Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fahefan'Andriamanitra eo amin'ny tantara

Daty
Alakamisy 07 March 2024

Vakio ny Sal. 135. Inona ireo tranga ara-tantara asongadina eto? Inona avy ireo lesona tsoahin'ny mpanao Salamo avy amin'izany?

Miantso ny vahoakan'Andriamanitra hidera ny Tompo ny Sal. 135 noho ny fahatsarany sy ny fahatokiany izay hita porofo ao amin'ny Famoronana (Sal. 135:6,7), sy ny tantaran'ny namonjeny ny Isiraely tamin'ny Egiptianina (Sal. 135:8,9), ary ny nakany ny Tany Nampanantenaina (Sal. 135:10-12).

Nampiseho ny fahasoavany Andriamanitra tamin'ny nifidianany ny vahoaka Isiraely ho rakitra soa ho Azy (Sal. 135:4). Maneho ny fifandraisam-panekena miavaka misy eo amin'ny Tompo sy ny vahoakany ny hoe "rakitra soa" (Deo. 7:6-11; 1 Pet. 2:9,10). Noho ny sitrapon'Andriamanitra manapaka ny zavatra rehetra no nahatonga ny fifidianana ny vahoaka Isiraely, ary araka izany dia tsy misy na inona na inona avy amin'ny Isiraely tokony hahatonga azy hahatsiaro ny tenany ho ambony noho ny vahoaka hafa. Aseho ao amin'ny Sal. 135:6,7 fa tsy nanomboka tamin'ny Isiraely tsy akory ny fikasan'Andriamanitra hamonjy ny taranak'olombelona fa hatrany amin'ny Famoronana. Noho izany dia tokony hanatanteraka amim-panetren-tena ny andraikitra voatendry hataony ao anatin'ny drafi-pamonjen'Andriamanitra an'izao tontolo izao ny Isiraely.

Ny fitantarana ireo zava-dehibe nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany (Sal. 135:8-13) dia tonga amin'ny faratampony miaraka amin'ilay fanomezan- toky fa "hitsara" ny olony Andriamanitra ary hangoraka azy ireo (Sal. 135:14). Ny fitsarana resahina eto dia ny fanomezan'Andriamanitra rariny ireo ory sy mijaly (Sal. 9:4; Sal. 7:8; Sal. 54:1; Dan. 7:22; Deo. 32:36). Koa miantso ny vahoakan'Andriamanitra ny Sal. 135 mba hatoky ny Tompo sy hitoetra ho mahatoky amin'ny fanekeny.

Mahatonga ny mpanao Salamo hanamafy ny maha zava-poana ny sampy sy ny maha-Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka an'i Jehovah eto amin'izao tontolo izao ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny vahoakany (Sal. 135:15-18). Ny fianteherana amin'ny sampy dia mahatonga ny mpivavaka tsy hanam-panantenana sy tsy hanan-kery, tahaka ny sampiny ihany (Sal. 135:18). Asehon'io Salamo io fa natao hoderaina amin'ny maha-Mpamorona sy Mpamonjy ny vahoakany Azy i Jehovah. Voaseho mazava izany hevitra izany ao amin'ny didy fahefatra izay ambaran'ny Baiboly amin'ny fomba anankiroa: ny iray ao amin'ny Eks. 20:8-11, ary ny iray ao amin'ny Deo. 5:12-15. Andriamanitra irery no natao hiankohofana, ary na inona na inona, na iza na iza ankoatra Azy dia sampy.

Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy manana sampy isika eo amin'ny fiainantsika? Nahoana no mora tokoa, tsy araka izay mety hiheverantsika azy, ny manompo sampy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal