Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

MIJORO HO AN'NY FAHAMARINANA

Daty
Sabotsy 20 April 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro : Dan. 7:23-25; Apôk. 12:6, 14; Joda 3, 4; Apok. 2:10; Asa. 5:28-32; Sal. 19:7-11; 1 Jao. 5:11-13.

 Tsianjery: "Ary tahaka ny nanandratan'i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona, mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy." - Jao. 3:14, 15 

Ny tananan'i Izmir ankehitriny, any amin'ny sisin-tanin'i Turquie no tananan'i Smyrna voalaza ao amin'ny Baiboly tany aloha, voalaza ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy. Niroborobo izany tanana fahiny nonenan'ny mponina eo ho eo amin'ny 100.000 izany tamin'ny fiafaran'ny taonjato voalohany sy faharoa. Tanana nanan-karena ary nahatoky tanteraka tamin'i Rôma izany.

Indray mandeha isan-taona no nandidiana ny mponina rehetra handoro ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra rômanina. Hita miharihary fa tamin'ny tanjato faharoa dia nahitana fiarahamonina kristianina niroborobo koa i Smyrna ary maro ireo izay tsy nilefitra tamin'io didy io. I Polycarpe, iray tamin'ireo tompon'andraikitra voalohany tao amin'ny fiangonana dia novonoina maritiora teo amin'ny kianjan'i Smyrna, nodorana teo amin'ny tsato-kazo noho ny nandavany tsy hamadika ny Tompony amin'ny fandoroana ditin-kazo manitra ho an'ireo andriamanitra rômanina. Rehefa nangatahina farany handa an'i Kristy ity lahiantitra ity dia izao no navaliny: "Enina amby valopolo taona izao no nanompoako Azy ary tsy nanao ratsy ahy Izy. Ahoana no hitenenako ratsy ilay Mpanjakako izay namonjy ahy?"

 Nandritra ny taonjato maro dia lehilahy sy vehivavy marobe no nifidy ny ho faty maritiora toy izay handa ny finoany an'i Kristy. Mamelombelona ny herim-pontsika ny sorona nataon'izy ireo. Manavao ny fanoloran-tenantsika ny tantaran'ny fanoloran-tenan'izy ireo ho an'i Kristy.

Amin'ity herinandro ity isika dia handinika fitsipika ara-Baiboly sasantsasany izay nandrisika ireo Vaudois sy ireo mpanavao ara-pivavahana taty aoriana, tahaka an-dry Huss sy Jerôme, hitoetra ho mahatoky amin'ny Tompo na inona na inona mitranga - eny fa na dia teo anatrehan'ny fandrahonana ho faty nataon'ireo fahefana tahaka izay namono an'i Polycarpe koa aza (i Rôma, saingy ankehitriny dia ny fahefana papaly izany).

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal