Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANASITRANANA ILAY MARARIN'NY PARALYSISA

Daty
Alahady 14 July 2024

Vakio ny Mar. 2:1-12. Inona no notadiavin'ilay mararin'ny paralysisa raha nentina ho eo amin'i Jesôsy izy? Ary inona no azony?

Malemy tsy afa-mihetsika ity lehilahy ity, koa ny namany efa-dahy no tsy maintsy nitondra azy ho eo amin'i Jesôsy. Rehefa nanongotra ny tafon-trano izy ireo mba hampidinana ny namany marary marary h ho amin'i Jesôsy, dia hitan'i Jesôsy eo ny finoan'ireo, araka ny voalaza ao amin'ny Mar. 2:5. Mety ho hita maso ve ny finoana? Tahaka ny fitiavana dia hita amin'ny asa atao izany. Eto dia hita mazava ny fikirizan'ireto namany efa-dahy ireto.

Miharihary fa fahasitranana ara-batana no notadiavin'ilay lehilahy. Raha vao tonga teo anatrehan'i Jesôsy anefa izy dia teny manambara famelan-keloka no notononin'i Jesõsy voalohany. Tsy niteny na indraim-bava aza ilay lehilahy mandritra ny tantara manontolo. Ireo mpitondra fivavahana kosa no nanao fanamarihana (tao an-tsainy) momba ny teny nolazain'i Jesôsy. Fitenenan-dratsy an'Andriamanitra no nandraisan'izy ireo ny tenin'i Jesôsy, ary fakana ny fahefana izay an'Andriamanitra irery ihany.

Ny fomba fanehoan-kevitra fampiasan'ny raby ihany no namalian'i Jesôsy ireto mpanohitra Azy ireto, dia ilay hoe: "Iza no moramora kokoa (...)" - Mar. 2:9, izay miainga amin'ny moramora kokoa ho amin'ny sarotsarotra kokoa. Zavatra iray ny milaza amin'ny olona hoe voavela ny helony, ary zavatra iray hafa koa ny mampitsangana sy mampandeha olona iray mararin'ny paralysisa. Satria hain'i Jesôsy ny manasitrana ilay lehilahy amin'ny herin'Andriamanitra, dia voamarina ny fanambarany fa mahavela heloka tokoa Izy.

Vakio ny Mika 6:6-8. Ahoana no anazavan'ireo andininy ireo ny fifanolanana teo amin'i Jesôsy sy ireo mpitondra fivavahana?

Hadinon'ireto mpitarika fivavahana ireto ny tena zava-manan-danja marina, dia ny manao ny marina sy ny tia famindrampo ary ny manaraka an'Andriamanitra amin'ny fanetren-tena. Seriny loatra izy ireo nanamarina ny fahafantarany an'Andriamanitra, hany ka jamba tsy nahita ny asan'Andriamanitra niseho teo ambanin'ny masony. Tsy misy milaza ao amin'ny lahatsoratra fa niova ny fisainan'izy ireo momba an'i Jesôsy, na dia rehefa avy nanome porofo mazava aza i Jesôsy mba hahafantaran'izy ireo fa avy amin'Andriamanitra Izy. Tsy vitan'ny hoe nataon'i Jesôsy izay nahafantarany fa mahay mamaky ny ao an-tsainy Izy (izay zavatra tsy mora), fa nositraniny teo imason'izy ireo koa ilay mararin'ny paralysisa, tamin'ny fomba izay tsy azony nolavina.

Ahoana no hitandremantsika mba tsy ho latsaka amin'ny fandrika izay nahazo ireto olona ireto, mba tsy ho seriny loatra amin'ny fombafombam- pivavahana ka manadino ny tena zava-dehibe ao amin'ny fivavahana marina (Jak. 1:27)?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana
Sun 07 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fanoloran-tena
Mon 08 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fiampangana
Tue 09 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Mbola mibahana ao an-tsaina ny lasa
Wed 10 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famaliana Mora
Thu 11 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Famahana ny fifandirana
Fri 12 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fianarana fanampiny
Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny
Sat 06 Dec 2025
Lesona 11: MONINA EO AMIN’NY TANY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO!: Fampidirana

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (68)
  • August 2024 (106)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal