Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANASITRANANA ILAY MARARIN'NY PARALYSISA

Daty
Alahady 14 July 2024

Vakio ny Mar. 2:1-12. Inona no notadiavin'ilay mararin'ny paralysisa raha nentina ho eo amin'i Jesôsy izy? Ary inona no azony?

Malemy tsy afa-mihetsika ity lehilahy ity, koa ny namany efa-dahy no tsy maintsy nitondra azy ho eo amin'i Jesôsy. Rehefa nanongotra ny tafon-trano izy ireo mba hampidinana ny namany marary marary h ho amin'i Jesôsy, dia hitan'i Jesôsy eo ny finoan'ireo, araka ny voalaza ao amin'ny Mar. 2:5. Mety ho hita maso ve ny finoana? Tahaka ny fitiavana dia hita amin'ny asa atao izany. Eto dia hita mazava ny fikirizan'ireto namany efa-dahy ireto.

Miharihary fa fahasitranana ara-batana no notadiavin'ilay lehilahy. Raha vao tonga teo anatrehan'i Jesôsy anefa izy dia teny manambara famelan-keloka no notononin'i Jesõsy voalohany. Tsy niteny na indraim-bava aza ilay lehilahy mandritra ny tantara manontolo. Ireo mpitondra fivavahana kosa no nanao fanamarihana (tao an-tsainy) momba ny teny nolazain'i Jesôsy. Fitenenan-dratsy an'Andriamanitra no nandraisan'izy ireo ny tenin'i Jesôsy, ary fakana ny fahefana izay an'Andriamanitra irery ihany.

Ny fomba fanehoan-kevitra fampiasan'ny raby ihany no namalian'i Jesôsy ireto mpanohitra Azy ireto, dia ilay hoe: "Iza no moramora kokoa (...)" - Mar. 2:9, izay miainga amin'ny moramora kokoa ho amin'ny sarotsarotra kokoa. Zavatra iray ny milaza amin'ny olona hoe voavela ny helony, ary zavatra iray hafa koa ny mampitsangana sy mampandeha olona iray mararin'ny paralysisa. Satria hain'i Jesôsy ny manasitrana ilay lehilahy amin'ny herin'Andriamanitra, dia voamarina ny fanambarany fa mahavela heloka tokoa Izy.

Vakio ny Mika 6:6-8. Ahoana no anazavan'ireo andininy ireo ny fifanolanana teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana?

Hadinon'ireto mpitarika fivavahana ireto ny tena zava-manan-danja marina, dia ny manao ny marina sy ny tia famindrampo ary ny manaraka an'Andriamanitra amin'ny fanetren-tena. Seriny loatra izy ireo nanamarina ny fahafantarany an'Andriamanitra, hany ka jamba tsy nahita ny asan'Andriamanitra niseho teo ambanin'ny masony. Tsy misy milaza ao amin'ny lahatsoratra fa niova ny fisainan'izy ireo momba an'i Jesôsy, na dia rehefa avy nanome porofo mazava aza i Jesôsy mba hahafantaran'izy ireo fa avy amin'Andriamanitra Izy. Tsy vitan'ny hoe nataon'i Jesôsy izay nahafantarany fa mahay mamaky ny ao an-tsainy Izy (izay zavatra tsy mora), fa nositraniny teo imason'izy ireo koa ilay mararin'ny paralysisa, tamin'ny fomba izay tsy azony nolavina.

Ahoana no hitandremantsika mba tsy ho latsaka amin'ny fandrika izay nahazo ireto olona ireto, mba tsy ho seriny loatra amin'ny fombafombam- pivavahana ka manadino ny tena zava-dehibe ao amin'ny fivavahana marina (Jak. 1:27)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.
Sat 09 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Sun 10 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Elia nivavaka tao anatin’ny fotoan-tsarotra.
Mon 11 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Rehefa toy ny tsy ahazoam-baliny ny vavaka.
Tue 12 May 2026
Lesona 11 : OLANA SY FAHAVOAZANA MARO SAMIHAFA -
Tue 12 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Mampianatra antsika hivavaka i Jesôsy.
Wed 13 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fiderana,fiaiken-keloka,fangatahana ary fisaorana.
Thu 14 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fanontaniana maromaro mikasika ny vavaka.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 02 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fampidirana.
Sun 03 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Daniela mahatoky.
Mon 04 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Ny fihetsika eo am-pivavahana.
Tue 05 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nandeha no niresaka i Enoka.
Wed 06 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Mosesy, Mpitarika manana toe-panahy araka an’Andriamanitra.
Thu 07 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Nifona ho an’ny firenena i Mosesy.
Fri 08 May 2026
Lesona 6: MPITOLONA AMIM-BAVAKA - Fianarana fanampiny.
Sat 09 May 2026
Lesona 7: VAVAKA IAINANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 16 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fampidirana.
Sun 17 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Omeo famantarana fotsiny.
Mon 18 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Tue 19 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Tsy fihetseham-po ny finoana.
Wed 20 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ohatra amin’ny finoana.
Thu 21 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Ny finoana an’i Jesôsy.
Fri 22 May 2026
Lesona 8: MANANA FINOANA - Fianarana fanampiny.
Sat 23 May 2026
Lesona 9: NY FAHOTANA, NY FILAZANTSARA ARY NY LALANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal