Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

NY NIANTSOANA AN'I LEVY SY NY AMIN'NY FIFADIAN-KANINA

Daty
Alatsinainy 15 July 2024

Vakio ny Mar. 2:13-22. Iza moa i Levy zanak'i Alfeo, ary nahoana no niteraka adihevitra ny nandraisana azy ho mpianatr'i Jesôsy?

Ny mpamory hetra tamin'ny andron'i Jesôsy dia olon-tsotra, mpiasa ter ambanin'ny fahefan'ny fitondram-panjakana romanina. Nankahalaina teo amin'ny fiarahamonina jiosy tany Jodia izy ireo satria matetika no naka vola mihoatra noho izay tokony halainy, ka nanjary nanan-karena noho ny fangalarana amin'ny mpiray firenena aminy. Misy fanazavana jiosy momba ny lalana ara-pivavahana ao amin'ny "Mishnah tractate Tohoroth" manao hoe: "Raha miditra ao amin'ny trano iray ny mpamory hetra dia tonga maloto avokoa ny trano sy izay rehetra ao anatiny (...)"

Koa tsy mahagaga raha nanao teny feno tsy fankasitrahana tamin'ny mpianatra ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Miara-mihinana sy misotro amin'ny mpamory hetra sy ny mpanota Izy!"

Inona no nasetrin'i Jesôsy izany? Tsy nolaviny izany, fa nohazavainy kosa fa tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary. Dia toy izany no nanehoany ny Tenany ho mpitsabo ny fanahy, Izay mahay manasitrana ny aretim-pahotan'ny fanahy. Koa tsy tokony ho any amin'izay misy ny marary ve no misy ny dokotera koa?

Miresaka lohahevitra vaovao indray ny Mar. 2:18-22. lo tantara io no eo afovoan'izy dimy, izay samy ahitana fifanoherana. Miresaka fiaraha-misakafo, izay fanasana nataon'i Levy, ny tantara eo alohany. Fa ity tantara ity kosa dia miresaka momba ny fifadian-kanina. Nipetraka ny fanontaniana hoe: nahoana ny mpianatr'i Jesôsy no tsy mifady kanefa ny mpianatr'i Jaona mpanao batisa sy ny mpianatry ny Fariseo kosa mifady? Nanao sary an'ohatra na fanoharana i Jesôsy ho setrin'izany. ka nohariny amin'ny fanasana amin'ny fampakaram-bady ny fanatrehan'ny Tenany. Ho hafahafa tokoa raha mifady hanina avokoa ny olona rehetra nasaina ho amin'ny fampakaram-bady. Kanefa eto dia milaza mialoha i Jesôsy fa ho avy ny andro izay hanalana ny mpampakatra tsy ho eo amin'izy ireo - toy izany no niresahany momba ny hazo fijaliana - ka amin'izay dia hisy tokoa ny fotoana hifadian-kanina.

Notohizan'i Jesôsy tamin'ny sary an'ohatra roa manasongadina ny fifanoheran'ny fampianarany amin'ny an'ireo mpitondra fivavahana izany: dia ny fanjairana tapa- damba tsy mbola voalona amin'ny lamba tonta, ary ny fanisiana divay vaovao ao anaty siny hoditra tonta. Mahaliana tokoa io fomba fampitahana ny fampianarani Kristy amin'ny fampianaran'ny Fariseo io. Maneho izany fa niharatsy tokoa ny fomban'ireto mpampianatra ireto. Na ny fivavahana marina aza dia mety ho tonga fahamaizinana rehefa tsy mitandrina ny olona.

Iza ireo olona izay toy ny fandraisan'ny fiarahamonina ireo mpamory hetra tamin'ny andron'l Jesôsy no andraisan'ny fiarahamonina azy ankehitriny? Ahoana no tokony hanitsiantsika ny fomba fisainantsika mikasika azy ireny?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.
Sun 15 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny Daniela toko faharoa sy ny tantara.
Mon 16 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary.
Tue 17 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Miankohoka amin’ny sary indray.
Wed 18 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny fanenjehana ny fiangonana voalohany.
Thu 19 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Ny mariky ny bibidia.
Fri 20 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fianarana fanampiny.
Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 07 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fampidirana.
Sun 08 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Mosary tany Amin ny "tranon’nymofo"
Mon 09 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Rota sy i Boaza.
Tue 10 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Boaza amin’ny maha-mpanavotra azy.
Wed 11 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - I Hamana sy I Satana.
Thu 12 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Ho amin’izao andro izao mihintsy.
Fri 13 Jun 2025
LESONA 11: I ROTA SY I ESTERA - Fianarana fanampiny.
Sat 14 Jun 2025
LESONA 12: FANAMBARANA MIALOHA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 21 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fampidirana.
Sun 22 Jun 2025
LESONA 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ilay mpaminany malaina.
Mon 23 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Asa mitory fibebahana
Tue 24 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Tao amin’ny lanonan’i Belsazara.
Wed 25 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Ny faharetan’ny onin’ny Eofrata.
Thu 26 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - I Kirosy, Ilay voahosotra.
Fri 27 Jun 2025
Lesona 13: IREO SARY MANEHO NY FARANY - Fianarana fanampiny.

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (14)

Pagination

  • Previous page
  • 2
Powered by Drupal