Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAGAGANA TAMIN'NY "POURIM"

Daty
Alakamisy 21 December 2023

Hatramin'ny an'arivo taona maro, ireo mpandinika ny Baiboly dia nahatsikaritra fa tsy ao anatin'ny bokin'i Estera ny anaran' Andriamanitra. Io no hany boky misy toe-javatra toy izany. Na izany aza dia nanaiky ny asa nataon'Andriamanitra tao amin'ny fanafahana lehibe izay nomena azy ny Jiosy, ary nofidin'ny vahoakan' Andriamanitra mba hampidirina ao amin'ny Baiboly io boky io.

Moa ve isika mahita ny fanatrehan Andriamanitra amin'ny eo flainantsika andavanandro? Mety hiseho ho toy ny toe-javatra mandeha ho azy sy araka ny tokony ho izy ny flasan'Andriamanitra, ary raha tsy miraika amin'izany isika dia tsy hahatsikaritra ny fanatrehan' Andriamanitra.a

Vakio ny Est. 9:1-12. Inona no vokatry ny ezaka nataon'i Estera?

Endrika tsy mahazatra no nisehoan'ny fahagagana tamin'ny Pourim. Niafina sy voasarona tao anatin'ny tranga mahazatra ilay fahagagana. Tsy novana ilay didy nampandringana ny Jiosy saingy didy iray hafa no nosoratana mba hanomezan-dalana ny Jiosy hiaro tena.

Mariho koa izay nitranga sy ny fomba nahazoan Andriamanitra niasa tamin'ny alalan'ireo toe-javatra ireo. Nahatsikaritra ny fidiran' Andriamanitra an-tsehatra ho an'ny Jiosy ireo Persianina.
Ary ny vokany?

"Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy". Est. 8:17. Ohatra lehibe ny amin'ny fomba ahafahan'ny Tompo miasa mba hitondrana ireo fanahy very hahalala Azy izany. Niaiky ireo mpitarika ny vahoaka jiosy fa niasa Andriamanitra. Rehefa nahazo fandresena tamin'ny fahafahany niaro tena ireo vahoaka jiosy dia nanokana fotoana iray tao anatin'ny taona (antsoina hoe Pourim) izy ireo ho fahatsiarovana sy ho fankalazana izany fandresena izany. Hatramin'izao fotoana izao dia natokana hisaorana an'Andriamanitra, araka ny fomban- drazana jiosy, ho fahatsiarovana ny fanafahana nataony ireo andro ireo.

Fanamby: Mivavaha mba hanomezan' Andriamanitra anao faharisihana, amin'ity herinandro ity, hizara ny zavatra nataony taminao amin'ny anankiray amin'ireo olona ao amin'ny lisitry ny vavaka.

Manaova fihaikana: Manomboha manao diary ho an'ny zavatra madinika (na lehibe) manokana nataon'Andriamanitra ho anao. Vakio indray izany ary mivavaha mba hampahatsiahivan' Andriamanitra anao ireo zavatra tsara amin'ny fotoana mety hahafahanao mizara izany amin'ny hafa

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY -

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (65)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal