Skip to main content
Fandraisana
MALINA (Malagasy advantista eto Lyon iandrandrana ny ho avy)

[MG] Navigation principale

  • Fiambenana Maraina Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Androany
  • Lesona Sekoly Sabata Herinandro
  • Lesona Sekoly Sabata H. lasa
  • Lesona Sekoly Sabata H. ho avy
  • Radio AWR

Breadcrumb

  1. Fandraisana

TELOVOLANA 2: NY FOMBA FANDINIHANA NY FAMINANIANA AO AMIN'NY BAIBOLY

Daty
Sabotsy 29 March 2025

Nosoratan'i Shawn Boonstra

Ireo famantarana ao anatin'ny faminaniana

Nandritra ny adin'ny Golfe Persique voalohany (1991) dia resy lahatra ny mpanoratra sy mpandaha-teny Protestanta malaza iray fa efa naminany ny amin'io fifandonana io ny bokin'ny Apokalipsy. Ny sasany tamin'ireo angidimby niasa nandritra ny ady mantsy dia nitovy tamin'ireo valala voalaza ao amin'ny Apokalipsy, ary naoriny tamin'izany ny fanazavany. «Ary nanokatra ny lavaka tsy hita noanoa izy, dia nisy setroka niakatra avy tamin'ny lavaka, tahaka ny setroka avy amin'ny lafaoro lehibe, ary tonga maizina ny masoandro sy ny habakabaka noho ny setroka avy tao amin'ny lavaka. Ary nisy valala nivoaka avy tamin'ny setroka nankamin'ny tany; ary nomena hery ireny, tahaka ny herin'ny maingoka amin'ny tany.» - Apok. 9:2,3.

Tsy dia izany loatra no fomba tsara indrindra hanazavana ny faminaniana ara-Baiboly, sa ahoana hoy ianao? Kanefa fahita mahazatra ihany izany fomba fanazavana izany. Raha ny marina dia efa am-polo taona maro no nisy boky. lahatsoratra, horonan-tsary marobe, ary ankehitriny tranonkala maro amin'ny aterineto, natokana handinihana ny faminaniana, izay nanao fanambarana maro momba ny hoavy, anisan'izany ny fametrahana daty mifandraika amin'ireo tranga amin'ny andro farany - izay matetika nifantoka tamin'ny ady na ny korontana any Moyen-Orient.

Ary, tsy mahagaga, tsy nisy tanteraka ireo rehetra ireo.

Amin'ny maha-Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito antsika dia hafa ny fomba itondrantsika izany. Mifantoka amin'i Kristy isika, Izay ivon'ny faminaniana, ary tsy mitodika intsony amin'ny toerana ara-jeografia tokana any Moyen-Orient sy izay fifandonan'ny tafika miseho any ny faminaniana. Ao anatin'ny tontolon-kevitry ny fifanandrinana lehibe ifanaovan'i Kristy sy i Satana kosa no andinihantsika ny faminaniana ady ara-panahy maneran-tany izay ho tonga amin'ny faratampony rehefa hiatrika ny fotoan-tsarotra farany ny vahoakan'Andriamanitra, na Jiosy na tsia (jereo ny Apôk. 12:17, Apôk. 14:12). Ny fiankohofana amin'ny Mpahary (jereo ny Apok. 14:7), izay mifanohitra amin'ny fiankohofana amin'ny bibidia sy ny sariny, no ifanolanana amin'izany.

Singa fototra ahatakarana ireo faminaniana amin'ny andro farany ireo ny Daniela 2, izay tsy vitan'ny mirakitra ny filaharan'ireo faminaniana ara-tantara ihany fa ahitana singa manan-danja hoenti-manazava ny heviny koa.

Manoritsoritra fanjakana efatra eto amin'izao tontolo izao ny Daniela 2 -Babilona, Media-Persia, Grisia, ary Rôma arahin'ny fanorenan'Andriamanitra ny fanjakany mandrakizay, "izay tsy ho rava mandrakizay; ary izany fanjakana izany tsy havela ho an'olon-kafa, fa ireo fanjakana rehetra ireo dia hotorotoroiny sy holevoniny, fa izy kosa hitoetra mandrakizay." - Dan. 2:44. Mitovy ny firafitra fototry ny faminaniana ao amin'ny Daniela 2 sy ny ao amin'ny Daniela 7 sy 8, dia ny fisandratan'ireo fanjakana eto an-tany sy ny faharavany mandra-piorenan'ny fanjakan'Andriamanitra mandrakizay.

Manazava izany rehetra izany ilay anjely ao amin'ny Daniela 7: "Ireo biby lehibe efatra ireo dia mpanjaka efatra izay hitsangana avy amin'ny tany. Nefa ny olo-masin'ny Avo Indrindra no hahazo ny fanjakana ary hanana ny fanjakana mandrakizay alaovalo." - Dan. 7:17,18.

Mifanesy, mifandimby tsy misy fiatoana eo amin'ny tantara ireo fanjakana efatra eto an-tany (Babilona, Media-Persia, Grisia, ary Rôma) mandra-panorenan Andriamanitra ny fanjakany mandrakizay amin'ny fiavian'i Jesosy fanindroany.

Mazava loatra, mbola eto isika izao, ao anatin'ny fotoana anjakan'i Rôma, ilay fanjakana fahefatra farany eto an-tany alohan'ny fiverenan'i Kristy.

Araka io fomba fijery ara-tantara io, izay fototra ahatakarana ny faminaniana, no handinihantsika ny lohahevitra mikasika ny fomba fanazavana ny faminaniana ara-Baiboly mandritra ity telovolana ity, indrindra ny sasany amin'ireo fanoharana, tantara, sary an'ohatra, ary tandindona izay manambara fahamarinana ara-paminaniana sy izay hitranga any am-parany any.

Hatombotsika amin'ny tantaran'ny Famoronana ao amin'ny Genesisy izany izay zava-dehibe ho an'ny fahatakarana ny faminaniana, ary indrindra koa ny hazo fijaliana sy ny fahafatesan'i Jesosy ho fanavotana ny olona - ka hatramin'ny tilikambon'i Babela, ny fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina, ny Salamo, ary na dia ny sasany amin'ireo fanambadiana ao amin'ny Testamenta Taloha aza. Ao amin'ireo rehetra ireo, sy ny maro hafa, dia hahita sary an'ohatra, tandindona, ary fanoharana isika, izay rehefa dinihina amim-bavaka sy amin'ny toe-tsaina manetry tena sy milefitra (ho lany andro fotsiny ianao raha amin'ny fo feno fanoherana no andinihanao ny Baiboly), dia hanampy antsika hahatakatra mazava ireo faminaniana amin'ny andro farany, indrindra ny ao amin'ny Apôkalipsy.

Tsy isalasalana fa tsy ampy ny telovolana iray hanombohana ny fandinihana ny tantara sy ny sary rehetra izay manampy amin'ny fahatakarana ny fahamarinana ara-paminaniana. Iza no mahalala? Fotoana mandrakizay angamba no hilaintsika amin'izany. Eto am-piandrasana dia handinika izay rehetra azontsika dinihina isika, miaraka amin'ny fahasoavan'Andriamanitra.

I Shawn Boonstra dia mpandaha-teny/talen'ny Departemantan'ny Feon'ny Faminaniana. Nampahery izao tontolo izao ny fandaharany sy ny boky nosoratany, ary naseho mivantana tany amin'ny kaontinanta rehetra ny hetsika fitoriana ny filazantsara nataony nandritra ny taona maro, afa-tsy tany Antarktika.

Lesona Sekoly Sabata Herinandro

Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana
Sun 02 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fivadihana amin’ny fanekena
Mon 03 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Ny fahotan’i Akana.
Tue 04 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Safidy mampidi-doza
Wed 05 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Varavaram-panantenana
Thu 06 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Vavolombelon’i herin’Andriamanitra
Fri 07 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fianarana fanampiny

Lesona Sekoly Sabata H. lasa

Sat 25 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fampidirana.
Sun 26 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ny helok’ireo Kananita
Mon 27 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay mpitsara faratampony
Tue 28 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fandroahana sa fandringanana?
Wed 29 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Safidy malalaka.
Thu 30 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Ilay Andrian’ny fiadanana.
Fri 31 Oct 2025
Lesona 5: ANDRIAMANITRA NO MIADY HO ANAREO - Fianarana fanampiny
Sat 01 Nov 2025
Lesona 6: FAHAVALO AO ANATINY - Fampidirana

Lesona Sekoly Sabata H. ho avy

Archive mensuelle

  • October 2024 (96)
  • November 2024 (69)
  • December 2024 (17)
  • January 2025 (69)
  • February 2025 (91)
  • March 2025 (21)
  • April 2025 (73)
  • May 2025 (87)
  • June 2025 (19)
  • July 2025 (68)

Pagination

  • Previous page
  • 2
  • Next page
Powered by Drupal