Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Ny fitahiana avy amin'ny fiainan-pahamarinana

Daty
Alakamisy 22 February 2024

Vakio ny Sal. 1:1-3, Sal. 112:1-9, sy ny Sal. 128.

Azo inoana fa ny fiadanana no anisan'ny fitahiana lehibe indrindra amin'ireo fitahiana maro omena ny olona izay manome haja ambony ny Tompo. Oharin'ny Sal. 1 amin'ny hazo ambolena eo amoron'ny rano velona, izay mamoa amin'ny fotoany, ary ny raviny koa tsy mba malazo, ny olo-marina (Sal. 1:3; Jer. 17:7,8; Ezek. 47:12). Manambara io fampitahana io fa ny mitoetra eo ambanin'ny fanatrehan'Andriamanitra sy ny fananana fifandraisam-pitiavana tsy tapaka amin'Andriamanitra no loharanon'ny fitahiana rehetra. Tsy tahaka ny ratsy fanahy izay oharina amin'ny akofa, tsy marin-toerana sady tsy manana hoavy, ny olo- marina, fa toy ny hazo mamoa sy mamaka ary mitoetra eo anilan'Andriamanitra sy ny fiainana mandrakizay.

on Mampahatsiahy ireo fitahiana ao amin'ny fanjakan'ny Mesia ny Sal. 128:2,3, izay manambara fa midika fiadanana sy fanambinana ny fipetrahana eny ambanin'ny voaloboka sy ny aviavin'ny tena (Mika 4:4). Maneho fanantenana ny Mesia Izay hamongotra ny ratsy sy hitondra fiadanana ho an'izao tontolo izao ny fitahiam-piadanana notononina ho an'i Jerosalema (Sal. 122:6-8; Sal. 128:5,6).

"Ao amin'ny Baiboly ny lovan'ny voavonjy dia atao hoe: «taniny». Ary Ilay Mpiandry ondrin'ny lanitra no mitarika ny andian'ondry ho eo amin'ny loharanon'ny ranon'aina. Mamoa isam-bolana ny hazon'aina, ary ny ravin'ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena. Misy renirano mikoriana lalandava, tahaka ny vato kristaly, ary eo amin'ny andaniny roa dia misy hazo manofahofa ny raviny manalokaloka ny lalana namboarina ho an'ny navotan'i Jehovah. Ao ireo lohasaha midadasika dia misandratra ho havoana mahafinaritra, sy ireo tendrombohitr'Andriamanitra mampisondrotra irony tendrony mijoalajoala. Eo amin'ireo lohasaha mandry, fahizay ireo, eny amoron'ireo rano velona no nahita fonenana ny vahoakan'Andriamanitra, izay efa ela no naha-mpivahiny sy mpirenireny azy."- HM, t. 702.

Ambaran'ny TV fa amin'ny fiavian'i Kristy fanindroany, rehefa hoforonina ilay tontolo vaovao (Mat. 26:29; Apôk. 21), no hahatanteraka izany fanantenana zany. Koa na mandray fitahiana maro aza ny olo-marina eto amin'ity fiainana ity, dia amin'ny andro farany, rehefa tafaorina tanteraka ny fanjakan'Andriamanitra, no hisitrahan'izy ireo amin'ny fahafenoany ny fahasoavan'Andriamanitra.

Noho ny hazo fijaliana sy izay nitranga teo dia azo antoka ireo teny ikasana ao amin'ny TV momba ny zavatra izay efa nomanin'Andriamanitra ho antsika; nahoana? Ahoana no andraisantsika fampaherezana avy amin'ireo teny fikasana ireo na dieny ankehitriny aza?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana
Sun 30 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ireo tandindona ao amin'ny baiboly
Mon 01 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA: Ny tandindona sy ny tena izy
Tue 02 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa ilay tandindona
Wed 03 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Ilay tena Josoa, ilay tena izy
Thu 04 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Josoa sy isika
Fri 05 Dec 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 22 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana
Sun 23 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Edena sy Kanana
Mon 24 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny tany amin’ny maha fanomezana azy.
Tue 25 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fihaikana teo amin’ilay tany
Wed 26 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny jobily
Thu 27 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampodiana ho amin’ny tany
Fri 28 Nov 2025
Lesona 9: MPANDOVA NY TENY FIKASANA, MPIFATOTRA MANANA NY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny
Sat 29 Nov 2025
Lesona 10: ILAY TENA JOSOA - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (6)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal