Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fahefan'Andriamanitra eo amin'ny tantara

Daty
Alakamisy 07 March 2024

Vakio ny Sal. 135. Inona ireo tranga ara-tantara asongadina eto? Inona avy ireo lesona tsoahin'ny mpanao Salamo avy amin'izany?

Miantso ny vahoakan'Andriamanitra hidera ny Tompo ny Sal. 135 noho ny fahatsarany sy ny fahatokiany izay hita porofo ao amin'ny Famoronana (Sal. 135:6,7), sy ny tantaran'ny namonjeny ny Isiraely tamin'ny Egiptianina (Sal. 135:8,9), ary ny nakany ny Tany Nampanantenaina (Sal. 135:10-12).

Nampiseho ny fahasoavany Andriamanitra tamin'ny nifidianany ny vahoaka Isiraely ho rakitra soa ho Azy (Sal. 135:4). Maneho ny fifandraisam-panekena miavaka misy eo amin'ny Tompo sy ny vahoakany ny hoe "rakitra soa" (Deo. 7:6-11; 1 Pet. 2:9,10). Noho ny sitrapon'Andriamanitra manapaka ny zavatra rehetra no nahatonga ny fifidianana ny vahoaka Isiraely, ary araka izany dia tsy misy na inona na inona avy amin'ny Isiraely tokony hahatonga azy hahatsiaro ny tenany ho ambony noho ny vahoaka hafa. Aseho ao amin'ny Sal. 135:6,7 fa tsy nanomboka tamin'ny Isiraely tsy akory ny fikasan'Andriamanitra hamonjy ny taranak'olombelona fa hatrany amin'ny Famoronana. Noho izany dia tokony hanatanteraka amim-panetren-tena ny andraikitra voatendry hataony ao anatin'ny drafi-pamonjen'Andriamanitra an'izao tontolo izao ny Isiraely.

Ny fitantarana ireo zava-dehibe nataon'Andriamanitra ho an'ny vahoakany (Sal. 135:8-13) dia tonga amin'ny faratampony miaraka amin'ilay fanomezan- toky fa "hitsara" ny olony Andriamanitra ary hangoraka azy ireo (Sal. 135:14). Ny fitsarana resahina eto dia ny fanomezan'Andriamanitra rariny ireo ory sy mijaly (Sal. 9:4; Sal. 7:8; Sal. 54:1; Dan. 7:22; Deo. 32:36). Koa miantso ny vahoakan'Andriamanitra ny Sal. 135 mba hatoky ny Tompo sy hitoetra ho mahatoky amin'ny fanekeny.

Mahatonga ny mpanao Salamo hanamafy ny maha zava-poana ny sampy sy ny maha-Tompon'ny tompo sy Mpanjakan'ny mpanjaka an'i Jehovah eto amin'izao tontolo izao ny fahatokian'Andriamanitra amin'ny vahoakany (Sal. 135:15-18). Ny fianteherana amin'ny sampy dia mahatonga ny mpivavaka tsy hanam-panantenana sy tsy hanan-kery, tahaka ny sampiny ihany (Sal. 135:18). Asehon'io Salamo io fa natao hoderaina amin'ny maha-Mpamorona sy Mpamonjy ny vahoakany Azy i Jehovah. Voaseho mazava izany hevitra izany ao amin'ny didy fahefatra izay ambaran'ny Baiboly amin'ny fomba anankiroa: ny iray ao amin'ny Eks. 20:8-11, ary ny iray ao amin'ny Deo. 5:12-15. Andriamanitra irery no natao hiankohofana, ary na inona na inona, na iza na iza ankoatra Azy dia sampy.

Ahoana no hahazoantsika antoka fa tsy manana sampy isika eo amin'ny fiainantsika? Nahoana no mora tokoa, tsy araka izay mety hiheverantsika azy, ny manompo sampy?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal