Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TANDREMO NY MOFO RATSY

Daty
Alakamisy 08 August 2024

Vakio ny Mar. 8:11-13. Inona ny fihetsik'ireo Fariseo izay nandiso fanantenana fatratra an'i Jesôsy?

Nahoana moa raha toa asehon'i Jesôsy ny hery maha-Andriamanitra Azy ary noreseny lahatra ireo mpanindrontsindrona ireo? Miverina any amin'ny faran'ny Mar. 3 ny olana, izay iresahan'i Jesôsy mikasika ny fahotana atao amin'ny Fanahy Masina. Raha tsy mety mihaino ny sofin'ny olona iray ary mikipy ny masony, dia tsy haharesy lahatra azy mihitsy ny fahagagana hafa, eny fa na dia ny famantarana avy any an-danitra aza. Holaviny fotsiny tahaka izay rehetra efa natao teo aloha izany. Na ny fahagagana aza dia tsy ampy handresen-dahatra ireo izay efa tapa-kevitra ny tsy hino.

Vakio ny Mar. 8:14-21. Inona ny zavatra hadinon'ny mpianatra, ary inona ny hevitra nasongadin'i Jesôsy avy amin'izany?

Nohararaotin'i Jesôsy izany fotoana izany mba hampitandremana ny mpianatra tsy ho azon'ny "masirasiran’ny Fariseo sy ny masirasiran'i Herôda (Mar. 8:15), izany hoe ny fampianaran'izy ireo (ampitahao amin'ny Mat. 16:12).

Tsy takatry ny mpianatra anefa izany ka nihevitra izy ireo fa niresaka momba ny tsy hividianana mofo ara-bakiteny i Jesôsy. Manome torolalana ireo mpianatra ireo i Jesôsy isaky ny tsy mahatakatra araka ny tokony ho izy ny resaka ataony izy ireo. Nametraka fanontaniana marobe tamin'izy ireo ny Tompo; natao hampieritreritra ny ankamaroan'izany fanontaniana izany, izay nampiseho ny fahadisoam-panantenany noho ny tsy fahatakaran'izy ireo ny iraka nampanaovina Azy. Mampahatsiahy izay nolazainy tao amin'ny Mar. 4:10-12 ny zavatra nambarany, mikasika ireo any ivelany izay tsy mahatakatra ny Teniny. Natao hanairana ireo mpianatra hifoha amin'ny torimasom-panahiny ny teny mahery nataony.

Mametraka fanontaniana tsotra Izy ao amin'ny Mar. 8:19,20, momba ny isan'ny harona nasiana ny sombi-mofo tsy lany raha namahana olona dimy arivo sy olona efatra arivo Izy (Mar. 6:30-44; Mar. 8:1-10). Napetrany ireo fanontaniana ireo mba hanehoana fa tokony ho takatr'ireo mpianatra amin'izay fa tsy sakana ho an'ny Mesia ny tsy fahampian'ny fitaovana eo an-tanana. Mbola fampieritreretana koa ny fanontaniana farany napetrany ao amin'ny Mar. 8:21: "Mbola tsy mahafantatra ihany va hianareo?" Firifiry rahateo moa ny zavatra efa hitan'izy ireo sy niainany niaraka tamin'i Jesôsy!

Ahoana no hianarantsika hanokatra ny saina sy ny fontsika handray ny fahamarinan'Andriamanitra sy ny Fitiavany? Saintsaino ireo porofo rehetra efa nomena antsika momba Azy sy ny Fitiavany. Nahoana anefa isika no mora misalasala indraindray?

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana
Sun 21 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Teo ianareo.
Mon 22 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Amin’ny fahitsiana sy ny fahamarina
Tue 23 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Afaka misafidy ny hanompo
Wed 24 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Loza mifandraika amin’ny fanompoan-tsampy
Thu 25 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Tsara fiafara
Fri 26 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 13 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fampidirana
Sun 14 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - "Tanteraka avokoa izany rehetra izany"
Mon 15 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Hoavy mampanahy
Tue 16 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Faritra mazava mampisaraka
Wed 17 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Ny fahatezeran’i Jehôvah
Thu 18 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Mifikira amin’Andriamanitra
Fri 19 Dec 2025
Lesona 12: MAHATOKY ANDRIAMANITRA! - Fianarana fanampiny
Sat 20 Dec 2025
Lesona 13: FIDIONAREO ANIO! : Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • August 2025 (67)
  • September 2025 (58)
  • October 2025 (62)
  • November 2025 (67)
  • December 2025 (40)

Pagination

  • Previous page
  • 3
Powered by Drupal