Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NENJEHINA NEFA NANDRESY

Daty
Alahady 21 April 2024

Vakio ny Dan. 7:23-25 sy ny Apok. 12:6, 14. Vanim-potoana ara-paminaniana manao ahoana no resahin'ireo andininy ireo?

 Tezitra i Satana rehefa mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra ny olony. Manaraka aorian'izany matetika ny fanenjehana. Ny mpaminany Daniela dia nanondro vanim-potoana iray mbola ho avy, izay "hiadiana" sy "hanenjehan"'ny fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany ny vahoakan'Andriamanitra (Dan. 7:21,25). Ny mpaminany Jaona dia nanondro io vanim-potoana io koa ho fotoana nanerena ny fiangonan'Andriamanitra handositra any an'efitra izay "itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro"- Apôk. 12:14. Hoy koa ny Apok. 12:6: "Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra". Novelomin'Andriamanitra tany an'efitra ny vahoakany. Nampahery sy nanohana azy ireo ny Teniny, raha nivaivay nandritra io vanim-potoana lava sy manjombona nanjakazakan'ny papa io ny fifanandrinana lehibe. Nahita "toerana voaoman'Andriamanitra ho azy ny olon'Andriamanitra. Ao anatin'ireo fihaikana lehibe indrindra amin'ny fiainana dia manomana toerana ho an'ireo mahatoky Aminy mandrakariva Andriamanitra.

Nahita fialofana tao amin'ny Fitiavany sy ny Fiahiany ny vahoakany nandritra ireo fotoam-pitsapana lehibe indrindra (jereo ny Sal. 46).

 Ireo 1260 andro sy ny fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro ao amin'ny Apôk. 12:6,14 dia milaza vanim-potoana iray ihany (fetr'andro 3 sy 1/2 na taona x 360 andro/taona = 1260 andro). Amin'ny endrika tandindona matetika no anoratana ny faminaniana ao amin'ny Baiboly. Ao amin'ny lahatsoratra ara-paminaniana ao amin'ny Daniela sy ny Apokalipsy, ny iray andro ara-paminaniana dia midika ho taona iray ara-bakiteny. Hitantsika ao amin'ny Nom. 14:34 sy ny Ezek. 4:6 io fitsipika andro-taona io.

Tsy mijanona amin'ireo andininy roa ireo ihany ny fitsipika andro-taona fa amin'ny fototra ara-tSoratra Masina mivelatra kokoa. Ny Dr William Shea, manam-pahaizana momba ny vanim-potoana sy ny Testamenta Taloha dia maneho porofo ara-Baiboly 23 andalana ao amin'ny Testamenta Taloha momba io fitsipika io. Nampiasa izany nandritra ny taonjato maro ireo mpandinika ny Baiboly.

Ireo Wisigoth, Vandale ary ireo Ostrogoth dia foko izay nino ny foto-pampianarana hafa ivelan'ny fampianarana ofisialin'i Roma. Nanomboka ny 1260 andro tamin'ny fotoana nandroahana tao Rôma ny farany tamin'ireo foko barbarianina, ny Ostrogoth, tamin'ny taona 538 TrK. Nitohy hatramin'ny taona 1798 io vanim-potoan'ny haizina ara-panahy io, fotoana izay nanesoran'ny jeneralin'i Napoleon (Berthier) ny papa tsy ho ao Rôma. Kristianina maro no maty maritiora nandritra io vanim-potoana lavabe io vokatry ny fankatoavany ny Tenin'Andriamanitra. Nandresy izy ireo na dia tao anatin'ny fahafatesana aza. Tao amin'i Kristy dia nafahana tamin'ny fahamelohana sy ny fanjakan'ny ota izy ireo ka nandresy "noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry. Ny fandresen'i Kristy an'i Satana teo amin'ny hazo fijaliana no fandresen'izy ireo. Na maty aza izy ireo, ny fahafatesany dia fitsaharana fotsiny ihany mandra-piverin'i Kristy.

Ahoana no nanamafisan'ny fahatanterahan'ireo faminaniana ara-Baiboly ny finoanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.
Sun 28 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Paoly mpifatotra an’i Jesôsy Kristy.
Mon 29 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tao amin’ny fifatorana.
Tue 30 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly tany Filipy
Wed 31 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - I Paoly sy i Kolosia
Thu 01 Jan 2026
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Ny fiangonana tany Filipy sy tany Kolosia.
Fri 02 Jan 2026
Lesona 1: ENJENIHA NEFA TSY NAFOY - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny
Sat 27 Dec 2025
Lesona 1: ENJEHINA, NEFA TSY NAFOY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 03 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampidirana.
Sun 04 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fitomboana ao amin’ny Filazantsara.
Mon 05 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ireo antombavak’i Paoly.
Tue 06 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fampiharana ny fahaiza-manavaka ara-panahy.
Wed 07 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Voan’ny Filazantsara.
Thu 08 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Ny herin’ny vavaka.
Fri 09 Jan 2026
Lesona 2: ANTON’NY FISAORANA SY NY FIVAVAHANA - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal