Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIAHY NY FIARAHAMONINA

Daty
Alarobia 10 April 2024

Tsy noho ny nitorian'ny mambra ny Filazantsara ihany no nampitombo ny fiangonana kristianina voalohany fa ny fiveloman'izy ireo ny filazantsara koa. Maneho ny asa fanompoan'i Kristy izay "nandeha eran'i Galilia ka nampianatra tao amin'ny synagogan'ny olona teo sy nitory ny filazantsaran'ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin'ny rofy rehetra tamin'ny olona" ny mpino (Mat. 4:23). Nihevitra sy niahy fatratra ny olona i Jesôsy ary ny fiangonan'ny Testamenta Vaovao dia nanao toy izany koa. Izany fitiavana manda ny tena sy fanoloran-tena hamaly ny filan'ny olombelona izany, niaraka tamin'ny fizarana ny vaovao mahafalin'ny Filazantsara amin'ny herin'ny Fanahy Masina no nampisy fiantraikany teo amin'ny tontolo nandritra ireo taonjato voalohany nisian'ny fiangonana kristianina.

Vakio ny Asa. 2:44-47, Asa. 3:6-9, sy ny Asa. 6:1-7. Na dia miovaova aza ny toe-javatra, inona ireo fitsipika azontsika raisina avy amin'ireo andininy ireo momba ny fivavahana kristianina tena izy?

Nanaraka ny ohatra navelan'i Kristy ireo mpino ao amin'ny Testamenta Vaovao izay nambaran'i Petera fa "nohosorana tamin'ny Fanahy masina sy ny hery sady nandehandeha nanao soa sy nahasitrana izay rehetra azon'ny herin'ny devoly, satria Andriamanitra nomba Azy' - Asa. 10:38. Ny fiangonan'i Kristy no tenany eto an-tany, ary nandritra ireo taonjato voalohany dia naneho ny fitiavana mahafoy ny aina tahaka ny an'i Kristy izy ireo ary koa naneho ny fiahiany ny olombelona mijaly sy ory. Ohatra velon'ny fitiavan'i Kristy ireo mpino ireo.

Ao amin'ilay fifanandrinana lehibe mangotraka eto amin'izao tontolo rehetra izao, ny devoly dia maniry ny hanimba ny endrika an'Andriamanitra eo amin'ny olombelona. Ny tanjon'ny Filazantsara dia ny hamerina amin'ny laoniny ny endrik'Andriamanitra eo amin'ny olombelona, voafaoka ao anatin'izany famerenana amin'ny laoniny izany ny fanasitranana ara-batana, ara-tsaina, ara-pihetseham-po ary ara-panahy.

Ao amin'ny Jao. 10:10 no anambaran'i Jesôsy ny drafiny ho an'ny tsirairay avy amintsika. "Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be." Iriny indrindra ny hananantsika vatana salama, saina matsilo, fihetseham-po milamina ary ho salama ara-panahy.

Manana ny fahamarinany manokana izany eo anatrehan'ny fiaviany izay efa nampanantenainy. Miatrika fotoan-tsarotra lehibe izao tontolo izao. Ny filazana mialoha ny hoavy nataon'i Jesôsy ao amin'ny Mat. 24 sy ny Lio. 21 dia manambara ireo toe-javatra mahatsiravina eto an-tany mialoha ny fiverenany. Rehefa mikasika antsika amin'ny fahasoavany manasitrana i Kristy dia manam-paniriana ny hikasika ny hafa amin'ny fikasihan'i Kristy isika mba hahasitranan'izy ireo. Maniraka antsika ho eo amin'ny tontolo potika i Jesôsy amin'ny maha-masoivohon'i Kristy antsika mba hikasika ny hafa amin'ny fitiavany. Nampiavaka ny fivavahana kristianina tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao ny fifankatiavan'ny samy Kristianina sy ny fitiavan'izy ireo ny fiarahamonina nisy azy.

Ifanakalozy hevitra: Inona no anjara asan'ny fiangonana ao amin'ny fiaraha-miasa amin'i Kristy mba hanaporofoana fa diso ireo fiampangan'i Satana? 
 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.
Sun 24 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Zava-mahavariana sy fakampanahy.
Mon 25 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ireo manda miaro ny fifandraisako amin’Andriamanitra.
Tue 26 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna.
Wed 27 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Ny lalàna sy ny Filazantsara.
Thu 28 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Mahafantatra ary manatanteraka.
Fri 29 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALÀNA - Fianarana fanampiny.
Sat 30 May 2026
Lesona 10: FIBEBAHANA SY FAMELAN- KELOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 06 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fampidirana.
Sun 07 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Ireo tafiodrivotry ny fiainana.
Mon 08 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Sitràna amin’ny aretinao.
Tue 09 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Jôba.
Wed 10 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Teny an- dalana ho any Emaosy.
Thu 11 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Mahita an’i Jesôsy.
Fri 12 Jun 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA - Fianarana fanampiny.
Sat 13 Jun 2026
Lesona 12 : TORIO IZY - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal