Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NAMPAHEREZIN'NY FANANTENANA

Daty
Alakamisy 25 April 2024

Vakio ny Heb. 2:14,15. Ahoana no niainan'ireo mpino tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany ny maha zava-misy ilay fifanandrinana lehibe?

Inona no nampahery ireo Vaudois mahatoky nandritra ny fanenjehana mahatsiravina nanjo azy ireo? Inona no nanome hery an'i Huss sy i Jerome, i Tyndale, i Latimer ary ireo maty maritiora tamin'ny Vanim-potoana Antenantenany hiatrika ny lelafo sy sabatra? Ny finoana ireo teny fikasan'Andriamanitra. Ninoan'izy ireo ny teny fikasan'i Kristy hoe: "satria velona Aho, dia ho velona koa hianareo"- Jao. 14:19. Ampy niatrehan'izy ireo ny fizahan-toetra lehibe indrindra teo amin'ny fiainana ny herin'i Kristy. Nahita fifaliana aza izy tao amin'ny fiombonany tamin'i Kristy tao anatin'ireo fijaliana ireo. Ary ny fahatokian'izy ireo dia fijoroana ho vavolombelona miezinezina tamin'izao tontolo izao.

Nijery tany ambadik'izay nisy izy ireo mba hahitana izay ho avy. Fantany tamin'ny alalan'ny fitsanganan'i Kristy tamin'ny maty fa fahavalo efa resy ny fahafatesana. Tapaka ny fangejan'ny fahafatesana ireo lehilahy sy vehivavy be herim-po ireo. Nifikitra tamin'ireo teny fikasan'ny Tenin'Andriamanitra izy ireo ka nivoaka ho mpandresy tamin'izany.

Vakio ny Jao. 5:24, Jao. 11:25,26, ary ny 1 Jao. 5:11-13. Inona ny toky omen'ireo teny fikasana ireo anao manokana? Ahoana no anampian'ireo antsika hiatrika ireo fizahan-toetra eo amin'ny fiainana?

Tsy kivy i John Huss nanoloana ny fampidirana am-ponja sy ny tsy rariny ary ny fahafatesana. Nijanona tao am-ponja nandritra ny volana maro izy. Nitarika tazo izay saiky nanapitra ny ainy ny hatsiaka sy ny hamandoana. Na izany aza, "nanohana azy ny fahasoavan'Andriamanitra. Nameno ny fanahiny ny fiadanan'ny lanitra nandritra ireo herinandro nijaliany talohan'ny didim-pitsarana farany. Ato an-tranomaizina no anoratako ity taratasy ity, hoy izy tamin'ny sakaizany. Mifatotra ny tanako ary miandry ny didim-pitsarana manameloka ahy ho faty rahampitso aho. Rehefa hihaona indray isika, noho ny fanampian'i Jesôsy , ao amin'ny fiadanana kanton'ny fiainana mandrakizay ho avy, dia ho fantatrao ny famindrampo nasehon'Andriamanitra tamiko, ny tena nanohanany ahy marina teo anivon'ny fakam-panahy sy ny fitsapana nihatra tamiko.' Tao amin'ny tranomaizina maloka nisy azy no nahitany mialoha ny fandresen'ny finoana marina." - HM, t. 108

Mitombo ny hasarobidin'ny fananarana nataon'i Paoly Apôstôly antsika ankehitriny. "Aoka hohazonintsika mafy ny fanekena ny fanantenana mba tsy hihozongozonany (fa mahatoky ilay efa nanao ny teny fikasana)"- Heb. 10:23. Tahaka ny nanohanan'ny teny fikasan'Andriamanitra ny olony tamin'ny lasa no anohanany antsika koa amin'izao fotoana izao.

Inona ny hevitry ny hoe mamoy ny zavatra rehetra ho an'i Kristy? Inona marina moa no verinao (Jereo ny Mar. 8:36)? Inona ireo lesona azontsika tsoahina avy amin'ireo Vaudois sy ireo mpanavao fivavahana, izay hanohana antsika ao anatin'ny fifanandrinana farany eto an-tany? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 26 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Ny fotoana.
Mon 27 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Toerana iray.
Tue 28 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fandinihana lalina ny baiboly.
Wed 29 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fitahiana roa sosona.
Thu 30 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Endrey ny hamamin’ny teninao.
Fri 01 May 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fampidirana.
Sun 19 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fitaovampiadiana mahery vaika indrindra.
Mon 20 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny soratra masina, fahefana.
Tue 21 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fahamarinana ara-baiboly.
Wed 22 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny fitakian’ny Baiboly.
Thu 23 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Ny toe-po.
Fri 24 Apr 2026
Lesona 4: NY ANJARA ASAN'NY BAIBOLY - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Apr 2026
Lesona 5: NY FOMBA FANDINIHANA NY BAIBOLY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal