Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY ANDRO FARANY 

Daty
Sabotsy 31 August 2024

Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar. 12:41-44; Mar. 13:1-32; Dan. 9:24-27; Dan. 7:25; 1 Tes. 4:13-18.

Tsianjery: "Ary amin'izay ny Zanak'olona dia ho hita avy eo amin'ny rahona amin'ny hely lehibe sy ny voninahitra. Ary amin'izay dia haniraka ny anjely lzy, ary hanangona ny olom-boafidiny avy amin'ny vazan-tany efatra hatramin'ny faran'ny tany ka hatramin'ny faran'ny lanitra." - Mar. 13:26,27. 

Tantara fohy ao amin'ny fiafaran'ny Mar. 12 no iantombohan'ny lesona amin'ity herinandro ity, izay anaovan'i Jesôsy fanambarana manan-danja momba ny fihetsika tsotra nataon'ny mpitondratena iray. Ny Mar. 13 anefa no tena ifotoran'ny ampahany betsaka amin'ny lesona mandritra ny herinandro, izay faminaniana manaitra momba ny anjara miandry ny tempolin'i Jerosalema sy ny hafa. Ity toko ity, sy ireo toko mitovy aminy (Mat. 24 sy Lio. 21) dia miresaka momba ny faharavan'i Jerosalema sy ny toe-javatra aorian'izany, eny tonga hatramin'ny fiafaran'izao tontolo izao mihitsy aza.

Ambaran'ny Mar. 13 mazava tsara fa manomboka amin'ny fotoan'ilay mpaminany (Jesôsy) ny faminaniana ka mifarana amin'ny andro farany, dia ny fiaviany fanindroany. Izany rafitra izany dia manaraka izay antsoina hoe "fanazavana ny faminaniana momba ny andro farany araka ny tantara," izay mifanohitra amin'ny fanasokajiana ireny faminaniana ireny ho ao anatin'ny vanim-potoana lasa na koa amin'ny hoavy.

Tahaka ireo fampianarana maro nataon'i Jesôsy ao amin'ny filazantsaran'i Marka, ny fampianaran'ny Tompo dia setrin'ny fanontaniana napetraky ny mpianatra na ny tsy fahatakaran'izy ireo. Ireny fanontaniana sy tsy fahatakaran-javatra ireny no nanome hirika ho an'i Jesôsy hampianarana fahamarinana manan-danja ho an'ny fiainana sy ny fanandramana kristianina. Tsy manambara mialoha ny hoavy fotsiny i Jesôsy fa manome torolalana ho an'ny mpianany tamin'izany sy ankehitriny koa ny amin'ny fomba hiomanany ho amin'ny fiatrehana ireo fitsapana ho avy.

 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.
Sun 04 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Abrahama mpitandrina ny fanekena.
Tue 06 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Isaia ilay mpaminanin’i Filazantsara.
Wed 07 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - DANIELA, ilay mpanampy mahatoky.
Thu 08 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - JAONA Mpanao batisa, manomana vahoaka iray.
Fri 09 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Nantsoina hanao ny asan’ny Mpamonany.l

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 26 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fampidirana.
Sun 27 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Ny fifandrraisana tany Edena.
Mon 28 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Niery an’Andriamanitra.
Tue 29 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mitady ny olombelona Andriamanitra.
Wed 30 Sep 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Voaroaka tao amin’ny saha.
Thu 01 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Mpitondra tenin’Andriamanittra.
Fri 02 Oct 2026
Lesona 1: MITENY AMINTSIKA NY MPAMORONA - Fianarana fanampiny.
Sat 03 Oct 2026
Lesona 2: NY FIANTSOANA HO MPAMINANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal