Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny andron'ny faharatsiana

Daty
Alahady 28 January 2024

Vakio ny Sal. 74:18-22 sy ny Sal. 79:5-13. Inona no lohahevitra resahina eto?

Maniry fatratra ny hahatakatra ny fifanandrinana lehibe eo amin'Andriamanitra sy ny herin'ny ratsy ny mpanao Salamo, ary asongadiny ny fahari-pon'Andriamanitra tsy mety ritra sy ny fahendreny ary ny heriny tsy manam-petra.

Ny olan'ny faharatsiana ao amin'ny Salamo dia ara-teôlôjia voalohany indrindra. Tsy afa-miala amin'ny firesahana momba an'Andriamanitra izany. Fanafintohinana eo imason'Andriamanitra ny faharavan'i Jerosalema sy ny tempoly satria nahatonga ny Jentilisa hiteny ratsy ny Anarany izany. Ny lovan'i Jehovah (ny vahoakan'ny Isiraely) no famantarana ny fifidianan'Andriamanitra sy ny fanekena nataony izay tsy mandiso fanantenana na oviana na oviana (Deo. 4:32-38; Deo. 32:8,9). Ahitana hevitra mifandraika amin'ny andro farany koa ny foto-kevitra mikasika ny lovan'i Jehovah satria indray andro any dia ho tonga lovan'i Jehovah ny firenena rehetra ary hanompo Azy. Ny fanafihan'ny firenena rehetra ny lovan'i Jehovah dia loza mitatao ho an'ireo teny fikasan'Andriamanitra ireo.

Tsy isalasalana ny faneken'ny mpanao Salamo fa ny fahotan'ireo vahoakany no nanimba ny fifandraisan'Andriamanitra sy ny olony araka ny fanekena, ary nahatonga ny vokatr'izany rehetra hianjera tamin'izy ireo (Sal. 79:8,9). Ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra noho ny fahasoavany sy ny famerenana amin'ny laoniny ny fifandraisana araka ny fanekena amin'ny alalan'ny fanavotana noho ny ota irery ihany no iankinan'ny fitohizan'ny fahaveloman'ny olona. Jehovah no "Andriamanitry ny famonjena anay": maneho ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny teny fikasany araka ny fanekena nataony izany (Sal. 79:9).

Zava-dehibe noho ny famerenana amin'ny laoniny ny haren'ny Isiraely anefa ny fiarovana ny toetran'Andriamanitra eto amin'izao tontolo izao (Sal. 79:9). Raha tsy valiana ny asa ratsy ataon'ireo firenen-tsamy hafa dia maneho izany fa verin'Andriamanitra ny fahefana ananany (Sal. 74:18-23; Sal. 83:16-18; Sal. 106:47). Tsy ho voamarina sy hisandratra ny anaran'Andriamanitra raha tsy mamonjy ny olony Izy.

Efa nisy izany fitsipika izany tamin'izany andro izany, tahaka ny amin'izao andro izao ihany. Ny fahotantsika sy ny fihemorantsika ary ny faharatsiantsika dia tsy hanala baraka antsika irery ihany, fa ny ratsy indrindra dia hitondra fahafaham-baraka ho an' Andriamanitra izay torintsika izany. Mety hitera-bokatra manimba ara-panahy eo amin'ny fijoroana ho vavolombelona sy ny asa atao ny zavatra tsy mety ataontsika. Firifiry moa ny olona niala tamin'ny finoantsika noho ny zavatra nataon'ireo izay mitonona ho Kristianina?

"Voafaoka ao amin'ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin'ny vahoakany ny voninahitr' Andriamanitra sy ny voninahitr'i Kristy."- IFM, t. 725. Ahoana ny fahatakaranao izany fahamarinana manan-danja izany, ary inona no tokony ho hevitr'izany eo amin'ny fiainana maha-Kristianina anao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal