Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NOTSARAINA ARY NOHOMBOANA TAMIN'NY HAZO FIJALIANA

Daty
Sabotsy 14 September 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 15; Lio. 13:1; Sal. 22:18; Jao. 20:24-29; Jao. 1:1-3; Dan. 9:24-27.

Tsianjery: "Ary tamin'ny ora fahasivy Jesôsy dia niantso tamin'ny feo mahery ka nanan hoe: Eloy, Eloy, lamà sabaktany! lzany hoe, raha adika: Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia mahafoy Ahy Hianao?" - Mar. 15:34. 

Mitana anjara toerana manan-danja ny "fanesoana" manerana io toko io. Noho ny amin'izany, dia mahasoa ny hamaritana ny atao hoe "fanesoana".

Ahitana singa telo matetika ao anatin'ny "fanesoana": (1) ny hevitra roa sosona ao anatin'ilay teny, (2) mifanohitra ireo hevitra roa ireo, (3) tsy hitan'ny olona ny hevitra roa ao ambadiky ny teny ary tsy fantany ny zava-mitranga no sady tsy fantany fa izy no hiharan'ny vokatr'izany.

Amin'ity herinandro ity, dia feno "fanesoana" maharary ny toko, manomboka amin'ny fanontanian'i Pilato: "Hianao va no Mpanjakan'ny Jiosy?" ka hatramin'ny fanarabian'ireo miaramila, ny famantarana teo ambonin'ny hazo fijaliana sy ny fanesoesoan'ireo mpitondra fivavahana hoe: "namonjy ny sasany izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena", ary ny fisehoana tsy nampoizin'i Josefa avy any Arimatia. Ireo no naneho ny fahamarinana miezinezina momba ny fahafatesan'i Jesôsy sy ny hevitr'izany. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fampidirana
Sun 08 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Faka-tahaka.
Mon 09 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - "Tomoera tsara ao amin’ny Tompo"
Tue 10 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Mifalia mandrakariva amin’i Tompo.
Wed 11 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Hevero izany.
Thu 12 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Ny tsiambaratelon’ny fifaliana.
Fri 13 Feb 2026
Lesona 7: OLOM-PIRENEN’NY LANITRA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal