Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TAFIDITRA NY PLANETA TANY

Daty
Talata 02 April 2024

Raha namorona ny tany Andriamanitra dia nataony tonga lafatra izany. Ny Baiboly dia milaza fa “hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany” – Gen. 1:31. Tsy nisy pentim-pahotana na ratsy, na taiza na taiza. Kanefa nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva koa ny fahafaha- misafidy, tahaka izay nomeny an’i Losifera. Tsy te hanana milina eto an-tany Andriamanitra, toy ny tsy naniriany hanana milina tany an-danitra.

Raha ny marina, nanao izay hahatonga izany fahafahana izany ho hita mazava Izy. Namboly hazo tao amin’ny saha Izy, izay nantsoiny hoe hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Nohazavainy tsara tamin’izy ireo ny momba izany satria tiany ho azo antoka fa fantatr’izy ireo ny fananany safidy.

Nanatona ilay hazo i Satana ary raha nitaredretra teo i Eva dia izao no nolazainy taminy: “Tsy ho faty tsy akory hianareo; fa fantatr’Andriamanitra fa amin’izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka anAndriamanitra hianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy”– Gen. 3:4,5. Raha mihinana io hazo io ianao dia hiditra amin’ny tontolom-piainana vaovao. Hanana fientanentanana ianao. Hahalala fientanentanana izay tsy mbola fantatrao hatrizay ianao. Ry Eva, manafin-javatra aminao Andriamanitra. Raiso ilay voankazo voarara ka hano.

Rehefa nanao izany safidy izany i Eva, ary avy eo i Adama, dia nanokatra varavarana izay nirin'Andriamanitra hakatona mandrakizay izy ireo. Varavaran'ny fahotana izany, ny varavaran'ny fijaliana, ratram-po, nyaretinasynyfahafatesana.

Vakio ny Gen. 3:1-3 sy ny Rôm. 3:23 ary ny Rôm. 5:12. Inona no iraisan’ireo andininy ireo? Lazao ny vokatra faratampon'ny fahotana izay namely ny taranak'olombelona manontolo.

Raha ny maha-izy azy nojerena ny fahotana dia fikomiana amin'Andriamanitra. Mitarika ho amin’ny fisarahana amin’Andriamanitra izany. Ary satria loharanon'ny fiainana Andriamanitra, dia mitarika ho amin’ny fahafatesana ny fisarahana amin’Andriamanitra. Mahatonga horohoro, tebiteby, ary aretina koa izany. Raha ny marina, ny fijaliana eto amin’ity tontolontsika ity dia vokatry ny fiainana eo amin’ny planeta ravan’ny fahotana. Tsy midika tsy akory izany fa isaky ny mijaly na marary isika dia satria avy nanota. Midika kosa izany fa ny tsirairay avy amintsika dia tratry ny vokatry ny fiainana eto amin’ny planeta izay simban’ny fahotana.

Vakio ny Gen. 3:15: Lev. 5:5,6; ary ny Jao. 1:29. Inona ny teny fikasana nomen’Andriamanitra an’i Adama sy i Eva tao amin’ny saha taorian’ny nanotan’izy ireo, mba hanomezana azy ireo fanantenana tao anatin’ny fahamelohany sy ny fahadisoam-panantenany? Inona ny asa natombok'Andriamanitra tao Edena, izay nanondro azy ireo ny vahaolan’ny fahotana ho amin’ny taonjato rehetra?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.
Sun 26 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ny fahalalana sy ny fitiavana.
Mon 27 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Ftiavana tsy mitady ny azy.
Tue 28 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Mandray lesona avy amin’ny lasa.
Wed 29 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampitandremana momba ny fanompoantsampy.
Thu 30 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Afaka amin’ny fanompoan-tsampy.
Fri 31 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fianarana fanampiny.
Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 18 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fampidirana.
Sun 19 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Finoana sy fampiharana tsy mifanaraka.
Mon 20 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miatrika ny toe-java-mamohehatra.
Tue 21 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Miaro ny maha-izy ny fiangonana.
Wed 22 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanefitry ny fijangajangana.
Thu 23 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Ny fanambadiana sy ny fijanonana ho tokan-tena.
Fri 24 Jul 2026
Lesona 4: FAHOTANA TAO AMIN'NY FIANGONANA - Fianarana fanampiny.
Sat 25 Jul 2026
Lesona 5 : HO VONINAHITR’ANDRIAMANITRA IZANY REHETRA IZANY - Fampidirana.

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Sat 01 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fampidirana.
Sun 02 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fanomezampahasoavana samy hafa.
Mon 03 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Firaisana ao anatin’ny fahasamihafana.
Tue 04 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Làlana tsara indrindra.
Wed 05 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny fitenenana amin’ny fiteny samihafa.
Thu 06 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Ny fanomezampahasoavan’ny faminaniana.
Fri 07 Aug 2026
Lesona 6 : NY FANOMEZAMPAHASOAVANA - Fianarana fanampiny.
Sat 08 Aug 2026
Lesona 7: NY ATAO HOE FITIAVANA - Fampidirana.

Archive mensuelle

  • December 2023 (17)
  • January 2024 (31)
  • February 2024 (56)
  • March 2024 (22)
  • April 2024 (72)
  • May 2024 (66)
  • June 2024 (49)
  • July 2024 (64)
  • August 2024 (109)
  • September 2024 (11)

Pagination

  • 1
  • Next page
Powered by Drupal