Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FAHAVETAVETAN'NY FANDRAVANA

Daty
Talata 03 September 2024

Vakio ny Mar. 13:14-18. Ahoana no ahafantarana ny tian'i Jesôsy hambara amin'ny hoe "fahavetavetan'ny fandravana"?

Tonga eo amin'ny teboka manan-danja mikasika' ny faharavan'i Jerosalema i Jesôsy ao amin'ny Mar. 13:14. Miresaka momba ny "fahavetavetan'ny fandravana" lzy. Nambaran'ny Tompo fa tokony hahatakatra ny mpamaky. Nampitodika ny sain'ireo mpianatra amin'ny bokin'i Daniela lzy tamin'ireo teny ireo. Hita ao amin'ny Dan. 9:27, Dan. 11:31 ary ny Dan. 12:11 mantsy ireo teny ireo, ary koa ao amin'ny Dan. 8:13.

Vakio ny Dan. 9:26,27. Iza ilay "voahosotra", ary iza ilay "mpanjaka izay ho avy"?

Ny teny hebreo hoe me'iab (Mesia amin'ny teny malagasy) no ilay "voahosotra" ao amin'ny Dan. 9:26. Rehefa halalinina tsara ny Dan. 9:24-27 dia mazava fa manondro an'i Jesôsy Kristy ilay ho avy io voahosotra io.

Iza moa ilay "mpanjaka izay. ho avy", izay mitondra fandravana ho an'ny tanànan'i Jerosalema? Ny jeneraly rômanina Titosy no nandrava ny tanàna. Toa lôjika, araka izany, raha izy no "mpanjaka izay ho avy' resahin'ny Dan. 9:26,27. Mifandray ireo olona roa ireo satria izay natao tamin'ny Mesia no niantso ny fitsarana ho amin'ilay tanàna.

Inona àry izany "fahavetavetan'ny fandravana" izay nambaran'i Jesôsy, araka ny voalazan'i Daniela, izany? Indrisy fa manam-pahaizana maro no mihevitra fa ny fandotoan'i Antiochus Epiphane ny tempoly tamin'ny taonjato faharoa TIK no tondroina amin'izany fahavetavetana izany. Tsy izany anefa no izy. Nambaran'i Jesôsy fa toe-javatra hiseho aoriany izany "fahavetavetan'ny fandravana" izany, ka tsy azo heverina ho manondro toe-javatra tamin'ny taonjato roa talohan'ny asa fanompoan'i Kristy mihitsy izany.

Tsy inona no notondroin'ny fahavetavetan'ny fandravana fa ny fananganana ny fanevan'ny Rômanina jentilisa tao Isiraely nandritra ny fanaovana fahirano an'i Jerosalema tamin'ny faramparan'ny taona 60 TrK. Izany no famantarana ny amin'ny tokony handosiran'ny Kristianina, ary nanao izany tokoa izy ireo. Tahaka izay efa nanambaran'i Jesôsy azy mialoha dia rava tokoa i Jerosalema.

Ahoana no hianarantsika mitoky Aminy sy ny Baiboly amin'ireo fanambarana mialoha rehetra voalazany?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny
Sat 08 Nov 2025
Lesona 7: FAHATOKIΑΝΑ ΤΑΝΤERAKA: FIANKOHOFANA AO ANATIN'NY ADY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 15 Nov 2025
Lesona 8: JOSOA SY KALEBA, OLO-MALAZAN'NY FINOANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal