Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY FANDRESEN'NY FITIAVAN'ANDRIAMANITRA

Daty
Sabotsy 22 June 2024

Hodinihina mandritra ny andro: Apôk. 22:11,12; Jer. 30:5-7; Sal. 91:1-11; Jer. 25:33; Apôk. 21:2; Apôk. 20:11-15.

Tsianjery: "Ary nahare feo mahery avy teo amin'ny seza fiandrianana aho nanao hoe: Indro, ny tabemakelin' Andriamanitra dia eo amin'ny olona, ary Izy hitoetra eo aminy, ary ireo ho olony, ary Andriamanitra no hitoetra eo aminy, dia ho Andriamaniny. Ary hofafany ny ranomaso rehetra amin'ny masony; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo, na fitarainana, na fanaintainana; fa efa lasa ny zavatra taloha."- Apôk. 21:3,4. 

Azontsika atao ny miatrika ny hoavy amin'ny fo feno fanantenana. Na dia hisy aza ny fotoan-tsarotra, na inona na inona fahoriana tsy maintsy holalovantsika, na inona na inona zava-tsarotra tsy maintsy hiaretantsika, na inona na inona alahelo tsapantsika, raha manantena isika fa ho avy ny andro tsara kokoa, dia hiaina fiainana misy heviny sy tanjona ary feno fifaliana isika ankehitriny. Filoham-pirenen'i Etazonia nanomboka tamin'ny 1933 haramin'ny 1945 i Franklin D. Roosevelt, anisan'ny vanim-potoana sarotra indrindra teo amin'ny tantaran'i Etazonia izany. Nalemy vokatry ny polio izy ary tsy afaka nandeha raha tsy nisy mpanampy. Izao no nosoratany indray andro: "Isika dia nifikitra mandrakariva tamin'ny fanantenana, sy ny finoana ary ny faharesen-dahatra fa misy tontolo tsara kokoa any ambadiky ny faravodilanitra." I Albert Einstein indray, izay anankiray amin'ireo lehilahy manam-pahaizana indrindra teto an-tany, dia nanoratra hoe: "Mianara amin'ny omaly, iaino ny anio, ary antenao ny ampitso." Izao kosa no nosoratan'ny pôeta anglisy fanta-daza nandritra ny fanjakan'ny mpanjakavavy Victoria, Alfred Lord Tennyson: "Mitsiky eo an-tokonan'ny taona vao mitsidika ny fanantenana, ary mibitsibitsika hoe: 'ho taona sambatra kokoa ity.'"

Ao anatin'ity lesona farany amin'ity telovolana ity no hahitantsika ny fitiavana tsy miova ananan'i Kristy tao anatin'ny fotoana nihotakotaka indrindra teo amin'ny tantaran'izao rehetra izao, ary hahitantsika koa ny fandreseny feno sy tanteraka eo amin'ny fifanandrinana lehibe ifanaovan’ny tsara sy ny ratsy. Ny boky farany ao amin'ny Baiboly, ny Apôkalipsy, dia manome fanantenana ho antsika, anio sy rahampitso ary mandrakizay. 

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fampidirana
Sun 19 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Komandin’ny miaramilan’i Jehôvah
Mon 20 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ady tany an-danitra
Tue 21 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah dia mpiady mahery
Wed 22 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Jehôvah hiady ho anareo
Thu 23 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Ny safidy tsara indrindra faharoa
Fri 24 Oct 2025
Lesona 4: ILAY ADY AO AMBADIKY NY ADY REHETRA - Fianarana fanampiny
Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (54)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal