Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NENJEHINA NEFA NANDRESY

Daty
Alahady 21 April 2024

Vakio ny Dan. 7:23-25 sy ny Apok. 12:6, 14. Vanim-potoana ara-paminaniana manao ahoana no resahin'ireo andininy ireo?

 Tezitra i Satana rehefa mitoetra ho mahatoky amin'Andriamanitra ny olony. Manaraka aorian'izany matetika ny fanenjehana. Ny mpaminany Daniela dia nanondro vanim-potoana iray mbola ho avy, izay "hiadiana" sy "hanenjehan"'ny fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany ny vahoakan'Andriamanitra (Dan. 7:21,25). Ny mpaminany Jaona dia nanondro io vanim-potoana io koa ho fotoana nanerena ny fiangonan'Andriamanitra handositra any an'efitra izay "itaizana azy fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary antsasaky ny fetr'andro"- Apôk. 12:14. Hoy koa ny Apok. 12:6: "Ary ravehivavy kosa nandositra nankany an-efitra, izay nisy fitoerany namboarin'Andriamanitra". Novelomin'Andriamanitra tany an'efitra ny vahoakany. Nampahery sy nanohana azy ireo ny Teniny, raha nivaivay nandritra io vanim-potoana lava sy manjombona nanjakazakan'ny papa io ny fifanandrinana lehibe. Nahita "toerana voaoman'Andriamanitra ho azy ny olon'Andriamanitra. Ao anatin'ireo fihaikana lehibe indrindra amin'ny fiainana dia manomana toerana ho an'ireo mahatoky Aminy mandrakariva Andriamanitra.

Nahita fialofana tao amin'ny Fitiavany sy ny Fiahiany ny vahoakany nandritra ireo fotoam-pitsapana lehibe indrindra (jereo ny Sal. 46).

 Ireo 1260 andro sy ny fetr'andro iray sy fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro ao amin'ny Apôk. 12:6,14 dia milaza vanim-potoana iray ihany (fetr'andro 3 sy 1/2 na taona x 360 andro/taona = 1260 andro). Amin'ny endrika tandindona matetika no anoratana ny faminaniana ao amin'ny Baiboly. Ao amin'ny lahatsoratra ara-paminaniana ao amin'ny Daniela sy ny Apokalipsy, ny iray andro ara-paminaniana dia midika ho taona iray ara-bakiteny. Hitantsika ao amin'ny Nom. 14:34 sy ny Ezek. 4:6 io fitsipika andro-taona io.

Tsy mijanona amin'ireo andininy roa ireo ihany ny fitsipika andro-taona fa amin'ny fototra ara-tSoratra Masina mivelatra kokoa. Ny Dr William Shea, manam-pahaizana momba ny vanim-potoana sy ny Testamenta Taloha dia maneho porofo ara-Baiboly 23 andalana ao amin'ny Testamenta Taloha momba io fitsipika io. Nampiasa izany nandritra ny taonjato maro ireo mpandinika ny Baiboly.

Ireo Wisigoth, Vandale ary ireo Ostrogoth dia foko izay nino ny foto-pampianarana hafa ivelan'ny fampianarana ofisialin'i Roma. Nanomboka ny 1260 andro tamin'ny fotoana nandroahana tao Rôma ny farany tamin'ireo foko barbarianina, ny Ostrogoth, tamin'ny taona 538 TrK. Nitohy hatramin'ny taona 1798 io vanim-potoan'ny haizina ara-panahy io, fotoana izay nanesoran'ny jeneralin'i Napoleon (Berthier) ny papa tsy ho ao Rôma. Kristianina maro no maty maritiora nandritra io vanim-potoana lavabe io vokatry ny fankatoavany ny Tenin'Andriamanitra. Nandresy izy ireo na dia tao anatin'ny fahafatesana aza. Tao amin'i Kristy dia nafahana tamin'ny fahamelohana sy ny fanjakan'ny ota izy ireo ka nandresy "noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry. Ny fandresen'i Kristy an'i Satana teo amin'ny hazo fijaliana no fandresen'izy ireo. Na maty aza izy ireo, ny fahafatesany dia fitsaharana fotsiny ihany mandra-piverin'i Kristy.

Ahoana no nanamafisan'ny fahatanterahan'ireo faminaniana ara-Baiboly ny finoanao? 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.
Sun 13 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Ady ara-panahy.
Mon 14 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Mirehareha ny amin’i Jehôvah.
Tue 15 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fantatra ireo mpampianatra sandoka.
Wed 16 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Miaripahoriana noho ny filazantsara.
Thu 17 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Antso ho an’ireo tsy mbola nibebaka.
Fri 18 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fianarana fanampiny.
Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 05 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fampidirana.
Sun 06 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny ohapiainan’i Jesôsy.
Mon 07 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Ny antony manesika.
Tue 08 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Manao drafitra.
Wed 09 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Toetsaina.
Thu 10 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Firaisana.
Fri 11 Sep 2026
Lesona 11 : FITANDREMAM-PANANA SY IRAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 12 Sep 2026
Lesona 12 : NY AMIN'IREO MPAMPIANATRA SANDOKA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 19 Sep 2026
Lesona 13: - FAHASOAVANA, FITIAVANA, ARY FIRAISANA - Fampidirana.
Sun 20 Sep 2026
Lesona 13: FAHASOAVANA, FITATIAVANA ARY FIRAISANA - Ny fahasoavan’i Jesôsy.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal