Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY BATISAN'I JESÔSY

Daty
Alarobia 03 July 2024

Vakio ny Mar. 1:9-13. Iza no nanatrika ny batisan'i Jesôsy, ary inona nitranga tamin'Izay?

Nataon'i Jaona batisa teo amin'ny ony Jordana i Jesôsy, ary rehefa niakatra avy tao amin'ny rano Izy dia nahita ny lanitra nisokatra sy ny Fanahy Masina nidina teo amboniny tahaka ny voromailala. Reny avy tany an-danitra ny feon'Andriamanitra nanao hoe: "Hianao no Zanako malalako, Hianao no sitrako." -Mar. 1:11.

Manondro ny maha-zava-dehibe ny batisan'i Jesôsy ireo tranga ireo. Manatrika izany ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina, Izay samy manambara ny fanombohan'ny asa fanompoan'i Jesôsy. Hamafisina ny maha- manan-danja io tranga io ao amin'ny Mar. 15, izay mitantara momba ny hazo fijaliana sy ny zava-niseho manodidina izany. Singa maro ao amin'io tantaran'ny batisan'i Jesôsy io no hita miverina ao.

"Nampandehanin'ny" Fanahy Masina ho any an'efitra i Jesõsy. Ny hoe "nampandehaniny" dia avy amin'ny teny grika hoe ekballő, izay ampiasaina koa iresahana momba ny famoahana demonia ao amin'ny bokin'i Marka. Maneho ny herin'ny Fanahy Masina eo amin'ny fiainan'i Jesôsy ny fanatrehan'ny Fanahy eto. Manomboka ny diany i Jesôsy, hanatanteraka ny asany, ary avy hatrany dia mifanehatra amin'i Satana Izy. Maneho ny tolona nataony ny filazana ny amin'ny 40 andro nakana fanahy Azy, sy ny fisian'ny bibidia, ary ny anjely nanompo Azy.

Anisan'ny mampiavaka ny teny fampidirana ny Filazantsaran'i Marka ny fanehoana an'i Jesôsy ho Andriamanitra no sady olombelona. Izao no maha- Andriamanitra azy: Izy no Kristy, Ilay Mesia (Mar. 1:1), Izy no Jehovah Izay ambaran'ny iraka ny fahatongavany (Mar. 1:2,3), Izy Ilay mahery noho i Jaona (Mar. 1:7), Ilay Zanaka malalan'Andriamanitra, Izay nidinan'ny Fanahy Masina teo amboniny (Mar. 1:10,11). Ary izao kosa no maha-olombelona Azy: nataon'i Jaona batisa Izy (fa tsy ny mifamadika amin'izay, Mar. 1:9), nampandehanin'ny Fanahy (Mar. 1:12), nalain'i Satana fanahy (Mar. 1:13), teo amin'ny bibidia (Mar. 1:13), ary nampian'ny anjely (Mar. 1:13).

Nahoana no aseho ireo lafiny roa ireo? Maneho ny maha-lzy an'i Kristy mahagaga izany, Izay Tompo sy Mpamonjy antsika, Andriamanitsika, kanefa koa olombelona, Izay rahalahy (anadahy) sy Ohatra ho antsika. Ahoana no hahatakarantsika izany hevitra izany? Tsy vitantsika izany saingy ekentsika amim-pinoana; ary ny fanehoan'io fahamarinana io ny fitiavan'Andriamanitra ny taranak'olombelona dia mahatalanjona antsika.

Andriamanitra i Jesôsy , kanefa nandray teo Aminy ny maha- olombelona mba hamonjena antsika. Inona no ambaran'izany amintsika momba ny fitiavan' Andriamanitra mahagaga?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 14 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fampidirana
Sun 15 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita.
Mon 16 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lahimatoa talohan’izao zavatra ary rehetra izao.
Tue 17 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Lohan’ny fiangonana.
Wed 18 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Ilay "Voalohany"(no sady Loha).
Thu 19 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Mampihavana ny rehetra aminy.
Fri 20 Feb 2026
Lesona 8: I KRISTY, AMBONIN'NY ZAVATRA REHETRA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (24)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal