Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

Raha mandinika heloka ianao Jehôvah ô

Daty
Talata 13 February 2024

Vakio ny Sal. 130. Ahoana no anehoana ny faharatsian'ny fahotana sy ny fanantenana ho an'ny mpanota eto?

Mifandraika amin'ny helony sy ny heloky ny olony ny fahoriam-ben'ilay mpanao Salamo (Sal. 130:3,8). Lehibe loatra ny heloky ny olona ka mitady hampisaraka azy ireo amin'Andriamanitra mandrakizay (Sal. 130:3). Miresaka ny amin'ny firaketana ny fahotana izay tehirizina ho amin'ny andro fitsarana ny Soratra Masina (Dan. 7:10; Apôk. 20:12), ary koa miresaka momba ny anaran'ny mpanota izay esorina tsy ho ao amin'ny bokin'ny fiainana (Eks. 32:32; Sal. 69:28; Apôk. 13:8).
Mangataka ny famindram-pon'Andriamanitra, izay hamono ny firaketana ny fahotana, ilay mpanao Salamo (Sal. 5:1, 9; Jer. 31:34; Mika 7:19). Fantany mantsy fa "tsy toetra raikitra ao amin'Andriamanitra ny fahatezerana. Fa mandrakizay ny fitiavany. Ny tsy fahaizan'ny olombelona mankasitraka ny fitiavany no manetsika ny 'fahatezeran'Andriamanitra'. (...) Tsy ny handratra no tanjon'ny fahatezerany, fa ny hanasitrana ny olombelona; tsy ny hanimba fa ny hamonjy ireo vahoakan'ny Fanekeny (jereo ny Hôs. 6:1,2)."- Hans K. LaRondelle, Deliverance in the Psalms (Berrien Springs, MI: First Impressions, 1983), tt. 180, 181. Tsara homarihina fa ny fahavononan'Andriamanitra hameka heloka, fa tsy hanafay azy, no miteraka fanajana fatratra an'Andriamanitra (Sal. 130:4; Rôm. 2:4). Ny tena fiankohofana marina dia miorina amin'ny fiaikena ny toetran'Andriamanitra be fitiavana, fa tsy noho ny tahotry ny famaizana.

Asaina miandry an'i Jehovah ireo vahoakan'Andriamanitra (Sal. 27:14; Sal. 37:34). Ny teny hebreo qawah, "miandry", dia adika ara-bakiteny hoe "manatsotra tanana", ary fototenin'ny teny hebreo ilazana ny hoe "fanantenana." Araka izany, ny fiandrasana an'Andriamanitra dia tsy fileferana amin'ny toe-javatra mahonena fa "fanatsoran-tanana" feno fanantenana na koa fiandrandrana fatratra ny fidiran'Andriamanitra an-tsehatra. Tsy ny fijery miabo ananan'ny mpanao Salamo no iorenan'ny fanantenany fa ny Tenin'Andriamanitra (Sal. 130:5). Tsy very maina ny fiandrasana an'i Jehovah satria aorian'ny alina maizina no tonga ny marainan'ny fanafahan'Andriamanitra.

Jereo ny fangatahana nataon'ilay mpanao Salamo izay tonga fangatahan'ny fiarahamonina iray manontolo (Sal. 130:7,8). Tsy afa-misaraka amin'ny fiadanan'ny vahoaka manontolo ny fiadanan'ny olona anankiray; izany no anton'ny vavaka nataony tsy ho an'ny tenany fa ho an'ny besinimaro. Amin'ny maha-mpino antsika dia ao anatin'ny fiarahamonina isika, ary izay miantraika amin'ny fiarahamonina dia misy fiantraikany amin'ny tsirairay.

Eritrereto ny fanontaniana hoe: "Raha mandinika heloka Hianao, Jehovah ô, Iza no hahajanona, Tompo ô? - Sal. 130:3. Midika inona ho anao manokana izany? Taiza ny toerana mety ho nisy anao raha toa Andriamanitra nandinika ny helokao?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 28 Feb 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fampidirana.
Sun 01 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Ny fahendren’Andriamanitra sy ny fahalalany.
Mon 02 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Mamaka sy mitombo ao amin’i Kristy.
Tue 03 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Nofantsihana teo Amin’ny hazo fijaliana.
Wed 04 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Tandindona sa tena izy?
Thu 05 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Didin’olombelona.
Fri 06 Mar 2026
Lesona 10: TANTERAKA AO AMIN’I KRISTY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 21 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fampidirana.
Sun 22 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fahiny (…) tamin’ny fanaovan-dratsy, (…) no efa nampihavaniny ankehitriny.
Mon 23 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Raha maharitra amin’ny finoana hianareo.
Tue 24 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Drafitra mandrakizain’Andriamanitra.
Wed 25 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Zava-miafin’Andriamanitra nampahafantarina.
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ -
Thu 26 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Ny herin’ny Filazantsara.
Fri 27 Feb 2026
Lesona 9: FAMPIHAVANANA SY FANAΝΤΕΝΑΝΑ - Fianarana fanampiny.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (59)
  • January 2026 (85)
  • February 2026 (35)
  • March 2026 (20)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal