Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon'i Melkizedeka

Daty
Alakamisy 29 February 2024

Vakio ny Sal. 110:4-7. Ahoana no mampiavaka ny fisoronan'i Kristy, ary inona ny fanantenana lehibe hitantsika ao amin'ny asa fisoronana ataony any an-danitra?

Nomen'Andriamanitra fanapahana mandrakizay ny Mesia (Sal. 110:1-3) ary koa fisoronana ambony laharana, dia araka ny fanaon'i Melkizedeka (Sal. 110:4-7). Fampanantenana miezinezina no tombokase amehezan'Andriamanitra ny Teniny (Heb. 6:18). Fanehoana fahasoavana ny fianianana nataony amin'ny tsy handavany ny hanome antsika Mpisorona tonga lafatra. Ny fahotan'ny olona sy ny fikomiana miharihary ataony no antony mahatonga an'Andriamanitra hahafoy azy ireo, kanefa tsy miova ny fianianan'Andriamanitra ary manome antoka ny amin'ny fahasoavany amin'ny fanafoanana ny didim-pitsarany amin'ny olona mibebaka (Eks. 32:14; Sal. 106:45).

Ny fianianan'Andriamanitra dia mampahafantatra singa iray vaovao ao amin'ny fanekena nataony tamin'i Davida amin'ny fanambarana fa ny Mesia Mpanjaka dia Mpisorona ihany koa (Sal. 110:4). Tsy afaka nanao ny asan'ny mpisorona Levita ireo mpanjakan'Isiraely fahiny (Nom. 8:19; 2 Tant. 26:16-21). Rehefa miresaka ny amin'ny mpanjaka na olona manao fanatitra ny Soratra Masina, dia izy ireo mitondra fanatitra any amin'ny mpisorona no ambaran'izany, ka ny mpisorona no manatitra ireny fanatitra ireny. Avahan'ny Sal. 110 amin'ireo mpanjakan'Isiraely sy ny mpisorona tao ny Mesia Mpanjaka. Ny fisoronan'i Kristy mandrakizay mantsy dia avy amin'i Melkizedeka, izay sady mpanjakan'i Salema (Jerosalema) no mpisoron'ny "Avo indrindra" (Gen. 14:18- 20). Ny Testamenta Taloha dia tsy mba manondro an'i Davida mpanjaka na ny mpanjaka hafa teo amin'ny Isiraely ho nanana fisoronana araka ny fanaon'i Melkizedeka, afa- tsy ny Sal. 110. Hita mazava fa mpanjaka-mpisorona miavaka teo amin'ny tantaran'ny Isiraely no resahin'io Salamo io.

Vakio ny Heb. 7:20-28. Midika inona avy ny asa fisoronana ambony ataon'i Kristy?

Sady Mpanjaka i Kristy no Mpisorona mandrakizay; fahamboniana tsy mbola nisy nanana izay mihoatra lavitra noho ny mpisorona sy ny mpanjaka rehetra izany; koa azontsika atao ny hanana fanantenana. Fanekena manan-danja no hazonin'i Kristy, fanekena izay miorina amin'ny fianianan'Andriamanitra izany fa tsy amin'ny fampanantenan'olombelona. Manao fanompoana ao amin'ny fitoerana masina any an- danitra Izy. Tsy voakasiky ny fahotana na ny fahafatesana ny fisoronany, tsy tahaka ny asa fisoronan'olombelona; noho izany dia afaka manao fanelanelanana ho an'ny olony sy mamonjy azy ireo mandrakizay Izy.

Ny asa fampihavanana ataon'i Kristy amin'ny maha-Mpisorona tonga lafatra sy be fiantrana Azy no manome antoka maharitra ho an'ny olona ny amin'ny hitoeran'izy ireo eo amin'ny fanatrehan'Andriamanitra (Heb. 6:19,20). Hamongotra ny fanapahan'ny faharatsiana ny fanjakam-pisoronan'i Kristy, tsy ao am-pon'ny olona ihany fa eto amin'izao tontolo izao mihitsy. Hihazona ny teny fikasana ao amin'ny Sal. 2 Izy fa ny firenena rehetra sy mpanapaka dia handalo amin'ny fitsaran'i Jesôsy Kristy mpanjaka (Sal. 2:6-9; Sal. 110:1, 2, 5, 6). Mitaky ny fankatoavantsika sy ny fitokiantsika ny asa fisoronana mahatalanjona ataon'i Jesosy.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.
Sun 18 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fisaratsarahana tany Filipy.
Mon 19 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny loharanon’ny firaisana.
Tue 20 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fanisian-javatra ao amin’ny atidoha sa fandidiana atidoha?
Wed 21 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny sain’ i Kristy.
Thu 22 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Ny zava-miafina ny amin’ny toe-pananahy araka an’Andriamanitra.
Fri 23 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fianarana fanampiny.
Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 10 Jan 2026
Lesona 3:FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fampidirana.
Sun 11 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Hery tsy manam-petra.
Mon 12 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Tombony ny fahafatesana.
Tue 13 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Mahatoky.
Wed 14 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - "Maharitra amin’ny fanahy iray."
Thu 15 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Miray saina sy tsy matahotra.
Fri 16 Jan 2026
Lesona 3: FIAINANA SY FAHAFATESANA - Fianarana fanampiny.
Sat 17 Jan 2026
Lesona 4: FIRAISAN-TSAINA AO ANATIN'NY FANETREN-TENA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 24 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fampidirana.
Sun 25 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Miasa hahatanteraka ny asan’Andriamanitra ao anatintsika isika.
Mon 26 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanazavana ao anatin’ny aizin’izao tontolo izao.
Tue 27 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA - Fanatitra velona.
Wed 28 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Thu 29 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -
Fri 30 Jan 2026
Lesona 5: MAMIRAPIRATRA AO ANATIN'NY ALINA -

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (48)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal