy ny fahagagana ataony. Eto amin'ity tapany faharoan'ny boky ity i Jesôsy dia manontany ny mpianany hoe: Manao Ahy ho iza moa ianareo?

Novalian'i Petera tamin'ny feo mafy io fanontaniana io, ary avy hatrany i Jesôsy dia nanomboka nanazava ny fizotry ny diany amin'ny maha-Mesia Azy sy ny hiafaran'izany dia izany, izay fantatsika fa ny hazo fijaliana.

Momba io diany io no ifantohan'ny fampianaran'i Jesôsy ao amin'ny tapany faran'ny Mar. 8 ka hatramin'ny Mar. 10. Nambaran'i Jesôsy mialoha, ao amin'ireo toko ireo, ny momba ny hazo fijaliana. Avy eo dia nanao fampianarana manokana momba ny maha-mpianatra Izy. Mbola manan-danja mandraka ankehitriny ireo lesona lehibe ireo.

Manamarika ity fizarana ity ny nanasitranan'i Jesôsy lehilahy jamba anankiroa samy hafa, ny iray ao afovoan'ny Mar. 8, ary ny iray any amin'ny faran'ny Mar. 10. Mifono fampianarana manaitra momba ny maha-mpianatra ireo fahagagana ireo, izay anomezan'Andriamanitra antsika fahendrena ara-panahy hahafantarantsika an'i Jesôsy sy ny Ialan-kalehany. Nitondra fihaikana teo amin'ny fiainan'ireo mpianatra roa ambin'ny folo lahy ny fampianaran'i Jesôsy 2000 taona lasa izay, ary mbola toy izany koa amin'ireo mpianany ankehitriny. Vidin-dafo tokoa ny fanarahana an'i Jesôsy, ary inona kosa ny tombony? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 31 Jan 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Fampidirana.
Sun 01 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Mifaly ao amin’i Tompo.
Mon 02 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY - Ny fiainan’i Paoly tamin’ny lasa.
Tue 03 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Wed 04 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Thu 05 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Fri 06 Feb 2026
Lesona 6: MITOKY AMIN’NY KRISTY IRERY IHANY -
Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (7)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal