Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Miandry ondry mahafoy tena

Daty
Alahady 25 February 2024

Vakio ny Sal. 23; Sal. 28:9; Sal. 80:1; Sal. 78:52,53; Sal. 79:13 ary ny Sal. 100:3. Ahoana no anehoana ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olony ao amin'ireo andalan-tSoratra Masina ireo?

Ny sary maneho an'Andriamanitra ho Mpiandry ondry sy ny vahoakany ho ondry andrasany dia manasongadina ny fitarihan'Andriamanitra sy ny fiahiany ny olony ary koa ny fianteheran'ny vahoakany Aminy mba hanome izay rehetra ilain'izy ireo. Hevitra manambara ny fifandraisana ety eo amin'Andriamanitra sy ny olony no asehon'izany sary izany, satria niara-niaina tamin'ireo andian'ondriny ny Mpiandry ondry ary nikarakara ireo ondry tsirairay. Ny sarin'ny mpiandry ondry dia manipika ihany koa ny maha an'Andriamanitra ireo ondriny. Fatorana mafy anankiroa no miantoka izany: ny Famoronana (Sal. 95:6, 7; Sal. 100:3) sy ny Fanekena (Sal. 28:9; Heb. 13:20).

Azo heverina fa ny sary maneho ilay Mpiandry ondry avy any an-danitra izay nitari-dalana an'i Josefa tahaka ny andian'ondry (Sal. 80:1) dia manondro ny tso- dranon'i Jakoba tamin'i Josefa, izay maneho an'Andriamanitra ho mpiandry ny Isiraely ondriny ary koa mangataka ny teny fikasany lehibe sy ny fitahiany (Gen. 49:24).

Noraisina ho mpiandry ireo vahoakany ny mpanjaka (2 Sam. 5:2). Andriamanitra ihany anefa no tena mendrika ny hantsoina amin'izany anarana izany satria tsy mahafeno ny fepetran'izany fiantsoana izany ny mpanjaka olombelona. I Jesôsy ihany no nahafeno izany fepetra izany, izany no iantsoana Azy hoe Mpiandry Tsara.

Vakio ny Jao. 10:11-15. Inona no ambaran'i Jesôsy momba ny Tenany amin'ny maha Mpiandry Tsara Azy?

Hita eo amin'ny fahafantaran'ny ondry ny feon'ny Mpiandry azy ny fifandraisana ety misy eo amin'ilay Mpiandry ondry avy any an-danitra sy ny andian'ondriny (Jao. 10:4, 27). Mandraka ankehitriny, dia hain'ireo mpiandry ondry any Moyen-Orient ny manasaraka ny andian'ondriny izay mifangaro amin'ny ondry hafa amin'ny fiantsoany ireo ondriny izay mahalala ny feon'ilay mpiandry ary manaraka azy.

Misy fotoana iatrehan'ny andian'ondrin'Andriamanitra fahoriana samihafa izay heverin'ny olona ho famantarana ny fahatezeran'Andriamanitra sy ny fahafoizany azy ireo. Tsy mba mahafoy ny ondriny izay mania anefa ny Mpiandry Ondry fa manao izay hamonjena azy ireny. Sary lehibe maneho ny fifandraisan'Andriamanitra amin'ny vahoakany izany. Vonona ny ho faty ho an'ireo ondriny Izy (Jao. 10:11,15) ary tonga Zanak'ondry natao fanatitra noho ny amin'izy ireo mihitsy aza (Jao. 1:29). Nohamafisin'i Jesôsy koa fa hiantso ireo ondriny any amin'ny vala hafa Izy ary hitondra azy ireny hikambana amin'ny andian'ondriny (Jao. 10:16).

Inona avy ireo fomba ahafahanao mandray tombontsoa isan'andro avy amin'ny fananana an'i Jesôsy ho Mpiandry Tsara antsika araka izay nampanantenaina?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal